Kuwait : Mangala-tahaka ny tandrefana amin'ny zavatra rehetra

Manentana ny mpamaky i Frankom [Ar], mpitoraka blaogy iray avy ao Kuwait, hampitsahatra ny fakana tahaka ny Tandrefana amin'ny zavatra rehetra – manomboka amin'ny tantara sy sarimihetsika alefa amin'ny fahitalavitra ka hatramin'ny firesaka amin'ny namana.

أحببت أن أحصي عدد الاشياء التي نقوم بها نحن .. هل أقول الكويتيون أم الخليجيون أم العرب ؟ (عليكم الاختيار) التي نقوم بتقليدها أو أكتسابها من عادات أجنبية وأكتشفت انها كثيرة كثيرة كثيرة ، هل أبدأ من البرامج التلفزيونية المقلدة ؟ أم أبدأ بقصات الشعر الغربية ؟ أم ربما سأبدأ بالافلام المصرية (كونها هوليوود العرب) بانتاج افلام من قصص أجنبية ؟ لا أدري فأصبحنا كجهاز سكانر أو طابعة لاحياة ل

Saika hanisa ireo zavatra adikantsika … avy eto Kuwait, sa Gulf sa Arabo (Afaka mifidy tsara ianao) amin'ny Tandrefana aho, no nahatsapako fa tena betsaka. Atomboka amin'ny seho amin'ny fahitalavitra ve ? Sa ny hetim-bolo ? Sa ny horonan-tsary avy ao Ejypta (io mantsy ny Hollywood ho antsika) izay nadika avy amin'ny horonan-tsary avy any ivelany ? Tsy haiko intsony na lasa “scanner” isika na milina tsy miaina fa mpanao dika mitovy.

I Frankom dia manaiky fa mahazo tsara ny teny Anglisy – saingy tsy mbola vonona ny hitoraka blaogy amin'io fiteny io. Hoy indrindra izy :

أواجه صعوبة كبيرة في فهم وتعلم اللغة الانجليزية لهذا لا أستخدمها كثيرا في الكتابة أو نادرا جدا ما أستخدمها وان استخدمتها فهي منقولة من مصادر أخرى ، طلب مني أحد الاصدقاء أن أبدأ بالكتابة باللغة الانجليزية (مهمة مستحيلة!) ولكن هذا لا يمنع من أنني أفهم اللغة وأعرف مفرداتها وكلماتها واذا ماطلب مني أن أتحدث مع أحدهم سأتحدث .. عشت قصة طويلة جدا وغريبة حتى تعلمت ماتعلمته الان
هذا لايعني أنني سأهجر اللغة الام وهي العربية ولن أتخلى عنها في كتاباتي … أووه لماذا أكتب كل هذه الاسطر الفا< غة

Tsapako fa tena sarotra ny mahazo sy mianatra ny teny Anglisy ary izany indrindra no tsy ampiasako azy rehefa manoratra. Tena mahalana aho no mampiasa teny Anglisy rehefa manoratra na manome loharano amin'ny teny Anglisy. Nisy namana nangataka ahy hitoraka blaogy amin'ny teny Anglisy saingy mbola asa tsy ho tanterako izany ! Izany akory tsy midika fa tsy mahazo teny Anglisy aho ; raha asaina miteny Anglisy aho dia hiteny tokoa. Nahafinaritra ahy ny tantara lava be nianarako izay haiko amin'izao. Fa tsy antony hanadinoako ny tenin-drazako, ny teny Arabo, akory izany rehefa manoratra aho. Tsy haiko akory izay antony nanoratako ireo voalazako ireo!

Taorian'io fampidirana io dia niresaka tranga teo ivelan'ny toeram-pisakafoanana iray any Kuwait i Frankom. Tahaka izao no hitantarany ny zavatra nitranga :

بعد تناول وجبة العشاء في أحد المطاعم الامريكية المطلة على شارع الخليج واذ بخروجي من المطعم أصادف ثلاثة أشخاص يجلسون على طاولة واحدة ويتحدثون بصوت أقرب الى العالي أحدهم (متين وعايش الدور انه يعرف انجليزي) كل ثلاث كلمات كويتية أو عربية يقول (****) وبعدين يعيد الكلمة لحوالي أكثر من أربع الى ست مرات متتالية … أحد الاشخاص الثلاثة يطلب من الحبيب اللي توه متعلم الكلمة ربما من أحد الافلام أو المسلسلات أو يمكن واحد ثاني قالها له أن يسكت ويقّصر حسّه
المهم في هذا الموضوع … يا أخي انته كويتي أو عربي ماينفع تقول (كلب – حيوان – تيس – بقرة – خرتيت – خنزير … الخ الخ ) ياخي لاتسب مو أحسن ؟؟ لازم تكون ماشي على الموضة وتقول كلمات أعتقد أنك ماتعرف اصلا شنو معنى تلك الكلمات ؟

أعيد وأقول … قمنا بتقليد الكثير الكثير من الاشياء والله يستر من القادم

Avy nisakafo tao amin'ny toeram-pisakafoanana amerikanina manaraka ny Gulf Road aho tamin'izay, nisy olona telo niresaka mafy be nipetraka teo amin'ny latabatra iray tao ivelany. Matavy izay ny iray tamin'izy ireo, ary miseho ho mahazo ny teny Anlgisy. Isaky ny miteny teny Kuwaiti na Arabo telo izy dia miteny foana hoe (F***), ary averiny in-4 na in-6 hatrany io. Notenenin'ny iray tamin'ireo niaraka taminy izy (izay toa vao nahare io teny io tamin'ny horonan-tsary, na tantara tamin'ny fahitalavitra, na tamin'ny olona hafa fotsiny) mba hiteny moramora.

Ny tena mahasosotra ahy eto dia afaka nampiasa teny hafa malefaka kokoa (toy ny hoe aliaka, biby, ondry, omby, hippo, na kisoa) io Kuwaiti na Arabo io, na niteny tamin'ny teny Arabo ?? Tsy maitsy nanara-damaody ve izy ka nampiasa teny izay azoko antoka fa tsy fantany akory ny dikany.

Averiko indray fa mangala-tahaka be loatra isika … ary hamindra fo amintsika anie Andriamanitra amin'izay mety hitranga ao aoriana ao.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.