Bielaròsy, Rosìa : Fiaran-dalamby Minsk-Murmansk

LJ mpiblaogy ao amin'ny af1461 dia manapariaka sary meva maro mikasika ny faritra Avaratra, ny faritra Faran'ny Atsinanana sy faritra hafa any Rosia, ary koa momban'ny lalamby Rosiana (jereo, ho fanoharana, ireto sarin'ny garan'ny “lalamby maty” any amin'ny tanàna iray any amin'ny faritry Murmansk ireto).

Eo ambany ny lahatsoratra izay dikantsoratra (RUS), na dia izany aza dia tsy toy izany foana ny toe-draharaha. Mampiseho soratra mipetraka amin'ny fiaran-dalamby Minsk-Murmansk – soratra izay noheverina ho fanampiana ireo mpandeha izay mikaroka ny fiara mifanandrify amin'izay tapakila novidiany, anefa dia mampiseho koa fa na dia zavatra faran'izay tsotra aza dia mety mivadika ho “nofy ratsy” any amin'ity faritra ity.

Korontana re izao

Ny fiaran-dalamby #325/326, mampitohy an'i Minsk-Murmansk, dia fifangaroana fiaran-dalamby – ireo tena mankany Minsk-Murmansk dia zara raha fiara valo monja, fa ny ankoatr'izay dia fiara mijanona any [Grodno], [Brest], [Gomel], [Velikiye Luki], [Pskov] sy izay toerana hafa rehetra izao.

Noho izany rehefa miainga avy ao Murmansk ny fiaran-dalamby, izay olona tsy “mamo” ihany no afaka maharaka tsara ireo fiaran-dalamby tokony ho raisiny:

[photo]

Indro ny dikantsoratra :

Fiaran-dalamby laharana faha- 325 fanisana [ireo fiara] manomboka avy amin'ny lohan'ny firan-dalamby
31, 32, 34, 33, avy amin'ny 2 ka hatramin'ny 7, [nampiana soratanana 8], 20, 21,
29, 19, 22, 17, 18, 23, 15
[soratanana amin'ny faran'ny pejy] ny fiara laharana faha- 0 [dia] eo anelanelan'ny laharana faha-5 sy faha-6

Indreto kosa hafatra notsongaina avy tamin'ireo napetrak'ireo mpamaky ny blaogy:

strijar:

Oadray ! Tena ohatr'izao mihitsy ny fomba filahatr'ireo tranobe fahiny [any St. Petersburg] 😉 Amin'ny rihana iray no indray hitanao ireo “trano fonenana” [flat | appartement] laharana faha-3, faha-17 ary faha-24.

alenok74:

Adina faharanitan-tsaina [IQ test | test QI] hoan'ireo mponin'i Murmansk io 🙂

Indray andro izay, nandray io fiaran-dalamby io i ramatoa vadiko, misy hatsikana hafa miksika io fiaran-dalamby io : ny antsasan'izy ireo dia [misoratraha any Bielaròsy], ary ny antsany kosa – any Ròsia, ary ireo tapakila hoan'ireo fiara voalohany (Bielaròsy) dia latsaka haiva 1.5 heny. Noho izany rehefa mividy ny tapakila ianao dia mila manamarika hoe, “Mba omeo tapakila iray amin'ireo firan-dalamby Bielaròsy aho” -dia mora kokoa ny saran-dalanao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.