Nabaribarin’i Luiz Carlos Azenha [pt] ilay filazam-baovao nampikorapaka ny rehetra milaza ny tokony hanaovana ny vakisiny itambaram-be hiarovana amin’ny tazovony no mailaka amin’ny fanakianana ny governemanta ankehitriny. “jereo ny fomba ankolaka ataon’ny [gazety] Estadão, fa tsy misy mihitsy ny filazana ny andraikitry ny filazambaovao tamin’ny fampikoropahana ny olona tahaka ity lahatsoratra ity ohatra milaza hoe TSY MAINTSY ATAO VAKISINY AVOKOA NY OLONA REHETRA”. Saingy hamarino kosa ange ny eo amin’ny joro fanehoan-kevitra e!