Shina: fitohanan'ny fiaran-dalam-by

Noho ny firotsahan'ny ranomandry be loatra any Hunan dia voatohintohina aok'izany ny fifamoivoizan'ny fiaran-dalam-by. Azo jerena ao amin'ny  56.com (zh) ny toe-draharaha ao Guangzhou. Nahazo ny lahatsoratra avy amina mpanao gazety manan-daza iray ny Inmediahk.net, izay nampivoitra fa efa niainana nandritra ny 20 taona farany ity  olan'ny fifamoivoizana eo ampiandrasana ny fetin'ny lohataona (fitsimohan'ny zavamananaina) ity. Nanampy trotraka ny olana efa nihatra no nataon'ity “loza” voajanahary ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.