Ny fitsidihan'ny prezida Bush any Isiraely

Olmert, Bush, ary Abbas nandritra ny fikaonandoham-pandriampahalemana tao Annapolis tamin’ny Novambra 2007 at the Annapolis Peace Summit. Saryavy amin’ny United States Department of State.

Tonga tao Isiraely androany (alarobia) ny filoha Amerikana George W. Bush ary tamin’ity indray mitoraka ity dia nanan-kambara ny Isiraeliana mpiteny anglisy. Fomba fijery avy hatrany navoakan’ny roa tonta:
• Fitarainana fa manelingelina ny andavanandrom-piainan’ny mponina ao Jerosalema ny fanamafisana ho faratampony ny fitandroana ny fandriampahalemana
• Mikasika ny bala afomanga vaovao nalefa avy ao Libanona sy ny fanafihana avy any Gaza hiarahabana ny fitsidihan’i Bush

Ny tanjon’ny filoha Bush nandritra ny roa andro nandalovany dia ny hitarika sy handrisika ny resaka ho amin’ny fandriampahalemana eo amin’ny governemanta Isiraeliana sy ny Fahefana Palestiniana mba hananganana ny firenena Palestiniana amin’ny taona 2008. Hihaona amin’ny filoha Palestiniana Mahmoud Abbas moa izy mandritra ny fitsidihany any Isiraely ary avy eo dia hihaona amin’ny Praiminisitra Isiraeliana Ehud Olmert.

Efa tamin’ny taona 1998 ny fitsidihana farany nataon’ny Prezidà Bush talohakelin’ny fe-potoam-piasany voalohany ho filoham-pirenena.

Fandaniana tsy mampino hatramin’ny $25,000 isan’ora eo amin’ny fiarovana eo amin’Isiraely sy fanakatonana ny lalambe rehetra mandritra ny roa andro no tetibidin’ity fandalovana ity.
Nihiakam-pahatairana i Rooftopper Rav ao amin’ny Jewschool :

“That feels unconscionable. This country kept its high school students out of school for two months because it balked at paying teachers a living wage, still refuses to pay its university teachers a decent wage, hasn’t yet fully made good on its financial and other promises to evacuees from Gaza, and continues to let its poor, its elderly, and its Holocaust survivors languish without proper financial and medical assistance. And somehow there’s enough money to spend $25,000 an hour on George Bush.”

“Tahaka ny manaonao foana. Notazon’ity firenena ity tsy hianatra nandritra ny roa volana ny mpianatra satria nihenahena tsy handoa karama mahavelona ny mpampianatra izy, ary mbola mandà hanakarama ireo mpampianatra (mpikaroka) ireo araka izay sahaza azy, moa tsy efa nampanantena (niomana) fatratra zavatra tsara ho an’ny tetibola sy ny fialana avy any Gaza, nefa dia mbola mamela ny mahantra, ny zokiolona ary ny sisa velona tamin’ny fandripahana jiosy ao aminy halazo amin’ny tsy fananam-bola sy tsy mahazo ny fikarakarana ara-pahasalamana tokony ho azy ihany. Nefa eto dia ampy ny vola hanaovana fandaniana $25 000 isan’ora ho an’i George Bush.”

Ao amin’ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Eo ampiandrasana an’i George” i Gideon Lichfield ao amin’ny Fugitive Peace no mamoaka ny heviny:

“Jerusalem traffic has already slowed to about half its usual speed. Military choppers keep buzzing overhead in both Jerusalem and Ramallah. There are more guns around than at an NRA [National Rifle Association] convention. People are avoiding making appointments for the next couple of days… This had better be good.”

“Efa very sasaka noho ny mahazatra ny halakim-pifamoivoizana eto Jerosalema. Mihaohaody manerana an’i Jerosalema sy Ramallah ny miaramila arifomba. Be fitaovam-piadiana be ny manodidina noho ny any amin’ny fiaraha-mientana NRA [National Rifle Association]. Midify ny hifamotoana ny olona mandritra ny roa andro…aleo manao izay.”

Manampy ny resaka i Efratti ao amin’ny From Nation's Capital to Nation's Capital:

“This city is totally paralyzed. All of the cops, national traffic police, and other branches of security are in my general neighborhood. I really hope there are no incidents of domestic violence or car accidents that require police attention; those victims will be totally out of luck.”

“Tsy afa-mihetsika tanteraka ny tanàna. Eto amin’ny manodidina avokoa ny polisim-pifamoivoizana, ny zandarin-dalam-pirenena ary ny samapana hafa amin’ny fiarovana (filaminana). Enga anie mba tsy hisy herisetra mpitranga andavanandro na lozam-pifamoivoizana nila ny fanaraha-mason’ny polisy; fa dia ho sendra ny vintan-dratsiny tanteraka izay tra-doza eo.”

Eliesheva ao amin’ny Lizrael no manontany:

“Couldn’t President Bush just hold a conference call with the Middle Eastern leaders? I’m sure between the American and Israeli governments, someone could afford a couple of web cams. Didn’t Israel invent web cams? ICQ? Tiny USB sticks?…

It’s just that – with all due respect (or not) – all of us ‘regular people’ in Jerusalem are going to be mighty peeved as this Wednesday through Friday we sit in hours of traffic, arrive to work late and endure loud caravan sirens on the residential streets. Ah, what we sacrifice in the name of peace.”

“Maninona moa raha nanomana fihaonam-be ho an’ny mpitondra eto amin’ny faritra Azia andrefana? Mino aho fa raha amin’ny fihaonan’ny governemanta amerikana sy Isiraeliana dia (misy olona afaka mahaloa) web cams (fakantsarimihetsika amin’ny web) roa ihany dia ampy. Fa angaha moa tsy Isiraely no namorona ny web cams? Ny ICQ? ny lakile USB?…Izay ihany – amin’ny fanajana manontolo na tsia – ho leon’ny fiandrasana anaty fitohanana, tara amin’ny asa, hiaritra ny anjomara maro manerana ny lalana isika rehetra “olona tsotra” eto Jerosalema manomboka ity alarobia ity ka hatramin’ny zoma. Indrisy, tena mihafy tanteraka isika noho ny anaran’ny fiadanana (fandriampahalemana).”

Nisy bala afomanga katyusha roa notifirina avy ao atsimon’i Libanona hadoboka ao Isiraely omaly, ka nahatonga an’i KGS ao amin’ny Tundra Tabloids hanamarika fa:

“So Hezbollah has gotten the green light from its patron in Iran to rattle its saber in wake of the US President Bush's visit to the region. That's to be expected, especially since Iran felt it necessary to provoke an almost certain response from US ships in the Straights of Hormuz.”

“Nahazo alalana avy amin’ny lehibeny any Iran ny Hezbollah hanatsoaka ny sabatra hampiadiana amin’izao fitsidihan’ny filoha Amerikana Bush any amin’ny faritra izao. Efa nampoizina ihany, indrindra hatramin’ny niheveran’i Iran fa tsy maintsy atao ny mandrahondrahona ho valin’ny fihaodihaodian’ny sambo mpiady Amerikana ao amin’ny Helidranon’ny Persika.”

Hoy izy manampy naheno ny hevitry ny mponina Isiraeliana:

As long as the Palestinians have yet to give up on their dream of ‘greater Palestine,’ the Israeli parliament and the people will be in no mood to give any kind of support to anything PM Ehud Olmert agrees to. There are no signs of anything good coming out of a Bush visit to both Israel and the PA… I would hope that if anything positive can be done during his visit, it's in the realm of convincing the Arabs in the region that the US will not allow for a nuclear Iran.”

“Arakaraky ny hampiatoan’ny Palestiniana ny nofinofy hahita an’i ‘Palestine lehibe’ no tsy isian’ny fihetseham-pon’ny vahoaka sy ny parlemanta Isiraeliana hanohana izay zavatra rehetra eken’ny praiminisitra Ehud Olmert. Tsy misy marika amantarana fa hitondra rivobaovao ho an’ny Isiraeliana sy ny Palestiniana ny fitsidihan’ny filoha Bush … Te-hanantena aho fa ny zavatra tsara azo amin’ny fitsidihana ataony dia eo amin’ny sehatra handresehan-dahatra ny Arabo fa tsy hamelan’i Etazonia an’i Iran hanana nokleary.”

Ampian’ny mpanoratra ny This Ongoing War fa ho fampitandremana ny fitsidihan’i Bush ireny baomba nalefa avy any Gaza hitifitra ny faritra atsimon’Isiraely iny:

“By no coincidence at all, the increased heat on our northern front is matched this morning with lethal weapon attacks on our southern front. Bush is coming to town, and the media are here. 9 Qassams and at least 2 mortars have crashed into Israel's western Negev so far this morning (Wednesday) hours before President Bush's arrival at Ben Gurion airport.”

“Tsy ho kisendrasendra mihitsy fa niara-nitontona androany maraina ny fiakaran’ny hafanana tany amin’ny faritra avaratra sy ny nitifirana an-tafondro ny sisintanintsika any amin’ny faritra atsimo. Ho avy eto an-tanàna i Bush ka efa tonga ny fampahalalam-baovao. Qassams 9 sy baomban-tafondro 2 farafahakeliny no nianjera tao amin’ny faritra andrefan’i Negev eto Isiraely androany maraina (alarobia) ora vitsivitsy monja mialoha ny hahatongavan’ny filoha Bush aoamin’ny seranam-piaramanidin’i Ben Gurion.”

Tafiditra ao anatin’ny valo andro itsidihan’ny Prezidà Bush mamakivaky ny faritra afovoany Atsinanana izao fitsidihana ao Isiraely izao. Ao anatin’ny fandaharam-potoanany ihany koa ny fitsidihana an’i Kuwait, Bahrain, Emirà Arabo mitambatra, Arabia Saodita, ary Ezypta ary natao izany hamehezana ny tahotra amin’ny angovo nokleary ananan’ Iran.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.