Angôla : “We CAN do it” na VITAnay io

Mialoha ny resaka dia miala tsiny raha naverina kely ilay lohateny avy tamin'ny lahatsoratra nadika satria misy teny anglisy tsy mety ho voavadika eo. Misy teny hoe CAN izay azo lazaina hoe (Coupe d’Afrique des Nations) izay tsy ho voavadika teny malagasy manko eo ary ny lohateny malagasy dia afaka atao be dia be tahaka ny hoe “eto no a-CAN-ay ny amboara” ohatra saingy tsy tafiditra amin'ny teny malagasy moa ny litera “C” araka ny efa fantatsika. Hiditra amin'ny resaka amin'izay isika  Jotacê Carranca dia efa mankalaza sahady izay mety ho fandresen'ny ekipan'i Angôla, atsy ho atsy :

Pela primeira vez na história a selecção angolana garantiu a passagem aos quartos-de-final da Taça Africana das Nações (CAN).

“Voalohany amin'ny tantarany izao no tafakatra amin'ny fahefa-dàlan'ny lalao famaranana fiadiana izay ho tompon-dakan'i Afrika 2008 amin'ny taranja baolina kitra, ny ekipam-pirenena Angôley.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.