Tajikistan : Ny hanoanana indray no hisolo ny hatsiaka sy ny haizina

Firenena kely i Tajikistan, fa misedra olana lehibe. Raha mbola sahirana amin'ny tsy fahampian'ny herin'aratra ny mponina, indrindra ireo eny ambanivohitra, dia efa mananontanina azy ireo sahady ny fahasahiranana hafa. Olana ara-tsakafo indray no miandry azy ireo amin'ity.

Araka ny notanterin‘ny Neweurasia dia nampanantena ny Barki Tojik – hany mpamokatra herin'aratra any an-toerana – fa hovoavaha alohan'ny faran'ity volana ity io olana amin'ny herin'aratra io. Voavahan'ny natiora nefa iny olana iny – fa efa mihamafana ny andro ary efa ampy hanodinana ny milina mpamokatra herin'aratra ny rano.

Tsy nanala tanteraka ny fitaintainan'ny mponina nefa izany fa toa sarotra vahana kokoa ny olana ara-tsakafo. Ny Christian Science Monitor moa, araka ny rohy avy ao amin'ny Neweurasia, dia nilaza fa mety hiteraka fisavorovoroana eo amin'ny ny mponina amin'ity faritra tsy tena marin-tombina ity ny olana mitantefa amin'ny mahaolona amin'ny lohataona :

About 260,000 Tajiks are in need of immediate food assistance, and up to 2 million face starvation by winter’s end if they don’t receive swift help, according to the UN. The country urgently needs supplies of portable generators, kerosene stoves, food, blankets and warm clothes.

Araka ny Firenena Mikambana dia mponina miisa 260000 any ho any no mila fanampiana ara-tsakafo amin'izao fotoana izao, ary 2 tapitrisa any ho any no hisedra hanoanana mafy amin'ny faran'ny ririnina raha tsy mahazo fanampiana haingana. Mila famantsiana herin'aratra [portable generator], fatana gaz, sakafo, bodofotsy ary akanjo mafana haingana izy ireo.

Mazava ho azy fa tsy tongatonga ho azy teo ity olana ity. Araka ny antonan'isan'ny Firenena Mikambana dia mananika ny roa ampahatelon'ny mponina no tsy maitsy miafy amin'ny $2 isan'andro, ary ny 41 isan-jaton'ny mponina dia tsy mbola mahazo rano fisotro madio.

Ankoatra izay dia tsy i Tajikistan ihany no manana olana ara-tsakafo araka ny tatitra nataon'ny GreenIcebergs. Iray amin'ireo firenena maro misedra fahasahiranana amin'ny sakafo sy ny solika eran-tany izy ireo. Nanambara moa ny sampana miandraikitra ny sakafo ao amin'ny firenena mikambana [United Nations World Food Program] fa mila 500 tapitrisa dolara mihoatra ny taloha izy ireo amin'ity taona 2008 ity mba hanatanterahany ny vinavinan'asany.

The countries it identified as being directly impacted were Zimbabwe, Eritrea, Haiti, Djibouti and Gambia, Tajikistan, Togo, Chad, Benin, Myanmar, Cameroon, Niger, Senegal, Yemen and Cuba.

Ny firenena nolazainy fa voakasika mivantana moa dia Zimbabwe, Eritrea, Haiti, Djibouti sy Gambia, Tajikistan, Togo, Chad, Benin, Myanmar, Cameroon, Niger, Senegal, Yemen ary Cuba.

Ny ririnina be tamin'ity taona ity moa no isan'ny tena niteraka ity olana ara-tsakafo ity noho ny fahakelezan'ny vokatra amin'ny lohataona ; mihena koa araka izany fahaverezam-bokatra izany ny fanondranana ny vokatra ka vao maika manahirana ny ao Tajikistan.

Araka ny nambaran‘ny Neweurasia koa dia nangatsiaka loatra ny ririnina tamin'ity, ka zara raha afaka mitahiry ny vokany ireo mpamboly

Farmers cannot save what they reaped last year, so they try to sell it for giveaway prices as quickly as possible. These products – mostly fruits and vegetables – were supposed to be sold in spring. Cold winter killed most of the crops planted last fall, including grape and other fruit gardens that could not survive in this abnormal cold. Also, according to the official statistics, Tajikistan lost more than 700 hectares of potato fields. Beating in mind that more than 93 percent of the territory of Tajikistan is covered by mountains, this is a really substantial area.

Tsy afaka tahirizina intsony ny vokatra tamin'ny taona lasa ka miezaka mivarotra izany mora ireo mpamboly. Mbola amin'ny lohataona moa no niheverana hivarotana ireo karazan'anana sy voankazo ireo. Matin'ny hatsiaka ireo voly nambolena, isan'izany ny voaloboka sy ny voankazo hafa izay tsy naharitra ny hatsika be tamin'ity. Araka ny atontan'isa voahangona koa dia very ny ovy manenika ny 700 hektara mahery tany Tajikistan. Ny toerana tena mamatsy ny mponina izany voa izany satria 93 isan-jaton'ny tany any Tajikistan dia rakotry ny tendrombohitra.

Nasehon'ny Intellibrif koa io tsy fahampian-tsakafo io tamin'ny nanadihadiany lahatsoratra iray tao amin'ny IWPR :

Representatives of the World Food Program and the World Health Organization have cautioned that livestock and poultry have suffered severely during the winter, estimating that production of milk and eggs could experience a 50 percent drop-off. In addition, many Tajiks are grappling with the initial stage of hunger, in which they are spending more than ever on food, but eating less, with many eating only once a day.

Nomarihin'ny solontenan'ny World Food Program sy ny World Health Organization fa nijaly ny biby fiompy sy ny akoho amam-borona tamin'ny ririnina teo, nihena 50 isan-jato any ho any araka izany ny famokarana ronono sy atody. Ankoatra izay dia miady amin'ny hanoanana ny mponina maro ao Tajikistan, fa lany sakafo betsaka izy ireo – nefa mihinana kely. Ny maro moa dia indray isan'andro ihany no misakafo.

Naneho ny heviny i Feoline mikasika ny tatitra nataon'ny BBC izay milaza fa efa miatrika ny loza i Tajikistan :

It's not just the rural population that's being affected, but people in the cities too … and we only expect the food situation to deteriorate. This is already a real emergency.

Tsy ny mponina eny ambanivohitra ihany no voakasika fa ny mponina an-tanan-dehibe koa … ary heverina fa mbola hiharatsy ity olana ara-tsakafo ity. Amin'izao dia efa tena lehibe ny olana.

Mahita zavatra na olona omena tsiny hatrany ny Governemanta ao Tajikistan amin'ny tsy fahombiazany manoloana ny loza mihatra na amin'ny fisorohana ny fahasahinana. Afaka manome tsiny ny ririni-mangatsiaka daholo isika, na ny governemanta amin'ny firinena manodidina na ny mpanohitra, saingy tsy mampivoatra ny fanaovana izany …

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.