Sri Lanka: Atsaharo ny fanenjehana mpanao gazety

International Federation of Journalists (IFJ) Federasiona Iraisam-pirenen’ny Mpanao gazety, fikambanana iray milofo amin’ny fiarovana sy fanamafisana ny zo sy fahalalahan’ny mpanao gazety dia miantso mba hanaovana ny 10 Aprily ho Andro Iraisam-be, ampitondraina ny teny faneva hoe “Atsaharo ny fanenjehana ny Mpanao gazety eto Sri Lanka“.
stopwaronjournalists_ifj.gif

IFJ dia miantso ireo sakaizany sy mpiara-miasa aminy rehetra hiara-hientana amin’izany Andro iraisam-be izany amin’ny alalan’ny :

• fandefasanareo taratasy fanoherana any amin’ny Filoha Rajapaksa rehefa avy nampandalovina tamin’ny Ambasady Sri-Lanke ao an-toerana
• fandefasanareo ny taratasy fangataham-panohanana any amin’ny governemantanareo
• fametrahana ny hoe ‘Atsaharo ny fanenjehana ny Mpanao gazety eto Srilanka’ amin’ny tranonkalanareo, amin’ny famoriam-bahoaka, na fampisehoana mivelatra ho an’ny daholobe ary anaty gazety samihafa amin’izay fotoana rehetra azo anaovana izany

“Iray ihany amin’ireo ezaka rehetra atao momba ny fanentanana ‘Atsaharo ny fanenjehana ny Mpanao gazety’ ho an’i Sri-Lanka ity, izay mizotra sahady mankany amin’ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fahalalahan’ny Fanaovan-gazety ny 3 May ary koa ny famoahana ny Tatitra isan-taonan’ny IFJ momba ny fahalalahan’ny gazety amin’ny faritra atsimon’i Azia ho an’ny taona 2007-2008” hoy ny IFJ.

Ny fanarahana ny tati-baovao sy ireo rohy samihafa dia maneho an-tsary antsipirihany ny zava-misy ao Sri-Lanka. Mety ho ity no tatitra mpampahalala vaovao lohalaharana, manolotra fijery midadasika be hoe nahoana i Sri-Lanka no toerana mitera-doza (tany fady) ho an’ny asan’ny mpanao gazety.

Human Rights Watch
milaza hoe :

Ny governemanta Sri-Lanke no tompon’antoka amin’ireo fakana an-keriny sy fanjavonana mihanaka lasa olan’ny firenena manontolo, hoy ny Human Rights Watch tanatin’ny tatitra vaovao navoakany androany. Human Rights Watch dia niangavy mafy ny governemanta mba hamoaka (hilaza) momba ireo ‘nanjavona’, hampitsahatra avy hatrany ity fomba ity, sy hihazona ireo tompon’andraikitra voakasik’izany ….
… Ilay tatitra 241 pejy, “Recurring Nightmare: State Responsibility for ‘Disappearances’ and Abductions in Sri Lanka,” (Nofiratsy miverina : Fanjakana tompon’andraikitra amin’ny fanjavonana sy fakana an-keriny ao Sri Lanka), mitondra fanadihadiana 99 amin’ireo tranga an-jatony maro notaterina, ary mandalina ireo valintenin’ny governemanta Srilankey izay hatramin’izao dia azo lazaina ho boraingina tsy mahafa-po. Tany amin’ny 2006 sy 2007, ireo Vondron’asan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fanjavonana an-terisetra sy tsy an-tsitra-po dia nahamarika tranga-na fanjavonana maro be tao Sri Lanka raha oharina amin’ny firenena hafa maneran-tany.

Morning Star: dia manana tatitra momba ireo mpanao gazety voafonja. Transcurrents mitatitra fa ny Vondrona mpiaro ny zon’ny mpampahalala vaovao eto Sri Lanka dia manahy ny amin’ity fisamborana mpanao gazety manao tohivakana ity.
Ny isan’ny mpanao gazety voasambotra; mpanao gazety iray no votsotra rehefa avy niatrika fanontaniana hoy Free Media Movement, Sri Lanka, izay sampana iray amin’ny IJF. Reporters Without Borders (mpitatitra vaovao tsy voafetran’ny toerana) dia nihetsika tamin’ny alalan’ny fanehoany ny ahiahiny momba ireo mpanao gazety Tamoul dimy nosamborin’ny polisy mpiady amin’ny mpampihorohoro tao Colombo. Uthawi.net, fikambanana Alemana tsy mikendry tombon-tsoa iray, ka isan’ny mpandray anjara aminy i Jasikaran, mpanao gazety iray mpampita an-tsitrapo dia namoaka communiqué de presse iray koa. Thiru, mpitoraka blaogy avy any Belzika dia manainga antsika handefa antso any amin’ny OHCHR-UNOG, Amnistie Internationale, ny Filoha Sri-Lanke koa, amin’ny anaran’ireo kamboty marobe mijaly. ICT4Peace dia manao fampitahana amin’ny sivana misy any Iran sy Sri Lanka, izay mitondra fanontaniana ao an-tsaina – raha tandindomin-doza ny mpanao gazety, ho tratr’izany koa ve ny mpitoraka blaogy?
TamilNet nitatitra fa ny asan’ny governemanta dia sady tsy mangarahara velively no tsy mizotra amin’ny foto-pisainana mba hisian’ny fampahalalam-baovao malalaka, ary angamba koa aza maneho taratra ny asan’ny governemanta manohitohina ireo vondron’olona vitsy an’isa.

Omaly maraina, I. Shivalingam, mpanao gazetin’ny TamilNet avy ao Wattala, dia nandray ny fiaran-dalamby vao maraina mba hamonjy ny toeram-piasan’ny TamilNet ao Colombo. Kanefa, sady tsy tonga nanao ny asany izy, tsy nisy nahita na nandre hatramin’ny nialany ny tranony. Ny fanadihadian’ny TamilNet no nahalalana fa nisy fiara (fourgon) fotsy niandry teny amin’ny manodidina ny Fort Railway Station tamin’io ora tokony ho naha teo an’i I. Shivalingam io . Mbola ny fanadihadian’ny TamilNet ihany koa no nahitana fa Ranjini, mpifanolo-bodirindrina iray amin’i Shivalingam, dia nanjavona koa tamin’io andro io ary tamin’ny fomba mampiahiahy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.