Bolgaria: Manohitra ny “Fanelingelenana” ny Internet

Ny 30 janoary. . Ny andrimpanjakana milaza fa fampiharana izay voalazan'ny Directive 2006/24/EC izy io, raha fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny tsirairay kosa ho an'ny maro an'isa mampiasa internet any Bolgaria.
Ny hetsika sivily Electronic Frontier dia namoaka fanangonan-tsonia (petition) (BUL) tamin'ny internet hanoherana ilay didy, olona efa maherin'ny 1150 sahady no nanasonia, ary ny mpitoraka blaogy Bolgara dia samy nanome toerana ho fanohanana izany hetsika izany daholo.
Ny 7 febroary, ny Electronic Frontier dia nikarakara hetsi-panoherana nanoloana ny Foibem-pirenena momba ny fampahalalam-baovao sy ny Teknolojia ary ny Fifandraisana ” State Agency for Information Technologies and Communications ” (SAITC) tao Sofia, renivohitra Bolgara.

005118873.jpg

“Ireo manakalo ny fahalalahana amin'ny filaminana, dia ho votso-droa.”
sary avy amin'ny www.nabludatel.info

Hoy ny hevitr'i Bogomil Shopov mpitoraka blaogy, filoha mpitarika ny fanoherana, na dia tsy goavana manao ahoana aza ny zava-mitranga,, dia niteraka fanehoan-kevitra maro avy amin'ny mpampahalala vaovao maro, fahitalavitra sy fampielezam-peo maro, ary tranon-kala maherin'ny 4,000.
Ny 23 febroary, nisy fihaonana iray nahitana mpitoraka blaogy, mpanao gazety anaty tranonkala (online), ireo olon-tsotra manana ny firehan-keviny azy manokana, ireo mpandala sy nampiraisin'ny hevitry ny fanaovana blaogy, natao tao Sofia. Nifantoka tanteraka tamin'ity didy 40 ity ny adihevitra. Nasaina ihany nefa tsy tonga ireo mpiasam-panjakana. Maro tamin'ireo mpitoraka blaogy no nampita tatitra momba ilay fihaonana. Nelly Ognyanova, mpitoraka blaogy fanta-daza sady mpampianatra momba ny lalanan'ny fampitam-baovao dia nanoratra tao amin'ny blaoginy toy izao (BUL):

Tsy hisy fampitam-baovao avy amin'ny BlogCamp, nefa ny adihevitra momba ny didy laharana 40 navoakan'ny SAITC sy ny Ministeran'ny atitany dia adihevitra mitondra tsikelikely ho amin'ny fahaverezan'ny fahalalahana. Mavesa-danja izany zavatra izany ary mendrika ny hodinihana tsirairay amin'ny antsipiriany: ny fahaverezan'ny fahalalana amin'ny fomba miandalana.
Mikasika azy ity manokana: efa misy sahady fitaovana sahaza ho fanaraha-maso sy fihainoana ny fifandraisana an-telefaonina, ary efa ananan'ny Ministeran'ny atitany izao ny fitaovana hitsikilovana hafatra. Misy ny fetra apetraky ny lalampanorenana ao anatin'ity didy laharana 40 ity – ary tsindraindray sy amin'ny fotoana rehetra, ny famerana ny zo dia mitarika olana, ny mpanao lalana dia tsy maintsy manana fijery tsy mitanila momba ny hoe mifandanja ve ny famerana sy ny fiantohana. .
Ny lalampanorenana dia milaza fa ny didy toy izany dia atao eo anivon'ny parlemanta. Tamin'ity tranga ity kosa, ny didy dia nataona filoha-na andrimpanjakana roa monja. Ampy izany ho antony hanoherana ny didy laharana 40 [.]

Ny 10 mars, nisy vondrona mpitoraka blaogy iray, mpikambana ao amin'ny Electronic Frontier sy Open Project Foundation, nametraka fitarainana niaraka tamin'ny mpanelanelana amin'ny ady atao amin'ny fanjakana, M. Guinyo Ganev – fitarainana mirakitra ny ahiahin'izy ireo fa hoe ity didy ity dia mizotra ho any amin'ny fanimbazimbana ireo zo fototra lazain'ny lalampanorenana sy zavatra maro hafa ihany koa, miaraka amin'ny antso ho famerenana ny fandinihana azy io. Sivy andro taty aoriana, nanatrika adihevitra momba ilay olana ingahy mpanelanelana, notronina olona hafa eo amin'ny 70 eo (miaraka amin'ireo mpampahalalala vaovao).
Nanao tatitra fohy momba ny zava-nisy i Bogomil Shopov (BUL) ao amin'ny blaoginy:

Omaly, nisy adihevitra tena mahasoa momba ny fanitsakitsahana ny zo fototra ao anatin'ny Didy laharana 40 sy ny fepetra maro hafa. Natao ny adihevitra, tsy hoe ho fitsikerana fotsiny ny nataon'ny SAITC sy ny Ministeran'ny atitany, fa niadiana hevitra indrindra koa momba ny hoe hatraiza ny fetran'ny fahalalahana sy ny azon'ny resa-pilaminana idirana.

Bogomil Shopov, solontenan'ny Electronic Frontier, niteny momba ny zon'ny olon-tsotra, ny fitokiana omena ny fitondrana sy ny andrimpanjakana, ny tahotry ny mpampiasa sy ny fahatsapana iraisana momba ny hoe “mba hananana fahalalahana dia tena ilaintsika tokoa ny filaminana, saingy tsy izay ilay lalana, ary tsy izay ilay foto-kevitra” nanaovana azy ity. Tsy dia nahafa-po loatra ny valinteny ofisialy nomena:

Ny mpiasam-panjakana ao amin'ny SAITC dia namoaka ny fomba fijerin'ny Agences izay mpametraka fotsiny fa tsy mpamorona ilay didy akory. Manaraka eny ihany moa ny fialan-tsiny efa mahazatra – fepetra iarahana amin'ny EU (UE), tari-dalana izatsy sy zaroa…

M. Guenov, mpanolo-tsain'ny minisitry ny atitany Rumen Petkov, dia nandany ny fotoanany tamina resaka ankapobeny. Araka ny hevitr'i Shopov, dia “mbola mianatra momba azy io izy ireo (ny Ministeran'ny Atitany)?!?”
Lafintsarany iray dia ity, ny Electronic Frontier dia nasaina hikaroka lalana lasitra ho famahana ity olana ity, ary dia mbola eo ampiatombohan'ny asany mihitsy ingahy mpanelanelana, hoy Shopov.

Hoy izy mamarana azy:

Ho ahy, ny asa fanairana ny fahatsiarovan-tena momba ilay olana dia efa vita. Asa hafa mihitsy indray izao no miandry ankehitriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.