Tontolo iainana : Sarin'ny faritra fanangonana ireo fako any Nairobi

Mba hamohazana ny fihevitry ny maro mikasika izay fomba tsy mahomby itantanana ny fako ankehitriny dia manapariaka sarin'ny faritra antsoina hoe ‘Dandora’ i Kikuyumoja no sady manoratra hoan'ireo Kenyana ary manontany ireo mponina any amin'ny renivohitra Nairobi :

Ever wondered what happens to your *waste*? […]

Now, since an agreement to form a great coalition gov. has been found, maybe the Deputy of the Deputy to the Deputy Vice Mheshimiwa will eventually put this on the national agenda.

In reality, those who can afford to worry about the environment just don’t care or have not enough influence, and those who actually have to deal with the waste (even if it secures their income), prefer to dream about multimedia entertainment instead of such burning issues.

“Mba fantatrareo ve izay iafaran'ireo *fakonareo* ?

Satria ankehitriny efa hita izay marimaritra iraisana hametrahana izay governemanta tetezamita iombonana , angamba mety ho azon'ny mpanampin'ny mmpanampin'ny lehibe lefitra Mheshimiwa aroso amin'ny diarim-pirenena amin'izay ity lohahevitra ity.

Raha ny marina, ireo izay manan-katao hiroso amin'ny fanajana ny tontolo iainana dia na tsy miraharaha na tsy to teny [anivon'ny fitondram-panjakana], ary ireo izay tompon'andraikitra ankehitriny amin'ny fisahanana ireo fako kosa dia (na dia hanampy amin'ny fidiram-bolany aza izany), dia aleon-dry zareo manonofinofy izay fahafinaretana entin'ny seraseran'ny tontolon'ny solosaina toy izay miatrika ireo fanontaniana mahamay mitaky valiny ireo.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.