Shina: Fitombon'ny mpivoivoy amin'ny aterineto

Navoakan'ny Foiben'ny Fifandraisan-davitra sy filazam-baovao any Shina tamin'ny herinandro lasa teo ny mombamomba ny fivoaran'ny Aterineto any. Voambara ary fa nahatratra 210 000 000 ny isan'ny Olonineto (mpivoivoy amin'ny aterineto) tamin'ny taona 2007 ka nolazana fa ny nampitombo be dia be io isa io dia noho ny fitombon'ny tambanivohitra niditra tanatin'ny tontolo. HItan'i Keso fa tsy mampino izany fitomboana 127% izany (zh) ary raha voatazona izany fitomboana izany dia hahatratra ny atsasamanilan'ny mpivoivoy manerantany ny Olonineto Shinoa alohan'ny faran'ny taona 2008.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.