Timor atsinanana : Momba ny fahafatesan’i Suharto

Tamin’ny taona 1975 no nanambaran’i Timor Atsinanana ny fahaleovantenany rehefa nozanahan’i Portiogaly 400 taona. Saingy vao haingana kosa no nahazoany ny fahafahana, noho ny fanafihana sy ny fibodoan’i Indonesia izay nanjaka taminy 24 taona. Tombatombanana ho mihoatra ny 200 000 na ny iray ampahatelon’ny mponina ao an-toerana no maty vokatr’io (fibodoana io).

Ny Jeneraly Suharto no nitari-tafika tamin’ny fanafihana, izay efa mpitondra jadon’i Indonesia tamin’izany fotoana izany, niaraka tamin'ny fandrisihan’i Aostralia sy ny faneken’i Etazonia. Indreto ary atolotra ny fanehoan-kevitry ny mpamaham-bolongana vitsy dia vitsy avy any Timor atsinanana rehefa re ny fahafatesany tamin’ny faha-86 taonany ny alahady 27 Janoary lasa teo.

José Prereira [pt] no nanao teny fampidirana hoe iza i Suharto ho an’izay tsy mahalala azy:

Este é o Homem que a Democracia Americana sempre apoiou.
A lança americana na Ásia.
Na chacina dos 500.000 comunistas.
Na invasão de Timor Leste.
Chamava-se Suharto.

Izany ny olona notohanan’ny Demokrasia Amerikana matetika.
Izany no lefon’i Amerika teto Azia.
tamin’ny fandripahana Kominista 500 000.
tamin’ny fanafihana an’i Timor Atsinanana.
Suharto no anarany.

Pedro Fontela [pt] indray mandahatra ny lisitry ny lova navelany ry izy no iray anisan’ny nankalaza ny vaovao:

Suharto, ex-ditador Indonésio, morreu, finalmente. Falta-me a hipocrisia para sugerir que possa sentir qualquer sensação de pena. Menos um tirano genocida no mundo, ainda bem para nós! Haja uma celebração!

Maty ihany nony farany i Suharto, ilay manao didy jadonateo aloha. Tsy ampy fihatsarambelatsihy aho hilaza fa malahelo azy. Iny no iray amin'ny olon-doza mpandripa-bahoaka manerantany, tsara iany ho anay! Tokony hisy aza ny (filazam-pifaliana)!

Namoaka ny tantaram-piainan’ilay mpitondra jadona teo aloha koa i Timor Lorosa e Nação [pt] ary nametraka raka izay nolazainy fa iray amin’ny mpamono olona lehibe indrindra amin’ny vanim-potoanan’ny ankehitriny taorian’ny ady lehibe faharoa i Suharto ka tsy mendrika fanajana amin’izao fahafatesany izao:

Enfim, entrou, por favor, no Inferno e lá ficará a consumir-se nas chamas alimentadas por tanta mortandade, carnificina e terror que espalhou por todo o sudeste asiático.
Não lhe desejo mal. Somente que sofra uma vez por dia por cada vítima do seu consulado de sangue e cadáveres. São só uns milhões.
Está muito bem onde está. O Inferno para quem o merece.

Lasa any amin’ny afobe ihany lahy izy iny, ary any no handorana azy amin’ny afo natsagany tamin’ny alalan’ny famonoana olona maro, fandatsahan-dra ary fampihorohoroana nataony nanodidina an’i Azia Atsimo Atsinanana.
Tsy maniry loza (fanampiny) ho azy aho. Fa ny hitaintainany indray andro isaky ny nisy fandatsahan-dra nataony tamina olona iray. Olona eo ho eo amin’ny 1 000 000 monja anie izy ireo. Tena tsara ny toerana misy azy. Natokana ho an’izay mendrika azy ny afobe.

Isabel Faria [pt] indray mitsikera an’i Ramos Horta, izay filohan’i Timor Atsinanana amin’izao fotoana izao, izay mamepetra ny olona tsy hamoaka ny likilikim-pony miatrika ny fahafatesan’ny jeneraly izao:

Desculpem lá, um ditador deixa de ser um ditador depois de morto? Um assassíno que não é julgado pelos seus crimes não tem que se preocupar porque depois de morto (…)
Nota final: No dicionário rancor, significa : ódio profundo e oculto; ressentimento.
Até posso entender que Ramos Horta refira o primeiro significado da palavra…porque se referir o segundo, está a trair a luta do seu povo e do povo indonésio contra a repressão e pela liberdade. E a memória dos que por elas morreram.

Miala tsiny aminao aho, fa angaha lasa tsy mpanao jadona intsony ny mpanao jadona rehefa nodimandry? Tsy tokony ho liana amina fahafatesana mpamono olona izay tsy notsaraina tamin’ny heloka vitany ve izahay? (…)
Soratra farany: Ao amin’ny rakibolana ny teny hoe Horta dia midika hoe fahavinirana sy fankahalana lalina miafina (na likilikim-po araka ny efa nosoratako teo ambony).
Araka ny fahazoako azy dia amin’ny teny voalohany no dikan’ny anarana Ramos Horta … satria raha jerena ny teny faharoa, dia mamadika ny tolona nataon’ny vahoakany izy sy ny vahoaka Indoneziana manohitra ny fangejana mitady fahafahana ary mamadika ny fahatsiarovana ireo nodimandry noho ireo koa.

Timor Online [pt] indray moa nanangona ny voalazan’ny blaogy/bolongana sy ny haino aman-jery tamin’ny nandrenesana ny vaovao na tamin’ny teny anglisy izany na tamin’ny teny Paortiogey.

Tamin’ny 20 May 2002 no afaka i Timor Atsinanana. Izy no firenena voalohany nahazo ny fiandrianam-pireneny tamin’ity taonjato faha21 ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.