Madagasikara : Taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Ivan, ireo takaitra

ivan
(sary nadika tamin'ny GAZETY_ADALADALA)

Efa nandao an'i Madagasikara ankehitriny ny rivodoza Ivan, izay namela tany amin'ireo faritra maro nandalovany haolo sy tsy manan-kialofana aman'arivony maro.
Araky ny tarehimarika ofisialy dia olona roa [monja !] no maty ary mahatratra 15'000 kosa ireo tsy manan-kialofana. Raha heverina amin'ny maha sokajy faha-4 ny rivodoza Ivan, izay narahina tafio-drivotra mihoatry ny 137 km/ora, dia maro ireo manontany tena izay tena antontan'isa [marina !] rehefa fantatra daholo ireo zava-nitranga rehetra. Arak'izay nomarihina eto dia mitovy herisetra amin'ny rivodoza Katrina ity rivodoza ity.
Toy izao ny valintenin'ity mpiblaogy iray raha nandre ny antotan'isa voaray :

Alors que des milliers de personnes ne sont pas recensées habituellement, comment peut-on savoir qu’il n’y a que deux morts à déplorer après un phénomène de cette ampleur ? Constat dérisoire lorsque l’on connaît l’état de l’habitat de ces régions

“Aorian'ny voina mahery vaika toy ireny dia amin'ny fomba ahoana no ahafahana matoky fa roa ihany fotsiny tokoa no isan'ireo aina nafoy anefa fantatra fa olona aman'arivony maro no tsy mbola voaisa [nahazahoana vaovao] ? Tena kitoatoa mihitsy izany hoan'ireo izay mahafantatra ny toetoetry ny fonenan'ny olona any amin'ireny faritry ireny”

Efa nanomboka sahady ireo famonjena izay notanterahin'ireo sampan-draharaham-panjakana toy ny APIPA [Autorité pour la Protection contres les Inondations de la Plaine d'Antananarivo] na koa ny Biraom-pirenena momba ny fitantanana ny loza voajanahary [BNGRC | Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes] sy ireo ONG maro, na dia mbola tena sarotra aza serasera na ara-pifandraisana izay na ara-pitanterana.

Toy ny riaka fa tsy mbola nisy toy izany ny fikorian'ireo vaovao tamin'ny radio BLU teny amin'ny habakabaka sy tamin'ny Aterineto, indrindra raha heverina fa raha ny tanjak'iny rivomahery iny, izay mazanà mitondra fahatapahana maharitra eo amin'ireo fitaovam-pifandraisana. Nizara vaovao tamin'ny alalan'ny antso an-tariby, finday, SMS ary tsindraindray aza, isak'izay afaka nanaovana izany, dia nampiasa ireo blaogy sy ireo Forum mivantanana na koa nanapariaka lahatsary nalaina tany an-toerana.
Herimpo be tokoa no notanterahin'i Joan ny hamory eo amin'ny toerana tokana ireo fanampim-baovao rehetra hita sy re tamin'izay fomba rehetra naharaisana vaovao mikasika ny rivodoza Ivan. Izay nitarika ny fanaovana saritanin'i Madagasikara ahafahana indray-mijery manaraka ireo toerana farany nahazahoana vaovao sy ahitana rohy ahafahana mahafantatra bebe kokoa mikasika izany vaovao izany.

Torak'izany koa ny blaogy planete vivante dia nanolotra fanampim-baovao matetika sady nanangona vaovao teo amin'ny saritany iray koa ahitana ireo faritra rehetra niharan'ny voina sady nanapariaka lahatsary mahafehy fehezanteny maro :

SlideShare | View | Upload your own

(nadika tamin'ny planetevivante.wordpress.com)

Izany antontan-baovao marobe izany, dia nitarika vaovao nifanipaka izay tsikariny ary nomarihin'ireo mpiblaogy tamin'ny fomba haingana.
Nambaranay teo aloha fa olona miisa 9 no indray raikitra tao anatin'ny firodànan'ny hotely Anjara tany amin'ny nosy Boraha ary nambara fa maty avokoa izy ireo. Ity vaovao ity dia efa nampitampitain'ireo radio maro sy gazety maro vao notsipahin'ny fanjakana. Faly izahay naharay fanampim-baovao izay mitsipaka izany ka manambara ny fahaveloman'izy 9 mianadahy. I Jentilisa kosa dia mampitandrina amin'ny lafy ratsin'ny fanapariahana ankamehana [maika laoatra] ireo vaovao izay tsy mbola nisedra famakafakana sy fanamarinana akory.
Ny fahamaivanan'ireo famonjena haingana sy ny fahasarotana ara-tserasera sy ny fitondrana vonjy amin'ny fomba maika kosa no resahin'i Tomavana izay manontany hoe rahoviana vao :

mba misy laharana fiantso an-tariby sy finday, izay “tokana sady maimaim-poana” any Madagasikara toy ny 112 aty Erôpa na koa ny 9-1-1 any Zamerika.

Ny fisian'ny rafikajy ahafahana manaraka ny dian'ny rivomahery sy ny famisavisana izay toerana mety halehany dia natolotr'i Harinjaka.
Sarotra ny maminany ireo voka-dratsy efa nihatra avy hatrany na ireo izay mbola andrasana, anefa dia kely fanantenana ihany ireo mpandinika. Efa tondraka sahady izao i Antanarivo. Arak'ity lahatsary napariak'i avyalavitra ity dia ahiana na dia izay zavatra hiseho ao an-drenivohitra aza.
Indro etsy ambany, lahatsary hafa napariak'i avyalvitra ahitana ny fisondrotry ny reniranon'Ikopa izay efa mandifotra sahady trano fonenana maro any Antananarivo.

3 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.