Kiobà, Barbada : Fifidianana any Zimbaboe

Samy manapariaka lahantsoratra mikasika ny fifidianana any Zimbaboe ry Child of the Revolution izay Kobana mipetraka any Aotsralia sy Neo-Zealandy, sy Barbados Free Press avy any Barbados.

Child of the Revolution dia mampitaha an'i Robert Mugabe sy i Fidel Castro izay mpiaradia hatrizay :

Mind you, compared to the Castro brothers, the sad truth is that Mugabe could be described as an enlightened democrat. Almost.

Unlike his friends in Havana, the Zimbabwean dictator tolerates opposition groups (between arrests, that is), and holds regular elections where opposition candidates are allowed to run and sometimes, even win seats in the legislature.

But you know how it is … sometimes, even rigged elections can turn out to be, well, real elections.

“Tandremo anefa fa raha ampitahainareo amin'ny rahalahy [kamarady] Castro i Mugabe, ny zava-marina sy mety mampalahelo dia azo lazaina aza fa liana demokrasia izy. Eny e saika.

Satria raha ampitahaina amin'ireo namany any la Havane [renivohitry Koba], ity mpitondra jadona Zimbaboeana ity aza dia mba mamela izay fijoroan'ny antoko mpanohitra (eny an'elanelan'ny fampidirana am-ponja, izay misy) sady manatanteraka fifidianana ara-potoana izay amelana ireo kandidà mpanohitra hilatsaka ho fidiana ary tsindraindray aza mandresy sy mandrombaka ny seza.

Anefa fantatreo ihany fa tsindraindray … na dia izay fifidianana ahiana tsy hizotra ara-drariny aza dia mivadika ho fifidianana marina tokoa.”

Barbados Free Press kosa manapariaka ny kabarin'i Morgan Tsvangirai izay filohan'ny antoko mpanohitra MDC [Movement for Democratic Change | Hetsika hoan'ny fiovana Demôkratika] :

The challenge of giving birth to a new Zimbabwe founded on restoration and not on retribution; on equality and not discrimination; on love, not war; on tolerance, not hate.

After Saturday 29th of March 2008, Zimbabwe will never be the same again; the people have spoken with one voice.

I would like to thank the millions who came to reclaim their dignity and invest in the change they can trust.

“Ny tanjona amin'ny fahaterahan'ny Zimbaboe vaovao izay mifototra amin'ny fanarenana fa tsy fikaramana; amin'ny fitovian-jo fa tsy fanavakavahana; amin'ny fitiavana fa tsy ady; amin'ny fihavanana fa tsy fankahalana.

Taorian'ny Asabotsy 29 Martsa 2008, dia tsy ho hitovy amin'ny taloha intsony i Zimbaboe; indray nanadra-peo ny vahoaka.”

Sitrako ny haneho fisaorana ireo olona amam-tapitrisany izay tonga nitaky ny maha-izy azy ireo sy hanohana ny fiovana izay azony ametrahana ny fahatokisany.”

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.