Mamelana ny Voninkazo any Japana

Tonga indray ny lohataona any Japana, nomarihin'ny vonin'ny “cerisiers” voalohany tamin'ity taona ity. Mila tsy ho andrin'ny mponina ny hamoahana ho fivelaran'ireo voninkazo, sy hanamarihany ny andro tsara hanaovana ny fitsangatsanganana eny anivon'ny vonin'ny “cerisiers” (hanami). Ampahafantarina rehefa milaza toetr'andro moa ny famonin'ny “cerisiers” (sakura zensen) – izay mikisaka mianavaratra any Japana, ka efa tamin'ny 22 Marsa lasa teo, andro maromaro mialoha ny mahazatra, no nanomboka namelana izy ireny any Shizuoka, Kumamoto ary Tokyo. Maro ny mpitoraka blaogy avy ny Japana no naka sary.

Rieko Koizumi, mpanoratra ao amin'ny One Drop Room with Flowers, blaogy mampirenty ny sarim-boninkazo hitany andavanandro, dia naka sary voninkazo “cerisiers” iray talohan'ny “nilazana tamin'ny fomba ofisialy” fa tonga ny lohantaona.

Sary nalain'i Rieko Koizumi ao amin'ny One Drop Room with Flowers (Jereo eto ny fepetra amin'ny fampiasana ny sary Creative Commons.)

夕方近く、遠くから、濃い目のピンクが目に付いて近寄ってみると
ひっそり咲いていました。

Indray takariva, nahatazana zavatra mavokely manopy mena aho tery lavidavitra, dia nanatona nijery no nahita ity voninkazo izy namelana.

Ireto misy sary hafa hita tao amin'ny Skyseeker.

Sary nalain'i Skyseeker (Jereo eto ny fepetra amin'ny fampiasana ny sary Creative Commons.)

桜木町駅と新港地区とを結ぶプロムナード「汽車道」の桜並木。
その美しさと言ったら、なんとも形容し難く、いい言葉が見つからないですね。

Ny filaharan'ny “cerisiers” ao “Kishamichi”, ny fitsangatsanganana miala avy eny fijanonana ao Sakuragicho sy ny seranan-tsambo vaovao.
Sarotra ny mitantara ny hatsarany, ary tsy misy teny tonga ao an-tsaiko mihitsy.

Sary nalain'i Danny Choo (Jereo eto ny fepetra amin'ny fampiasana ny sary Creative Commons.)

Nahalasa saina an'i A Blue Swan, mpitoraka blaogy ny toeran'ny famonian'ny “cerisiers” eo amin'ny Kolontsaina Japoney.

桜ももう満開。桜なんて虫もつくし、花が咲いていないときは大して美しくもないし、建材にも使えないし、実も食べられないし、折角咲いた花もあっという間 に散るし、まぁ役に立つ木ではありませんね。でも、日本人はこの花を愛してきた。それは、古来日本人が持っていた「無常観」がこの花の存在と重なるからか もしれません。あっという間に散ってしまう花びらに、あっという間に死んでしまう人間の姿を投影したのですね。そして、それを良しとした。

Efa misy voniny tsara ny “cerisiers” amin'izao. Mahasarika ny biby kely ny “cerisiers”, tsy dia tena kanto ny endriny rehefa mbola tsy mamony izy ireny, tsy azo hanamboarana na inona na inona izy, tsy azo hanina ny voany, mihintsana vetivety ny voniny, … hazo tsy tena ilaina izany e. Efa hatramin'izay nefa no tian'ny Japoney ny voniny. Izany dia noho ny hevitry ny “tsy faharetana” izay ampifandraisin'ny Japoney amin'ny voninkazo hatrizay. Toy ny indray mipi-maso hihintsanan'ny felam-boninkazo no hampitahan'ny Japoney ny indray mipi-maso amin'ny fahafatesantsika olombelona. Izay no mampanan-danja azy.

Sary nalain'i Sputnik (Jereo eto ny fepetra amin'ny fampiasana ny sary Creative Commons.)

Nampiseho sarin'ny voninkazo nalainy tany amin'ny sahan'ny colza tamin'ny hanami i sputnik, isan'izany io ambony io, ary nilaza fa :

今年も行ってきました。去年と同じ場所に花見。やっぱりきれい、来て良かった。去年は昼過ぎに行って大混雑だったので、今年は朝駆けっていうか、早朝7時 前には着いてました。それなのに結構人が来ていたのにはびっくりしたけれど・・・。しかし、おかげでのんびりと眺めることができました。淡いピンクの桜の 花とのんびりした黄色い菜の花、この優しい色合いの景色はまるで天国ってこんな感じなんじゃないかと思わせるものがある

Tany amin'ny toerana nanaovako ny Hanami tamin'ny herin-taona ihany no nalehako tamin'ity taona ity. Nahafaly ahy ny nandeha tany noho ny hakantony. Taoriana kelin'ny mitatao vovonana aho no tonga tany amin'ny herin-taona dia nisy filaharana be. Izay no nandehanako maraina tamin'ity taona ity ka nahatongavako tany talohan'ny tamin'ny 7. Nahagaga fa efa nisy olona maromaro sahady tany. Fa afaka naka aina tsara aho ary nankafy ireo voninkazo. Toy izao angamba any an-danitra hoy aho tao an-tsaiko nahita loko malefaky ny vony mavokelin'ny “cherisiers” sy ny vony mavo mampahazo ainan'ireo “colza”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.