Afrika Atsimo : Hadalana Iray Indray Nataon’i Manto

Miteraka resa-be indray ny Minisitry ny Fahasalamana ao Afrika Atsimo, Ramatoa Manto Tshabalala-Msimang, izay efa nolazain’ny lahatsoratra taloha fa main’ny afo noho ireo hevitra lomoriny … Tamin’ity indray mitoraka ity dia hatezarana no nitsenan’ireo mpitoraka blaogy ny hevitra narosony ny ekipa mpanatanteraky ny filoham-pirenena mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana.

Izao no voalaza ao amin’ny “The Big Breakfast blog”, mitsikera ny “Minisitry ny fahasalamana tsizarizary … ”:

…came up with another blinder, saying (quote) “We cannot use western models of protocols for research and development. We should guard against being bogged down with clinical trials.” She then went on to say that the lack of measuring and documentation within traditional medicine encouraged legal challenges and dubious practise.

That, madam Health Minister, is why we have clinical trials in real science.

Is there a place for traditional medicine to exist side-by-side with ‘Western medicine’, or are they at odds with each other?

… niseho indray amin’ny tsy fahalalany, nilaza fa (notanisaina) “Tsy afaka mampiasa ny fomban’ny tandrefana isika amin’ny fikarohana sy ny fampandrosoana. Tokony mitandrina isika hilentika miaraka amin’ny fanandrakandramana fitsaboana [clinical trials].” Nilaza mihitsy moa izy fa nampiroborobo ny tsy fanarahan-dalana sy ny fampiharana mampisalasala ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny tahirin-kevitra amin’ny ny fitsaboana netim-paharazana.

Izany indrindra, Ramatoa Minisitry ny Fahasalamana, no ilana ny fanandamana ny fanafody amin’ny tena siansa.

Mety misy fifandrindrana ve eo amin’ny fitsaboana nentim-paharazana sy ny “fitsaboana tandrefana”, sa tena mifanipaka tanteraka ireo fitsaboana ireo ?

Fa mbola nasiaka kokoa ny volazan’i Synaptoman:

At the launch of the Healthy Lifestyle Programme in Port Shepston (what in God’s name was she even DOING there), she announced that alcoholic beverages will soon carry messages highlighting the negative effects of alcohol. Are we supposed to take this woman seriously? Her alleged alcohol consumption is legendary, her fast-tracked liver transplant is common knowledge, and now this idiot is lecturing the rest of us about OUR alcohol consumption?

She went on to say says that she hopes to emulate the success her department has had with the tobacco industry, where a 40% drop has been achieved due to warnings on cigarette packets. This is not necessary. We could probably achieve at least a 40% drop in alcohol consumption in this country if we could just get HER to join the AA.

Tamin’ny nanokafana ny tetikasa ho an’ny fomba fiainana ara-pahasalamana [Healthy Lifestyle Programme] tany Port Shepston (inona koa moa no mba NATAONY tany ), no nilazany fa hasiana fampatsiahivana ny voka-dratsin’ny alikaola ny zava-pisotro misy alikaola amidy. Tokony ho raisina matotra ve ny teniny ? Fantam-poko, fatam-pirenena fa mandray zava-pisotro misy alikaola izy, iaraha-mahalala koa fanoloana ny aty nirotorotoany, dia amin’izao ilay adala io no mampianatra antsika mikasika ny FISOTROANTSIKA zava-pisotro misy alikaola ?
Nilaza mihitsy moa izy fa manantena ny hahita fahombiazana toy ny nidinan’ny famokarana paraky [tobacco] 40% noho ny fampitandremana napetraka tamin’ny fonon-tsigara. Tsy ilaina akory izany. Mety mihena 40% ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola eto amin’ity firenena ity raha vitantsika miditra ao amin’ny AA IZY.

ary nampiany ity sary ity hanehoana ny Minisitra …

Noho io tranga io moa dia mihitatra indray ny fanontaniana hoe … Ahoana no hahafahan’ny Filoham-pirenena manana Minisitra tahaka itony, ary miaro ny toeran’izy ireo na dia eo aza ny hevitra tandrametaka ?

8 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.