Irak tao anaty dimy taona: Nihetsika izao tontolo izao

Anio, 19 mars, no manamarika ny fahadimy taonan'ny “Ezaka ho fanafàhana an'i Irak”. “Tany amboalohany dia tetika nentina handrodànana an'i Saddam Hussein sy ” hamàrana ny ady tsy mbola miantomboka” mbola mitohy hatramin'izao ny ady ao Irakl, mampivarahontsana ny olon-tsotra maro maneran-tany. Anatin'ity lalan-dra ity, Global Voices Online no hamoaka ny hafatr'ireo mpitoraka blaogy maro avy any Iraka, Moyen-Orient sy Afrika Avaratra, sy ny hafa koa.
Ny mpitoraka blaogy jordaniana The Black Iris dia manandratra avo ny hafatra misy ny lisitr'ireo Irakiana nafàhana”, sady manambara hoe “raiso ny lapika-nareo:

- 82,000 et 89,000 – fanisana mivantana Irakiana
– 151,000 – avy amin'ny governemanta irakiana & Organisation Mondiale de la Sante (Mar.03 – Jona.06)
– 654,865 – araka ny The Lancet, gazety ara-pahasalamana Britanika(mars 2003 sy jolay 2006)
– 1,189,173 – hoy ny Opinion Research Business (toy ny tamin'ny 2008)

Ha Ana Za, egyptiana dia niverina nitodika ny lasa ary mizara ny fahatsapàny toy izao:

Tadidiko tamin'ny 2003, maro no nankalàza ny fidabohan'ny tsangambato lehibe naneho an'i Saddam Hussein tao afovoan'i Bagdad ary nihevitra ny rehetra fa ho afaka amin'izay sy ho tany demokratika i Iraka any ampàran'ny ady, ho fitaratra amin'ny resaka fahafàhana sy fahalalàhana manerana any Moyen-Orient. Dimy taona izao, vinavinaina ho maherin'ny 1.120.000 no isan'ny aina nafoy, manodidina ny 5 tapitrisa ny Irakiana nafindra toerana. Iraka raha raisina amin'ny maha firenena, dia hita ho nanalavitra tokoa ny resaka fandriampahalemana noho ny tany aloha tany, miaraka amin'ny adim-poko anatiny mahatonga ny nofinofy mba hanana fitoniana ho sarotra tanterahina.

Manontany koa izy hoe:

Nahoana isika no manohy tsy mijery (mody fanina) an'i Irak? Isan'andro isika dia mandre vaovao momba ny zera baomba miteraka vono olona mahatsiravina, fanafihana maro, ary dia mbola ho ngolin'ny tahotra (horohoro) ihany ve isika? Angamba ho latsa-dranomaso kely ihany isika ary avy eo dia hanodina kosa indray ny saintsika hanaraka lalao baolina kitra. Amin'io fijery iray io dia diso (meloka) daholo isika rehetra.

Avy any Torkia, ny mpitoraka blaogy WorldTurkey dia mitsetra ity tsingerintaonan'ny ady ity:

Ho an'ny Amerikana maro ankehitrio, fitsingerenan'ny faha dimy taonan'ny fanombohan'ny ady tany Iraka izay tsy nanana velively ny antom-pisiany ny anio, ady iray namoizana aina an'arivony maro sy vola an-tapitrisa tapitrisa dolara. Ho an'ny fitondrana faha-Bush, na izany aza, raisiny ho tsingerin-taona voalohany tamin'ny tetika tany Iraka izay nitondra tsirim-pahombiazana iny tranga iny.

Ilay Siriana Maysaloon, maka ohatra amin'ny hafatra vao haingana nalefan'i Robert Fisk momba ny ady, fanehoan-kevitra:

Tiako be ilay hafatra farany nalefan'i Fisk. Mora kokoa ny mety hahavariana antsika amin'ny taitain-javatra lazain'ny andaniny sy ny ankilany mifandona ao Iraka noho izay tena misy. Izay no mahatsara ny mamaky hafatra avy amin'olona manana fomba fijery tsy mitongilana momba ny zavatra miseho – sy liana amin'ny tantara. Tsy matahotra ny kiana, Fisk dia manoratra tsara tokoa ny ankabeazan'ireo zava-mitranga ankoatry ny any Libanona izay virtoaly sy sarotra takarina ihany izy, miombon-kevitra amin'i Abu Khalil aho amin'io. Izany eo ihany fa, Pity the Nation dia hijanona ho boky iray ankafiziko ao anatin'ny maro.

iraqprotest.jpg

Any Palestina, mahatsiaro ny nanombohan'ny ady i Al-Falasteenyia :

Dimy taona lasa-
Mpianatra taona voalohany tao amin'ny kolejy aho ary teo ampisakafoanana niaraka tamin'ny namako tao amin'ny Campus no indro Bush niseho tamin'ny fahitalavitra. Maresaka tokoa ny Campus amin'ny ora toy izany, nefa nony nanomboka niresaka i Bush dia nijanona daholo ny zavatra rehetra. Vantany vao nanambara ny ady amin'i Iraka izy, nitodika nijery ny manodidina ahy aho ary hitako ho toy ny sary vongana daholo ny rehetra, nibanjina ny fahitalavitra- ary hadinon-dry zareo hatramin'ny nanohy ny sakafo. Anisan'ny fotoana iray tsy hohadinoko mandrakizay izany satria tsy hitovy intsony ny fiainana aorian'izay fotoana izay. Tsy vitako intsony ny nanapitra ny sakafoko taorian'izay. Efa fantatro sahady izay ho tohiny- nefa tsy azoko an-tsaina velively hoe ahoana no ho fizotr'ity tantara ratsy ity. Herinandro maro taorian'io dia samy nahita ny zera baomba nahazo an'i Bagdad isika rehetra- ny fahitalavitra dia nampisongadina izany ary niantso azy iny ho sedra sy tahotra. Nanontany tena aho ny amin'ny tsy niantsoan-dry zareo iny raharaha iny araka ny tokony hiantsoana azy- zera baomba ho fandroahana ny helo ho any ivelan'ny Irakiana.

Nanontany tena izy raha mbola nahatsiaro kosa an'i Iraka sy Palestina isika:

Ny zava-misy mampalahelo dia na any aminy any Iraka na Palestina na toerana hafa any Moyen-Orient- tsy afaka handray an-tànana ny momba antsika intsony isika. Efa ho enimpolo taona izao no nametraka ny fanontaniana momba ny fotoana hiverenany amin'ny taniny ny Palestiniana. Manontany tena aho hoe raha mbola miampy enimpolo taona indray vao afaka hiverina ny Palestiniana sy ny Irakiana. Antsefantsefam-potoana eny anefa, manohy mipetraka isika, mitazana, ary mitsetsetra : manontany tena, miandry, ilay andro ahafahantsika mitaky indray ny amintsika.

Juan Cole mpitoraka blaogy Amerikana (mpampianatra tantara sy momba ny Moyen-Orient)‚ dia namaritra ny dimy taona lasa tamin'ny asan'ingahy Bush:

Lazaiko fa ny taona tsirairay tamin'ny ady dia nifototra tamin'ny lainga iray avy tamin'ny fampielezan-kevitr'ingahy Bush.
Taona 1: “Tsy misy izany ny ady anaty akata”
Taona faha-2: “Demokrasia fakana tahaka i Iraka”
Taona faha-3: “Zarqawi no fototry ny korontana rehetra”
Taona faha-4: “Tsy misy ady sivily izany”
Taona faha-5: ‘Milamina daholo ny zava-drehetra ankehitriny”.

Ary mbola arosoko koa aza hoe i John McCain dia manosika mba ho:
Taona faha-6: “Efa manangasanga ny fandresena”

Eto am-pamarànana, ny The Angry Arab News Service ivelan'i Libanona dia namaly ny kabarin'ingahy Bush androany:

Nandinika an'i Bush aho teo aloha teo. Mbola manandrana mampitahotra ny Amerikana ihany izy. Mbola hanohy ny fampitahorana ny Amerikana ihany ilay zalahy io hatramin'ny andro farany hitondrany ny tany sy ny fanjakana. Raha tany amin'ny fotoanan'ny Moyen-age dia ho be tokoa ny olona ho tia an'ilery: ireny ilay olona nikarenjy nanerana ny lalankely sy ny tanana sady mikiakiaka miantsoantso momba ny majikam-behivavy sy ny fomba fiainana mivaona amin'ny maha-olona (na koa ara-pivavahana).

Creative Commons-licensed photo by Dean Terry

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.