Isiraely: Fankalazana ampifaliana ny Porima

Ny fetin’ny ny Porima no fankalazana ny fandresen’ny vahoaka Jiosy ireo izay mitady ny fahapotehiny. Ankalazaina amin’ny alalan’ny fomba fiakanjo, firavoravoana, sakafo matsiro, ary fisotroana be ny fetin’ny Porima.

Manala azy mandritra ny Porima–

Hoy i Hannah ao amin’ny Israelity:

Nitombo ny fitiavako ny Porima. Ity angamba ny fety ankafiziko indrindra. Tsy vitan’ny hoe mahazo akanjo lafo vidy, mihinana bisikitra anjatony, mihira mafy sy mihiakiaka any amin’ny Synagoga ihany aho, fa eto ihany koa no fotoana azo imamoana adala tokoa (lazaiko anao, fa ny voasoratra momba ny Porima dia hoe afaka misotro izay laniny avokoa ny rehetra ka tsy hainy intsony ny manavaka an’i Hamàna (olona ratsy loha) amin’i Mordekay (olona tsara fanahy) …[naotin’ny mpandika teny malagasy : marihina fa mandritra io fotoana io no hamakiana ny bokiin’i Estera ao amin’ny baiboly ka na io Hamàna io na io Mordekay io dia samy voasoratra ao amin’io bokin’i Estera daholo]

Ho ahy mipetraka eto Jerosalema dia hahita vahoaka handihy eny amin’ny arabe aho, ho heniky ny hira ny toerana rehetra ary hozaraina amin’ny sisin-dalana rehetra ny « takotra »(entina itabatabana).

Raha ohatra moa ianao monina any Isiraely ary mitady toerana hialana voly dia indro manome lisitry ny fihetsiketsehana isan-tanàna i Israelity.

Fandefasana fanomezana anaty harona –

Fomba fanao iray mandritra ity fety ity ny fifandefasana fanomezana sy bisikitra anaty harona antsoina hoe mishloach manot any amin’ny tapaka sy namana havana sy tapaka. Volana maro mialoha ny fety, dia efa omanina sahady izany. Tamin’ity taona ity manokana dia nisy ezaka manokan’ny firenena manontolo natao hanomezam-boninahitra ny vahoakan’i Sderot, izay tafiditra ho ao anatin’ny faritra ifanandrinan’Isiraely sy Palestina. Mitantara ny fahatsaran’ny Porima izay mampientanentana indray i Josh mpanoratra ny Blogs of Zion(bolongan’i Ziona).

Androany maraina tamin’ny radio isiraelina no nahenoako tafatafa tamin’ireo mponina ao Sderot sy ny manodidina azy, faritra izay voadaroka baomba mila ho isan’andro. Mpampianatra ao amin’ny akanin-jaza i Daphna Solomon iray amin’ireo nanontaniana, izy no nilazalaza fa hipoky ny Mishloach Manot tokoa ny tanànany. Avy any faritra rehetra ao amin’ny firenena sy avy amin’ny manerana izao tontolo izao mihitsy aza ny fanomezana tonga. Nampientanentana tokoa ny nandre ny fialiany. Nambarany fa nitondra fonosam-panomezana roa na telo avokoa ny tsirairay tao amin’ny akaninjaza. Amin’ny mahasekoly azy moa, isaky ny manokatra fanomezana iray dia jerena ny saritanin’Isiraely hoe avy aiza ny fanomezana dia soratana ny taratasim-pisaorana. Nolazain’i Daphna fa tahaka ny hoe mahazo famihinana an-tratra (mari-pitiavana) avy amin’ny firenena iray manontolo mihitsy (mandray ny fanomezana).

Taorian’izany moa dia ny Ben’ny tanàna no noresadresahina. Nilaza izy fa, “ Ity firenena ity no tsara indrindra manerantany. Tsy misy trano ka nahazo indroa na intelo misesy.”

Enga anie hahitantsika lalana hampielezana fifaliana lehibe tahaka izao ity Porima ity. Arahabaina nahatratra ny Porima.

Ny bolongan’ny Mpaminany Maitso ilay tsy mitsahatra ny mampahatsiaro tena indray dia mampirisika antsika hieritreritra ny tontolo iainana amin’ity Porima ity, manome ireto torohevitra avy amin’i Jack Reichert manaraka ireto:

- Hevero ny mampiasa Mishloach Manot ho azo ampiasaina indray. Mahafinaritra ny mijery harona, fa matetika izy ireny no mivantana any amin’ny fanariam-pako avy hatrany.

- tehirizo ny tavoahangy, misy aza toerana manome vola anao amin’ireny… ( ny tranombarotra lehibe matetika)

- Tsy maintsy hividy akanjo ve ianao? Mahaiza mamorona, jereo izay mety ho hitanao manodidina ny trano.

- Hevero ny eco (fiarovana ny tontolo iainana) rehefa hameno harona ianao!

Ra'anana Ramblings (rediredin-dRa’anana), “i neny tsy manam-potoana” nampiana-tena manana fijery hafa momba ny mishloach manot, manontany tena hoe nahoana io no mety tsy mitondra fahasalamana. (Raha mbola tsy niaina ny Halloween amerikana ianao dia mety hanotany tena toyizany ihany koa.)

Ary nanomboka amin’izay ny andron’ny mandrangorango sakafo tsy mamely – izay fantatra amin’ny anarana hoe fetin’ny Porima. Tonga avy any an-tsekoly na avy any ampiasana any ny vady na ny zanaka mitrena ny mishloach manot. Ankoatra ny harona misy ny voaloboka dia FAKOFAKONJAVATRA avokoa, izay manome ny dika vaovaon’ny ad nauseum (zavatra mankaloiloy ?). Sôkôlà, endin’ovy fisaka, oznei haman, sns. Efa manao tsara fanahy be mihitsy aza aho ary mbola vao manomboka ity andro iray toa zaton’ny Zoma hifanakalozana ny harom-batomamy ity ary tsy ho mora ny hamefy ny olona tsy hibararreoka mandritra ny Shabata.

Ny mishloach manot tiako ho azo dia tahaka izao… tsy ilay bisli, bamba, gaofirety, sns mahazatra, fa maninona moa raha mba ny sakafo Isiraeliana mahazatra ihany? Ahoana raha salady, atody (masaka amin’ny akorany, tsy safidiko voalohany izany fa tsy haharitra dia kosa angamba raha atody endasina no entina), mofo, voankazo masa-tsiramamy, fonon’entana kelina kafe na dite.

Akanjo enti-mianjaika mandritra ny Porima:Mba ho fahafinaretana ho an’ny rehetra ny mianjaika (na dia mety hisy fanoheranaadinidinika aza izany)–

Mety hahavonjy ihany koa ny hevitr’ity reny iray hafa ity amin’izao fety izao. Nitondra hevitra mafonja vitsivitsy amin’ireo izay tra-pahasahiranana amin’ireo ankizy tsy mety hianjaika i Mia the Ima.

Tsikaritro fa ny ankizy tsy tia mianjaika dia manaiky kokoa hanao ny fianjaikan’ny olona, izay mifanohitra amin’ny biby, na mianjaika amin’izay mahazatra azy andavanandro ihany. Tsinjoko fa leferiny kokoa raha miakanjo izay karazan’akanjo mahazatra azy ihany ny ankizy na dia hafa aza no apetraka. Amin’izay fotoana izay dia tsy mila mividy akanjo tsy hoanaovany mihitsy ianao.

Hevitra hafa ihany koa ny hitazonanao ireny akanjo ireny ho anisan’ny fiakanjoany izay ahazoany aina sy mahafa-po azy… Indreto misy hevitra vitsivitsy:
– Mianjaika ho tahaka ny kilalao tiana indrindra.
– Mianjaika tahaka ny olona tiana (Mianjaika tahaka an’i dada na tahaka an’i neny)
– Mianjaika amin’ny asa tian’ny ankizy hatao. (tahaka an’i dadatoa Jonathan mpilalao basikety)
– Mitondra kilalao tiana indridra ho toy ny fanampim-pianjaikana.
– Akanjo mifanaraka amin’ny anaovan’ny namana (miara-mividy akanjo na lamba mifanaraka). Tsy mety ity amin’ny fianakaviana fa amin’ny mpinamana ihany.
– Manaova ny akanjo mahazatra ihany fa atao miavaka ny fitondra azy.
– Ampio zavatra mampifalifaly (mampihomehy na manala voly) fotsiny.

Manao ny mofon’ny fety –

Vaovao fanampiny avy any anoloan’ny trano, Chanit ao amin’ny Ny nahandro sakafon’ny reniko sy hafa ihany koa no maneho antsika ny Mofomamim-praomazy vita amin’ny voanjo tsy nahandroana natakana ho an’ny Porima. Tsidiho ny tranonkalany hijerenao ny nahandro omban-tsarin’io sakafo matsiro io.

Ankafizo ny Hehy jiosy –

Aza adinoina ny mijery YouTube, ahitana indrindra ny fampihomehezana jiosy.

I Jacob Richman haingam-pamokarana, mpanoratra ny Good News from Israel blog(bolongan’ny Vaovao Tsara avy any Isiraely) ohatra dia manolotra ho antsika ny lisitry ny lahatsary 56 azo jerena ao amin’ny YouTube.

Miavaka amin’izany ny Hypersemika “Hiran’i Hamàna: Rap Porima” noforonin’ilay mpampianatra hira Jiosy, Matt Bar, mpamorona ny Tetikasa Baiboly hiraina Rap.

Fanohanana virtoaly an’Isiraely : Midira ao amin’ny hetsika manerantany –

Raha mamaky eto momba ny Porima ianao, dia tsindrio ny Together4Israel hidiranao ao amin’ny hetsika manerantany hanohanana an’Isiraely izay tontosaina ao Sderot mampivoitra ny fokonolona jiosy manerantany– ezaka haitao mampiaiky volana. (azonao arahina ny Lahatsary aorian’ny fampisehoana.)

Mirary Hag Purim Sameach (fetin’ny Purim mahamirana) ho an’ny rehetra!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.