Tadjikistan: Fitsinjarana mitanila ny harena

Sahala amin’ny filam-boatsiary izany mitady zavatra mitera-bokatra hatao eto Tadjikistan izany raha toa ianao ka manaraka ny fepetra sy fitsipika rehetra noferan’ny fanjakana. Anaovan’ny olona sangy ratsy mihitsy ny filazana fa ny làlana mora hahatonga ho olona manan-karena dia ny fidirana ho ao amin’ny governemanta na olona akaikin’ny governemanta. Mety ho marina angamba izany, sady hahatonga anao ho tsy maty manota izany amin’ny resaka taratasim-bola, fifaninanana ary izay mety ho fanenjehana—Avo ny toerana misy anao, betsaka koa ny azonao. Neweurasia dia mamintina ny karoka nataon’ny Avesta News Agency momba ny mpanankarena eto Tadjikistan:

Raha mpanankarena monina eto Tadjikistan ianao dia midika izay fa , na (1) ianao olon’ny governemanta, na (2) ianao mpiasa taloha tao amin’ny governemanta, na (3) ianao mpanao afera mandositra hetra, na (4) ianao olo-malazan’ny zavakanto, na (5) ianao mpamatsy zava-mahadomelina. Raha tsy olon’ny governemanta ianao nefa mpanankarena, dia midika izany fa mànana krisha ianao (” tafo”, na mpiaro ao anatin’ny olon’ny governemanta).

Ny tatitra dia maneho – ary azo lazaina ho marina ihany – fa raha te ho olo-malazan’ny zavakanto dia mila manana tohana (ambadika) avy amin’ny olon’ny governemanta. Anaty hafatra hafa i neweurasia dia miresaka ny asa fitadiavana eto Tadjikistan:

Ny krisha-nao mety ho mpanao heloka bevava, mpiasa ambony iray ao amin’ny governemanta, indrindra fa ao anatin’ny mpampihatra lalàna (polisy). Tsara ny mànana krisha ao anatin’ny mpampihatra lalàna (polisy) na avy ao amin’ny governemanta satria ny mpanao heloka bevava sy ny filoha mpitarika ady fahiny dia tsy misy lanjany loatra eto Tadjikistan [ankehitriny].

Manamarika i Tojvar [taj] ao amin’ny “weathiest Tajiks list” fa:

Ny olon’ny governemanta ao Tadjikistan dia tsy mampihahaka velively ny hareny ary miteny fa miaina fotsiny amin’ny karamany isam-bolana izy ireo—200 USD—na dia fantatra aza fa tsy ampy mihitsy izany ao an-drenivohitra ao. Ny fanontaniako eto dia ireto: Nahoana izy ireo na mànana harem-be, raha izaho kosa tsy maintsy mandeha miondrana mivarotra herin-tsandry any Rosia ?

Raha ny marina, ilaina ny miaiky fa ireo izay migoka ny tombontsoa amin’izao fotoana, dia mety ho very fihinana isaky ny misy fitsinjarana vaovao ny harena eo amin’ireo lohandohany, na toy inona lanjan’ny mpiaro anao ao anatin’ny rafitry ny governemanta, dia mety sady hafoinao ny maha tsy maty manota no koa hafoinao ny fanananao. Tamin’ny herinandro lasa iny, Tajik iray tamin’ireo mpanao afera sady niroborobo lavitra noho i Maruf Orifov dia nosazian’ny Cour de cassation higadra 8 taona sy tapany  miampy fanagiazana ny fanànany noho ny resaka kolikoly sy fandosirana hetra. Izy no tompon’ny tamba-jotra mpaninjara lehibe indrindra “Orima” ao Dushanbe.

John Musarra ao amin’ny Tajiksitan Journal dia mamaritra ny fomba mahazatra azy rehefa manjifa ao amin’i Orima, raha mbola misaintsaina kosa i Ravshan [rus] fa tsy dia mifanandrify (henjana) loatra ilay fanapahan-kevitra noraisin’ny Cour de cassation ary mety hitondra rivotra ratsy amin’ny fampiasam-bola eto amin’ny firenena. Na izany aza, betsaka no mihevitra eto Tadjikistan fa iny raharaha iny dia tsy hafa fa vely kobain’ireo mpisetrasetra (mpanao ratsy) ho fakàna ny raharaha fidiram-bolan’ny hafa fotsiny. Miombon-kevitra amin’izany i Tajeconomy [rus] ary mametraka hoe:

Ny zava-miafina voalohany eto dia izao – ho lasan’iza (olon-tsotra iza ) i Orima? Raha noforonina hakàna ny tamba-jotra “Orima” ilay raharaham-pitsaràna, izay ho tompony aoriana (na izay mpiaro io olona io) dia azo lazaina avy hatrany ho ny ati-doha nikotrika ny raharaha. Raha tena noforonina tokoa ilay raharaham-pitsaràna, iza no mety hànana izany fahefana izany ary koa ny hery nentina nandrebirebena ny olona mpampihatra lalàna (polisy)?

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.