Sodana : Ny dikan'ny hoe mpibalogy sy taratasy ampahibemaso hoan'ny filoham-pirenena

Ary satria jeri-manontolon'ireo blaogy Sodaney izy ity dia tsaratsara kokoa angamba raha atombotsika amin'ny tolotra izay dikan'ny hoe mpiblaogy, ny iray dia namaly izany an-tsary.

The Definition of a Blogger… or to be more specific, a political blogger, especially in our super democratic part of the world.

rebelbirdie.jpg

Ny dikan'ny mpiblaogy … na ny mpiblaogy politika raha ny marimarina kokoa, indrindra aty amin'ny faritra misy antsika izay “fanta-daza” amin'ny demokrasia.

Momba ny fanaovana blaogy, Sudanese Returnee [Sodaney niverina amin'ny taniny] dia tapa-kevitra ny hiverina hiblaogy rehefa nitsahatra nandritra ny telo volana. Mizara momba izay nianany izy ary miresaka momba ny famonoana ireo hevitra mahasoa :

… I was dumbfounded to listen all that negativity! Maybe the new returnee was even more shocked than I was. He did not say much after that. The rest just went on with listing all classic excuses of the impossible, killing this new returnee’s positive ideas in the process.

When I sat in a bar some hours later downing some cold Henieken, I discussed with another older returnee and I came to believe that I was like that new returnee not too long ago. In Juba, or Sudan in general, you see things that you know can be improved. Most of the time you know how to improve the situation because you have seen it somewhere else. You’d want to help every begger in the street, ask every kid in the street why they are not going to school, give a lift to every sick person dragging themselve to the hospital, buy medicine for that mother who can not avoid and so on. Life can be very complicated!

In Juba, some people would think you are mad if you keep sharing positive ideas.

I still have to meet and talk to the new returnee and share notes. I will do want I can to help this sister, but I have also come to learn that there are those who want to be helped, and others who have given up.

“ … Talanjona mihitsy aho nandre ireo fahakiviana marobe ! Ny “mpiverim-bao” [Sodaney niverina amin'ny taniny vao tsy ela] aza angamba dia mbola ho taitra kokoa noho ny tenako. Tsy dia nanambara zavatra be ankoatr'izany izy. Ny ambany dia niraraka niaraka amin'ireto hevitra efa fandre ombieny ombieny amin'ny antony manakana sy tsy hahatanteraka izany, ka mamono an-kibon-dreniny sahady ireo hevitra mahasoa nentin'ilay niverina amin'ny taniny.

Ora vitsivitsy taty aoriana, raha nipetraka tamin'ny Bar aho nampidina labiera Heneiken mangatsiaka vitsivitsy dia tafaresaka tamin'ny “mpiverim tranainy” hafa, dia nihevitra aho fa toy ireo mpiverim-bao koa vao tsy ela akory izay. Any Juba na any Sodana amin'ny ankapobeany, tsikaritrao tsara ireo zavatra mety ho hatsaraina. Matetika dia fantatrao tsara izay fomba hanatsarana ny toe-draharaha satria efa hitanareo tany amin'ny toeran-kafa koa izany. Dia hanam-paniriana ny hanampy ireo mpangataka mifanena aminao eny an-dalana ianao, te hanontany ireo ankizy eny an'arabe hoe nahoana izy no tsy any an-tsekoly, hanarina ireo olona rehetra tratran'aretina amin'ny fitondrana azy any amin'ny Hôpitaly, amin'ny fifvidianana fanafody hoan'izato renim-pianakavaiana izay tsy afaka miala amin'izany aretina izany sy ny hafa tsy honaisaina. Mety ho feno fahasarotana tokoa ny fiainana !

Maro ireo mihevitra any Juba fa olona adala ianao raha manomboka miresaka sy mizara hevitra mahasoa.

Mbola mila mihaona amin'ireo mpiverim-bao aho sy mifanakalo hevitra amin'izy ireo. Sitrako ny hanao izay ho afako hanampiana ity anabavy / rahavavy iray ity, mila ianarako fa misy ireo izay mitady fanampiana, saingy misy koa ireo izay mivari-lavo nony solafaka.”

Sudanese Returnee dia mbola mizara koa ireo zavatra tsikariny tany Juba torak'izany koa i Drima, The Sudanese Thinker [Drima, ilay mpihevitra Sodaney] izay niantso ny filoham-pirenena Sodaney mba hitsahatra tsy hividy izay zavatra vity avy any Danmarka ho valin'ny fanimbazimbana ara-tsariitatra an'i Mahometa, izay nataon'ny gazety iray Danoa.

Amjad, Sodaney mandrato fianarana any Texas, dia nihomehy raha naharay antso an-tariby avy tamin'ireo mpomba an'i Obama mamporisika azy handray anjara amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena Amerikana anefa izy tsy Amerikanaakory :

I have never thought that I would really one day blog about the American presidential elections, until last Thursday Tuesday when I got that call from Barack Obama. After that call, I started listening to his speeches on his YouTube channel, and the video above is the speech he gave the other day at Texas primaries, here in San Antonio, TX. I don't know but I just started admiring him…

I heard that he was supposed to come here to my city but for some reason he didn't. I guess the only cities in Texas he was recently at are Houston, San Antonio, Beaumont and Dallas. (not sure about the latter). A few weeks ago we had Bill Clinton here, though. If Barack Obama ever came here I would love to take a picture with him…

“Tsy nihevitra ny hiblaogy momba ny fifidianana izay ho filoham-pirenena Amerikana akory raha izaho, hatramin'ny tamin'ny Alakamisy Talata lasa teo taorian'ny naharaisako antso an-tariby avy tamin'ireo mpanohana an'i Barack Obama. Taorian'izany antso izany dia nanomboka nihaino ireo kabariny an-dahatsary tao amin'ny YouTube aho, io lahatsary ambony io dia izay kabary nataony nandritra ny fifidianana fanitsanana natao tany San Antonio, Texas vao tsy ela akory izay. Tsy haiko ny manazava izany fa manomboka ny miandrandra sy tia ity lehilahy ity aho …

Henoko fa nikasa ny handalo aty amin'ny tanana ipetrahako izy, saingy tsy tanteraka izany noho ny antony tsy fantatro. Raha ny fahalalako azy dia ireo tananan'i Houston, San Antonio, Beaumont sy Dallas ihany no novangiany (tsy azoko antitraterina ity tanana farany ity). Herinandro vitsy lasa izay dia namangy anay taty i Bill Clinton. Raha mba nandalo taty i Barack Obama dia niriako ny haka sary miaraka taminy …”

Mandritr'izany fotoana izany i Kizzie kosa nanoratra taratasy ampahibemaso henjana hoan'i Omar Hassan al-Bashir, filoham-pirenena Sodaney :

Dear Mr. President.

I really can't tolerate your government any longer. It's a criminal regime in every single way.
For the last 19 years, you've tortured, killed, looted, traumatized and you've failed to stabilize the country.

… We don't trust you Mr. President. You've failed us too many times. You've dishonored too many “peace” agreements.

I don't feel safe in my own country anymore.

Millions are living like refugees in their own country.

If we complain, you prosecute us.

We've been silent for 19 years.

Now, it is time to speak. It's time for you and the world to hear our voices.

… We don't like your violent ways. Remember what you did in Nuba mountains, remember the Jihad in the South, remember Darfur, remember the ghost houses in Khartoum, remember the soldiers buried alive in 1990- no, they were not planning a coup, remember the mothers complaining about their 15 year old sons being forced to fight a war they don't believe in.

A war we never understood.

You've had your cake, you've licked the plate and you've broke the plate…now keep your shattered plate, we are buying a new one.

“Ry Andriamatoa Filoham-pirenena hajaina.

Tsy tantiko intsony ny fitondranao. Fitondrana meloka amin'ny fomba maro samihafa.

Nandritra izay 19 taona nitondranao izay, nampijaly ianareo, namono, naka fananana an-keriny, nampihorohoro saay tsy nahomby tamin'ny famerenana ny filaminana eto amin'ny firenena.

… Tsy matoky anao intsony izahay Andriamatoa Filoha. Matetika loatra ianao no tsy nahomby. Maro loatra ireo fifanaraha hoan'ny “fandriampahalaemana” izay nohitsakitsahinao.

Tsy mahatsiaro tena ho iarin'ny loza ao amin'ny firenena misy ahy intsony aho.

Aman-tapitrisany ireo izay monina toy ireo mpila ravinahitra ao amin'ny fireneny.

Raha mba mitaraina izahy dia enjehinareo.

Nandritra ny 19 taona izahay no nangina.

Ankehitriny, fotoana handraisana fitenena izao. Fotoana handrenesanao sy izao tontolo izao ny feonay.

… Halanay ny fomba henjan'ny fitondranao. Tsarovy izay nataonay tany amin'ny tendrombohitr'i Nuba, tsarovy ny Jihady [ady masina fanenjehana ireo tsy Silamo] nataonao tany Atsimo, tsarovy Darforo [Darfur | Darfour], tsarovy ireo trano mbola iriarian'ireo angatra any Khartoum, tsarovy ireo miaramila nalevim-belona tamin'ny taona 1990- tsia, tsy nitetika ny hanongam-panjakana akory izy ireo, tsarovy ireo renim-pianakaviana izay mbola mitomany ireo zanany lahy 15 taona monja anefa dia noterena ny hiady amin'ny ady izay tsy ankasitrahany akory.

Ady izay tsy azonay akory izay antony.

Laninao ny mofomaminao, nolelafinao mbamin'ny vilia nisy azy ary dia novakianao izany avy eo … tano ho anao izay vilia vakinao fa izahay hividy hafa.”

Toy ny teo aloha, i Jah Guide, izay fantatra amin'ny anaram-bosotra hoe ras babi babiker dia mizara poezia politika fohy momba ny fitondrana Sodaney :

blood in their hands
For Darfur
blood in their hands and money in their pockets
they are selling our future
the mark of devil is on their heads
this is my black list
brothers and sisters
vote for it.

“ra no eny amin'ny tanany
Momba an'i Darforo
Ra no eny amin'ny tanany ary vola any amin'ny paosiny
nataony varo-boba ny hoavintsika
ny marika satana no eny any amin'ny lohany
indro ny lisitr'izy ireo
ry rahalahy sy anabavy
fidio izy ireo.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.