Ejipta: Entana Shinoa

Efa fantatrao ny toekarenan’ny Repoblika Entim-bahoakan’ny Shina, iray amin’ny toekarena mivelatra indrindra eto ambonin’ny tany. Tsy atao mahagaga ny fahitana entana Shinoa eny an-tsena eto Ejipta noho ny fitomboan-karena Shinoa mihoatra ny 10 isanjato isantaona. Ny tena mahaliana dia ny fiankinan’ny fivarotana entan-tshinoa ivelan’ny trano fivarotany. Tsikaritry ny rehetra fa mitety trano mihitsy ny mpivarotra ( euh… vavy) Shinoa hivarotany ny vokatra avy any aminy.
Tayara Waraa – Kite – no milaza ny niainany tamin’ny iray ireny vehivavy Shinoa mpivarotra ireny.

طرقات على الباب
تقول لى بلغة عربية مكسرة : تشترى هاجة صينى؟
أقول لها فى العادة شكراً وأغلق الباب فوراً..لكننى فى هذه المرة كان بيتى عامراً بالبشر فقلت لها : تفضلى
وتفضلت
ووضعت البؤجة التى تحملها على الأرض وبدأت تعرض ما معها.. مفارش..ملابس..أدوات زينة
كنت أنظر لها وفى داخلى أسئلة
ليست عما تبيعه فهو معروف منذ بدأ الصينيون فى غزو البلد بأنفسهم وليس فقط عن طريق التصدير لنا..ولكن عما دفعها لهذا العمل الشاق..وتحمل الغربة فى سبيله..وهذه الحقيبة التى تحملها على ظهرها كوزر أو سنام جمل..وعن غايتها وهدفها وحلمها وفتى أحلامها القصير
🙂

Dom-baravarana
Nanontany ahy tamin’ny teny arabo diso tsindrim-peo izy: “Hividy entana Shinoa ve o?”
Mpiteny azy ireny hoe: “tsia, misaotra” aho dia mandrindrim-baravarana… fa betsaka olona tao an-trano ka nampandroso azy aho.Napetrany tamin’ny gorodona ny kitapo nentiny ary dia navoakany ny entana tany aminy. Lamban-databatra, akanjo, kojakojam-panosorana tarehy.
Velom-panontaniana maro aho tany anatiko tany nijery azy.
Tsy noho ny zavatra amidiny amintsika izay efa fantatra fa manafika sy mameno tanàna tahaka ny hamaroan’isany ihany. Fa ny antony nanosika azy hanao izao asa mafy izao, miainga avy any an-tanindrazany any mibaby kitapo moa va tsy trafon-drameva. Mieritreritra ny nofiny sy ny tanjony ary ny tovolahiny mahafatifaty aho 🙂

Ary dia notohizany ny fitantarana …

يعجبنى هؤلاء القوم رغم اختلافى مع نهجهم القاضى بإنتاج درجات جودة مختلفة لكل السلع بدءاً من الصفر وتلك الدرجة ..درجة الصفر ..هى التى يقومون بالتصدير لنا من خلالها..وينتابنى دوماً عندما
أرى تلك العيون الضيقة المسحوبة أننى أواجه جيشاً من النمل..المنظم..الذى يمكنه أن ينخر فى عظام أى شىء ويحيله فى لحظة إلى هشي

Mampiaiky ahy itony olona itony na dia tsy ekeko aza ny fombany hahazoana vokatra isan-karazany amin’ny miainga amin’ny kalitao zero … tena ratsy anie ny entany nefa dia aondrany aty amintsika. Tsapako miatrika vondro-tafika voalahatra rehefa mahita ireny kelimaso afa-manao ny zava-drehetra ireny.

Hay ve rey'olona ka feno hatraiza hatraiza ireto kelimaso ireto e!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.