Iraka:Fotoana iray manan-tantara

Ady ao Basra… tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina any Bagdad… fanafihana an’habakabaka any amin’ireo tanan-dehibe… avy eo fampitsaharana poa-basy… fa inona no mitranga eto an-tany e? Tatitra iray tamin’ny BBC no nilaza fa zava-poana ny hetsika natao tany Basra – maro no azonao andikana (hamenoana) azy araka izay tianao. Ary izaho koa te hameno, amin’ny fomba fijerin’ny mpitoraka blaogy Irakianina. Ny sasany manara-drenirano, ny hafa indray mifanohitra, fa misy iray kosa afaka mameno ny banga hita ao anatin’ny tatitra

Fa voalohany indrindra aloha, raha mbola tsy namaky blaogy hafa mihitsy ianao tamin’ity herinandro ity dia ity vakiana

Ny faramparany tamin’ireo Irakiana dia nanome ny toro-lalana farany momba ny dimy andro nisian’ny ady tao Bagdad araka ny fahitany. Tsara ny hamakiana manontolo ity hafatra ity mba hahatakarana marina ny lozabe ateraky ny ady. Any amin’ny fary dia hoy izy:

Mino aho fa nifamaly i AlMaliki sy Muqtada ary tsy nitovy hevitra momba ny zavatra sasantsasany, ary i Muqtada nihevitra fa matanjaka kokoa izy, avy eo i AlMaliki koa te haneho hery aminy hoe izy no tena mafy be ary izy koa no mpifehy ka i Muqtada dia tokony hanoa azy mandrakariva sy hatahotra azy …noho izany fihetsiketsehana ivelany no betsaka, tsy ampiana, tsy analana ary ankehitriny i Muqtada dia resy lahatra fa mahery tokoa i Maliki ary AlMaliki koa mahatsapa fa Muqtada dia tena afaka manakorontana tokoa rehefa te-hanao izany…adin’ankizy izy ity…ary ankehitriny miverina amin’ny maha-mpirahalahy azy izy ireo amin’ny famotehana an’i Irak sy ny famonoana ny Irakianina.

Lasa fanalana azy ankehitriny i AlMaliki … hatrany anaty fampahalalam-baovao no ilazan’ny mpanolotra fa nisy vaovao farany mahakasika mpiasam-panjakana ambony Iraniana iray izay nosokajiana ho toy ny AlMaliki “lalaina sy omem-boninahitra” ary narahany tsiky maneso avy eo.

Manahy aho fa tena mbola ho ratsy be ny andro manaraka eo… Inoako mihitsy fa ho ben y ran’ny tsy manan-tsiny handriaka eraky ny lalana.

Ary anatin’ny famakafakana

Nibras Kazimi mahita hoe hetsika nahomby toy ny fandresena manetriketrika ny tao Basra ho an’ny mpitondra Irakianina. Hoy izy:

Maliki dia tsy nilalao politika mihisty talohan’ny nahalany azy tamin’ny ‘kisendrasendra’ ho Praiminisitra roa taona lasa eo ho eo izay, fa amin’izao fotoana kosa izy dia raisina ho toy ny olom-panjakana to-teny mifehy tafika matanjaka sy mavitrika afaka mampihatra lalana sy fampandriana fahalemana amin’ny alalan’ny herin’ny tafika haingam-pihetsika sy tsy hay tohaina. Raha tsy mariky ny fivoarana izany, dia inona ary ?…

Nandresy i Maliki, tsotra sy mora. … Ny lalan-kevitr’i Maliki dia mitsipotipotika: nialany ny ramatahora izay nahatonga ny Sadrist hipetraka tsara ary nasehony azy ireo fa izy ireo dia tsy dia ampy fitaovana loatra hahatongavana amin’izany hoe tafika Irakianina mpanara-dalana, tsara tohana sy feno fahavononana izany …

Izao ny Sadrist dia tsy maintsy maka mora ny fon’ny mpifidy amin’ny alalan’ny teny sy ny fiangaviana, fa tsy ho amin’ny fandrahonana sy ny famoretana. Ny ankamaroan’ny fandikan-dalana nataon’ireo cartels koa dia mirakitra fa efa manerana ny tontolo ny andron’ny ‘Wild, Wild South’ ary misy mpifehy vaovao ny tanana.

Ny ankabeazan’ny hafany dia nolaniany hanakianana izay avoaky ny fanapariaham-baovao Amerikanina sahy maty tsy manaraka ny heviny.
Hoy ny nosoratani Nibras:

Manirikiry ny mahita fa efa kely ny vaovao azon’ny vahoaka Amerikanina jerena sy renesina momba an’i Iraka nefa mivaralila noho ny fanofinkodinana inian’ireo mpanao gazety tsy maharaka, tsy mahalala ny zava-misy vitsy an’isa atao.

Na izany aza, tsy ireo mpanao gazety lazaina ho tsy maharaka sy tsy mahalala ny zava-misy ihany no tsy mitovy hevitra amin’i Nibras fa betsaka amin’ireo mpitoraka blaogy Irakiana koa aza.

Neurotic Wife, mitoraka blaogy avy anaty anatin’ny Green Zone dia tsy resy lahatra mihitsy:

Al Maliki dia mino androany fa ny ady tamin’ny herinadnro lasa dia FAHOMBIAZANA TANTERAKA!!! Namafy Poissons d'avril tamintsika ve izy??? Mety ho izany tokoa ve?

Abbas Hawazin dia manolotra dinika miditra amin’ny antsipirihany kokoa. Hoy izy:

Zendana aho mahita hoe mbola misy olona afaka mahita lafy tsarany amin’izy ity; soraty fostiny ny hoe Basra na Irak ao amin’ny Google News dia hahita fikorontanana miharo kotaba. Mazava loatra, tokony homena toerana ny ara-dalana sy ny loharanom-baovao, fa ny fikorontanana miharo kotaba toy izao dia tsy tokony ho ekena, manohana ny hetsika goavana natao tany ampiandohany ho toy ny fara-fanantenana aho, nefa nony nisava ny rahona mainty vao tsy afaka manampy intsony ianao fa rehefa hoe angady dia antsoy hoe angady, na adin’ny sivily dia adin’ny sivily, na ny borigadin’i Badr ny tafika Irakianina.

Tamin’ny fomba mahaliana tokoa, tamim-panajana na dia tsy vokatry ny fo aza no nanamarihan’ny olona iray avy amin’ny vondron’olona Sunni. Hoy izy:

Muqtada dia olona mampihomehy (amin’ny heviny ratsy) , amin’ny fomba fiteniny diso mitratrevatreva, ny fimenomenonan-dava tsy misy farany, nefa raha adinoinao ny fomban’ny mpivaro-trondro ananany, dia ho hitanao fa mba misy hevitra azo raisina ihany avy aminy.

Fa io ‘fanajana’ io dia zavatra iray azo avy amina mpitendry gitara miasatena tranainy iray, nefa tanaty hafatra faramparany iray dia nanazava koa izy fa na ireo fianakaviany ao amin’ny secta Sunni any Iraka dia manomboka maneho fanohanana an’i Muqtada:

Nandritry ny fanadrohadroana imasom-bahoaka nataon’ireo Shi'i maromaro tamin’ny Mooks [solonanaran’ny milisy Sadr], ny Sunnis tamin’ny ankapobeny dia mankasitraka azy lavitra noho ny fitondran’andriana Hakims, ny renibeko Ta'iffiya, olona azo ambara ho mpandala ny sekta dia nitondra fanamarihana momba ny tafatafa nataony ny Zoma lasa teo ka nilaza hoe: “Bozaka mahantra, na fehezanteny iray mazava tsara aza tsy hainy atao akory. Mahamenatra”

Al-Ghad rehefa nandinika ilay fifandonana dia mahita fa ao ambadika ao ireo orinasa mpitrandraka solika…

Mibaribary izao fa ny fanafihana ‘tampoka’ nataon-dry Maliki tao Basra dia nokendrena indrindra hifanandrify tamin’ny fitsidihana nataon’i Cheney tao Bagdad. Tao Bagdad i Cheney, nanatrika valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety noho ny fanasan’i Gal David Petraeus, komandy ambonin’ny tafika mpampandry tany any Iraka. Hafahafa ihany ny nandre an’i Petraeus nilaza fa niteny tamin’ny Praiminisitra Nouri al-Maliki izy mba hiantso ireo orinasa tandrefana mpanodina solika izy mba hampiasa vola any Iraka eo amin’ny sehatry ny angovo, dia Iraka izay tondroina ho afaka hamatsy solika, entona sy angovo ny any ivelany.

Al-Ghad dia mandray iny hetsika iny ho tsy fahombiazana ary manome tsoa-kevitra amin’ny filazan’i Vali Nasr:

Marina ny filazan’ny filoha Bush hoe i Basra dia nametraka fotoana iray manan-tantara ho an’i Iraka, nefa kosa tsy araka izay niheverany azy…. Eto no teraka ny fanjakana Sadrist.”

Mandritra izany fotoana izany Blog Iraq mahatsinjo fa ny tanjon’ny fampiasan-kery dia ny hanasamantsamahana an’i Iraka. Voatonona amin’izany ny antokon’i Abdul Aziz al-Hakim maniry hanangana faritra mahaleotena any atsimon’i Iraka hampitondraina ny anarana hoe ‘Federasiona tatsimo’. Hoy i Blog Iraq:

Raha namaky ny anaran’ireo tanana sy faritra tena nisy ny ady mavaivay ianareo, tonga dia ho azonareo nampifandraisina mora foana tamin-na lisitra hafa izany. Ny lisitr’ireo faritany tian’i Al-Hakim ho ao anatin’izany ‘Federasiona Tatsimo-‘ny izany. Mazava loatra fa tsy maintsy ampidirintsika ao koa i Najaf sy Karbala. Araka izay voalazan’ny artikla 115 ao amin’ny lalampanorenana Irakianina:

“Ny faritra iray na maromaro dia afaka mitambatra ho iray raha toa nanao fangatahana ary nolaniana tamin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka ka manaraka ny iray amin’ireto fomba roa ireto:
A. Fangatahana ataon’ny iray ampahatelon’ny mpikambana ao amin’ny filan-kevitry ny faritany tsirairay maniry hivondrona ho faritra tokana.
B. fangatahana ataon’ny ampahafolon’ireo mpifidy avy amin’ireo faritany tsirairay maniry hivondrona ho faritra tokana.”

Ary hatramin’ny naha be mpanaraka an’i Al-Sadr tany amin’ireo faritany ireo, ary ny PM Sadr dia mitsipaka mafy ity fanapahan-kevitra ity, dia toa nofinofy sarotra tanterahana ho an’i Al-Hakim sy ny vondrona Shiaa ny hahafahany manery ny hanekena izany fanapahan-kevitra izany raha tsy hoe hazaina aloha ny Muqtada sy ny mpanara-dia azy mety hisakantsakana ny lalana.

Ary farany

Bagdad Connect dia manao ny vokatry ny fanadihadiany momba ity olana ity ho toy ny fomba fijery ara-tantara. Ny tetik’ady rehetra momba azy (Tactique Habibi):

“Tetika io, ry akama” io no valin-teny nomen’i Muqtada tamin’ny tafatafa farany tao amin’ny Al-Jazeera rehefa nanontaniana momba ny fivoaran-javatra ao Basra, moa va tsy ny valin-tenin’i Saddam tamin’ny Arabia Saodita talohan’ny nanombohany ny ady tamin’ny Iran tamin’ny 1981

Ary rehefa avy nanome tsiahy ara-tantaran’ny 1981 sy ny ankehitriny izy dia namehy toy izao:

Tsinjo amin’izao hoe ahoana ny fizoran’i Irak amin’izao fotoana ho any amin’ny Ady faha 2 an’i Iraka, ary raha mbola ny hoe ho takalon’ny fiarovana ny mpamorona dia ahoana no fomba hamolavolana an’i Al Maliki-Talibani-Hakim ho mpiaro ny tombontsoan’ireo mpanani-bohitra no mbola imatimatesan’ny fitondrana miaramila Amerikanina, dia mbola ho be ny ain’ny tsy manantsiny hafoy isan’andro satria tsotra fotsiny “Tactique Habibi” io !!!

Ady ao Basra… tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina any Bagdad… fanafihana an’habakabaka any amin’ireo tanan-dehibe… avy eo fampitsaharana poa-basy… fa inona no mitranga eto an-tany e? Tatitra iray tamin’ny BBC no nilaza fa zava-poana ny hetsika natao tany Basra – maro no azonao andikana (hamenoana) azy araka izay tianao. Ary izaho koa te hameno, amin’ny fomba fijerin’ny mpitoraka blaogy Irakianina. Ny sasany manara-drenirano, ny hafa indray mifanohitra, fa misy iray kosa afaka mameno ny banga hita ao anatin’ny tatitra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.