Egypta:Ny tantaran'i Sounilla

Zava-bitika ihany no mba hain’i Sounilla, mpianatra Amerikanina, hoe anaty inona ary izy izany no mizotra raha nahita mpianatra roa avy amin’ny anjerimanontolo misy azy nijoro teo afovoan’ny Cairo Square izy ary nanapa-kevitra ny handeha ho eny amin’izy ireo ka ny fakantsariny dia tsy miala any amin’ireo. Tsy hay hoe avy aiza, nipoitra tampoka avy any ny mpitandro filaminana nisambotra azy ireo, naka azy teo an-tokotany, ary nampiditra azy tanaty fiara, tsy ferana ny hidirany am-ponja.
Ahmed (Ar) mpitoraka blaogy Egyptiana no mitantara amintsika ny tantaran’i Sounilla, mpianatra iray 23 taona avy any New York, tonga tao Egypte mba hianatra ny tononkalo Arabo ao amin’ny anjerimanontolo Amerikanina ao Le Caire.
sounilla.jpg

Hoy Ahmed:

سونيلا شاب أمريكي من أصل هندي،يحمل ذراعه وشما واضحا يحمل كلمتي “لتعيش الانتفاضة”.. ذهب صبيحة يوم الاضراب للجامعة الامريكية لمتابعة محاضراته ،وبينما هو في طريقه للجامعة عبر ميدان التحرير وجد زميلتيه سارة عبد الرازق وسارة اسماعيل تقفان وسط الميدان وتزدردان خبزا رديئا من الذي تنتجه مخابز الحكومة المصرية،ثم تلقيانه علي الارض كنوع من الاحتجاج،توجه سونيلا بكاميرته الديجيتال نحو زميلتيه ليتقط صورة فوتوغرافية،فانقضت عليه قوات الأمن واقتادته نحو ميكروباص علي ناصية شارع طلعت حرب.
في الثانية عشر والنصف ظهرا تحركت السيارة الميكروباص وتجولت بهم حواليَ القاهرة مارا بشارع صلاح سالم والدراسة،وحين احتج سونيلا موضحا :”أنا أمريكي”..رد عليه الضابط “اخرس”!
حاول سونيلا الاتصال بالسفارة الامريكية ومديرة برنامج المنحة التي يدرس بموجبها في مركز دراسات اللغة العربية في الجامعة الامريكية،توالت الاتصالات وأبلغه موظف بالسفارة :”أرجوك ابتعد عن التحرير الاوضاع غير مستقرة بالمرة”.
يقول سونيلا:”جن جنون الضابط حين علم برغبتي في الاتصال بسفارة بلادي وقال لي سألقيك من علي الكوبري إذا فعلت هذا”.

Sounilla, teratany indiana mizaka ny zom-pirenena amerikanina, dia mitondra tomboka vatsa iray eo amin’ny sandriny izay mivaky toy izao ‘Love Live the Intifada’ ‘Fitiavana Fiainana ny Intifada.’ Ny marainan’ny korontan’ny 6 Aprily, teny an-dalana ho any amin’ny Anjerimanontolo Amerikanina ao Le Caire izy mba hiatrika ny fianarany. Teo ampamakivakiana ny Tahrir Squareizy no nifanena tamin’ireo namany Sara Abd El Razak, sy Sara Ismail, nijoro teo afovoan’ny tokontany sady manipy mofo ratsy, natao tao amin’ny lafaoron’ny fanaova-mofom-pirenena egyptiana. Noho izany, nizotra ho eny amin’ireto namany i Sounilla miaraka amin’ny fakantsary nimerika iray mba haka sary. Tampoka teo anefa, tong any mpitandro filaminana nisambotra azy, ary nitaritarika azy hiditra tanaty fiara kely iray tery an-joron’ny Square of Tala’at Harb.

Tamin’ny mitatao vovonana, nanomboka nizotra nidina ireo lalankely samihafa ilay fiara kely. Niteny tamin’ilay officier tao anaty fiara i Sounilla: “amerikanina aho,” izay novalian’ilay officier hoe : “Mangiana ianao!” Niezaka niantso ny Ambasady Amerikanina i Sounilla, sy ny officier de camaraderie ao amin’ny toeram-pianarany teny arabo, saingy nilaza ny mpiasa iray tao amin’ny Ambasady hoe: “Iangaviana ianareo hiala lavitra ny faritry ny Tahrir Square, mafampana ny teo-draharaha ao.”
Tezitra mafy ilay officier de police nony nahalala ary nampitandrina an’i Sounila hoe: “Atsipiko avy eny ambony tetezana ianao raha niantso ny Ambasady.”

يضيف سونيلا : اشتبك معي أحد الضباط بينما يستجوبني ويطالبني بذكر بياناتي،وعمد الي استفزازي أكثر من مرة،قال الضابط :لم تشارك في مثل هذه الأعمال..إنت مالك؟ فقلت له :حكومتكم سيئة وتظلم الناس..فرد الضابط حانقا :لا تقل هذا الكلام..الحكومة جيدة..فنظر له سونيلا وقال :لا تنتسي أنك من الشعب ولست من الحكومة!
فصمت الضابط،يقول سونيلا:”سكت الضابط العنيف ولم يرد علي بينما لمحت علي الشرطي الذي أخذ بياناتي أمارات التعاطف..لكن علي أية حال تم حرماني من كاميرتي الديجيتال التي التقطت بها الصور”.
هدد أحد الضباط المشرفين علي عملية الاختطاف سونيلا بالقاءه في الصحراء،بينما وعد إحدي النساء بتوصيلها الي منزلها،يقول سونيلا :”ما يحد ث يشي أن الحكومة مضطربة ومرتبكة جدا وتحاول عبر هوس أمني بغيض السيطرة علي مقاليد الامور بأي ثمن”.

Nanampy koa i Sounilla fa nisy officier nampiasa hery nandritra ny fisamborana, sy nanohy nandrahona azy matetika. Nanontany azy ilay officier: “Nahoana ianao no nandray anjara tamin’ny fihetsehana toy ireny.. inona no raharaha fanaonao?” Namaly aho: “Ratsy ny governemantanareo ary manao ny tsy rariny amin’ny olona .” Nitroatra ilay officier namely hoe: “Tsy ilaina miteny zavatra toy izany, tsy ratsy ny governemanta .” Ary dia hoy Sounilla taminy: “Olona toy ny rehetra ianao, fa tsy ny governemanta!”
Nangiana ilay officier masiaka, raha naneho fiombonan-kevitra kosa ilay officier tsara fanahy. Nogiazana ny fitaovana fakantsarin’i Sounilla, ilay nakany sary indrindra. Nandrahona ny hanary azy any an-tany efitra ny officier iray raha nanome toky kosa tamin’ny vehivavy iray fa hanatitra azy hody any an-tranony. Nanampy i Sounilla hoe: “Ny zava-mitranga dia maneho governemanta tsy milamin-tsaina, tena tsy milamina ary miezaka hifehy amin’ny fomba rehetra izay lazainy fa fampandriana fahalemana.”

Hoy i Ahmed manohy:

كان سونيلا مرهقا وجائعا للغاية حين التقيناه لكنه كان مقتنعا بما يفعل بصورة تثير الدهشة،علق سونيلا :”لقد شاركت في تظاهرات في الولايات المتحدة،لكن الذي حدث هنا في القاهرة هو اختطاف رخيص علي طريقة العصابات ولايمت بصلة لجهاز شرطة يفترض أنه يحمي الناس”.
تركوا سونيلا في حوالي الثانية ظهرا وحين حاول أخذ أرقام السيارة الميكروباص التي اختطفته،لكن الضباط نزلوا وهددوه وتوعدوه،قال لهم سونيلا :”إذا أردتم القاء القبض علينا فاقبضوا..لكن لا تخطفونا علي طريقة العصابات”

Reraka mafy i Sounilla ary tena noana tamin’ny fotoana nifankahitanay, nanao fanamarihana anefa izy: “Nandray anjara betsaka tamin-na fanehoan-kery tany Etas-Unis aho, fa izay nitranga teto Le Caire dia mihoatra lavitra noho ny fakana an-keriny gangsters ary tsy misy fifandraisany mihitsy amin’izay fomba fiasan’ny antanan-tohatry ny polisy izay noeritreretina fa tokony hiaro ny olona.”

Navotsotr’izy ireo i Sounilla tany amin’ny 2 ora tany, ary rehefa niezaka handray ny laharan’ny fiara izy, dia mbola norahonan’ireo officers ihany, hany heriny niteny tamin’izy ireo hoe: “Raha te-hisambotra anay ianareo, ataovy izany, nefa kosa aza alaina an-keriny toy ny gangsters izahay.”

sary: Mohamed Ali El Dien

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.