Siria:Toherinay ny fibodoana

Yazan Badran GVO dia iray amin'ireo rohin-tserasera mamiko sady faly aho ho isan'ny Global Voices Advocacy sy ny tetikasa Lingua Arabic. Manantena aho fa samy hahita izay sahaza azy amin'ny hafatra alefako na ny Siriana mpiblaogy na ireo mpamaky azy.Yaman Salahi, mpianatra iray ao amin'ny UC Berkeley ary mpikatroka mavitrika ao amin'ny Fikambanan'ny mpianatra mitaky ny rariny ho an'ny Palestina (Students for Justice in Palestine club), dia nandefa hafatra maro momba ny fiantefan'ny fitokonana nataon'ny fikambanana tao amin'ny faritry ny campus ho fanoherana ny famonoana andro vitsy lasa izay, sy ho fanehoana firaisankina amin'ireo Palestiniana 116 maty novonoin'ny tafika Israeliana. Azonao jerena ny sary momba io fitokonana fanoherana ny famonoana io ao amin'ny Flickr-n'i Isabel. The Daily Californian'skoa dia namoaka io fitokonana fanoherana ny famonoana io tamin'ny alalan'ity sary ity sy ireto teny vitsy ireto:
daily-cal-sterilizes-news.jpg
Nokianin'i Yaman ny famaritan'ny gazety ity hetsi-panoherana ity ho toy ny fijoroana fotsiny hiady amin'ny fifandirana ary nanoratra toy izao tamin'ilay gazety izy:

Actually, Daily Cal, yesterday [3rd of March] students participated in a die-in in solidarity with the 116 Palestinians that the Israeli army killed over the weekend in Gaza. We did not stand against “conflict,” but the Israeli occupation. Can you say those words, or is that a little too informative?

Raha ny marina, Daily Cal, omaly [3 mars] ny mpianatra dia nandray anjara tamin'ny fitokonana ho fanoherana ny famonoana sy ho firaisankina amin'ireo Palestiniana 116 novonoin'ny tafika Israeliana nandritry ny faran'ny herinandro iny tao Gaza. Tsy mijoro ho fanoherana ny « fifandirana » izahay, fa ny fananiham-bohitra ataon'ny Israeliana. Vitanareo ve ny milaza ireo teny ireo, sa maivana loatra izany mba ho filazàna ny zava-misy?

Tsy niombon-kevitra tamin'i Yaman amin'ny fampiasana ny teny hoe « Fananiham-bohitra » ny iray tamin'ny mpanoratra tao amin'ilay gazety ary nanakiana azy ho mpanenjika jiosy « anti-semitic ».
Allison, mpanoratra iray hafa kosa, namaly io fanakianana io toy izao:

Calling Yaman an anti-Semite and assuming he finds Haifa and Tel Aviv to be occupied is really low. There is nothing in what he has written that would suggest those were the things he was thinking or intending. If so he would have been involved in a great big “free occupied haifa and tel aviv” demonstration where he would announce himself as a Jew-hater. The reality is that the demonstration was to recognize the loss of life that has occurred due to the excessive, unequal use of force by Israel, on Palestinians. You only jump to those conclusions as an attempt to discredit him and show him to have violent intentions. Those are your words, not his, he is talking about a government sanctioned military occupation over a civilian population, not irrationally hating or wishing harm to Jews.

116 people died in the past few days and that pains us; we lay on the ground to grieve, we lay on the ground out of compassion for human life. None of which is anti-semetic.

Mirefarefa amin'ny tany ny fanosorana an'i Yaman ho mpanenjika Jiosy « antisémite » noho ny fomba fahitàny ny fibodoana an'i Haifa sy Tel Aviv. Na kely aza tamin'izay nosoratany tsy misy azo nakana an-tsaina fa hoe nanana nisaina izany zavatra izany izy. Raha toy izy voasaringotra amin'ny resaka fanehoan-kery hoe « Afaho amin'ny fibodoana i Haifa sy Tel-aviv » dia hoe ve hanora-tena ho mpankahala Jiosy. Ny marina dia fanaporofoana ho enti-mampiaiky ny fisian'ny aina nafoy vokatry ny fampiasàna hery tafahoatra, tsy mifandanja, ataon'ny Israely amin'ny Paletsiniana no natao. Haingana loatra ny famintinanao ka anaovanao izay haharesy tondro-maso azy sy ilazànao azy ho manana firehana ho amin'ny herisetra. Filazanao ny anao, fa tsy azy akory, miresaka izy ny amin'ny fampiasana tafika ho fibodoana nataon'ny governemanta amina mponina sivily, tsy fankahalàna be fahatany, na faniriana loza ho an'ny Jiosy.
Olona 116 no maty andro vitsy lasa izay, mampalahelo anay izany ; mitsilany eto amin'ny tany izahay ho fanoherana, mitsilany amin'ny tany izahay ho fanomezan-danja ny ain'olombelona. Na izay aza amin'izany tsy misy resaka fankahalana Jiosy

Anaty hafatra iray hafa, Yaman dia nanoratra momba ny fanohanana ny fihetsiketsehana, ny fitokonana ho fanoherana famonoana iny, nataon'i HaTikva: Mpianatra ho an'Israely. Hoy izy:

Their counter-protest consisted of a sign displayed ahead of our protest that read, “Victims of Palestinian Terror,” meant to confuse passers-by as to the purpose of our action.

Ny ny fanohanana ny fihetsiketsehana nataon'izy ireo dia mikasika indrindra ny fanehoana amin'ny endrika hita maso ny fanoherana natao sy ny novakiana, “Victims of Palestinian Terror”, dia mitady hanafangaro ny mpandalo ho toy ny tanjon'ny hetsikay.

Yaman dia naneho ny ahiahiny ny amin'ny fahaizana mandresy lahatra atao-na vondrona mpianatra izay minia tsy mahalala ny fahafatesana sivily Palestiniana ka ilazan'izy ireo fa « mpampihorohoro » no niteraka ny fahafatesan'olona.

According to B’tselem on March 3 (before the death toll rose by another dozen), over half of those killed by the Israeli military in Gaza were civilians. According to Maan News, at least 1/3rd were children. On the other hand, according to Tikvah …Israel “eliminated about 110 terrorists.”

Tikvah’s message is clear: all the Palestinians killed by the Israeli military, be they children, be they unarmed civilians, are terrorists. Further, Tikvah has dehumanized Palestinians to the extent that they do not even die. They are not killed or murdered; they are not even casualties. Like pests, they are “eliminated.”

Araka ny fijerin'i B'tselem kosa ny 3 mars teo (talohan'ny nitomboan'ny isan'ny maty ho ampolony mahery), dia sivily ny antsasa-manilan'ireo maty novonoin'ny tafika Israeliana. Raha ny voalazan'ny Maan News, kosa dia ankizy ny 1/3n'ireo raha kely indrindra. Etsy ankilany indray, raha ny filazan'i Tikvah azy …dia « nahafaty mpampihorohoro 110 teo i Israely ».Mazava ny hafatra tian'i Tikvah hiampita: ireo Palestiniana matin'ny tafika Israeliana, na zaza io, na olon-tsotra tsy nanam-pitaovam-piadiana, dia mpampihorohoro daholo. Lasa lavitra kokoa aza ny fijerin'i Tikvah, nataony toy ny tsy olona ireo Palestiniana hatramin'ny filazàny fa tsy maty akory izy ireo. Tsy novonoina na nampamonoina akory; Tsy isan'izay voatohina akory. Toy ny biby mpanimba, tsy maintsy nofongorina.

Farany, Yaman dia namintina ny hafany tamin'ny filazàna fa ny tena resaka dia tsy ny fandanjana hoe ny ain'iza na ny ain'iza no misy vidiny kokoa sy sarobidy indrindra, fa ny fampiatoana ny herisetra. Manazava izy:

To stop the violence, step back from it. Recognize the legitimate grievances of all people in Israel and Palestine. The United States will not solve this issue; there will be no impartial or neutral arbitrator or judge who will issue a verdict that all people will follow. Cheer-leading squads for Israel like Tikvah will do nothing that can even change the status quo, let alone construct a path towards resolution and reconciliation. It is up to us to escape the suffocating influence of state narratives and to create opportunities and possibilities for the future with our own hands.

Mba hampiatoana ny herisetra, halaviro izy. Ekeo ny fitarainana sy fitakiana ara-drariny ataon'ireo olona maro avy any Israely sy Palestina. Tsy hahavaha io olana io akory i Etazonia; tsy hisy mpanelanelana tsy homba ny atsy na ny aroa izany, na mpitsara hamoaka didy mba hoarahan'ny olona rehetra. Raha ny vondron'olona manana mpitarika toa an-dry Tikvah dia tsy hanao na inona na inona mihitsy hanovàna izao toe-javatra izao, fa hamela irery ny fitadiavan-dàlana mankany amin'ny famahàna olana sy ny famitranam-pihavànana. Miankina amintsika ny hahafàhana mandositra ny tsindry manempotry ny tatitra avy amin'ny fanjakana ary mamorona aiga vao sy sehatra hahafahantsika mandray an-tànana ny hoavy.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.