Japana: ny ampitan’ny hadivory na hiserasera sa tsia?

Anivon’ny famahoahan’ny serasera, mety hiteny ny olona iray fa mizara roa izao tontolo izao: Izay manam-pifandraisana sy izay tsy manam-pifandraisana amin’ny aterineto. Raha mandray anjara sy mifanabe anaty kolontsaina (“iraisana”) mivoatra mampiavaka azy manokana ny vitsy an’isa mpiserasera nefa tsy mitsaha-mitombo dia tsy (manana kolontsaina iraisana) kosa ny maro an’isa tsy mpiserasera.

Izay “hantsana”( noraisiko hoe “hadivory” izy eto) manelanelana ireo tontolo roa izay no lohahevitry ny mpanabolongana essa ao amin’nyUncategorizable Blog. Nanontany i Essa hoe: Ahoana moa ny mety ho eritreritry ny olona iray tsy mpiserasera ny tontolon’ny mpampiasa aterineto? Ao amin’ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Ampitan’ny hatsana” (キャズムの向こう側), dia misy tolo-mpamelabelarana tahaka izao:

グールドという人の本だったと思うけど、地球を代表する生命は、いかなる意味でも人類ではなくバクテリアだという話が書いてあった。個体数でも生息範囲でも種の豊富さでも、どういう基準で代表を選んでも、人類はおろか多細胞生物を選ぶことはできないという話だった。

Mieritreritra aho fa tao amin’ny boky nosoratan’i Gould no misy soratra hoe tsy ny olona no endrika, na amin’ny lafiny inona na amin’ny lafiny inona, entina ijerena ny fiainana an-tany, fa ny fiainan’ny bakteria. Voasoratra ao amin’io boky io fa amin’ny resaka habetsaky ny mponina, na filaharan’ny trano, na fahabetsahan’ny karazana – izay ifantenana ny mahasolo tena – na ny taova (marosela) aza tsy mety anaovana izany, fa ny olona irery ihany no anaovana izany.

しかし、単細胞生物には多細胞生物を認識することはできない。単細胞生物が多細胞生物を見ても、見えてくるのは、おそらく、ひとつひとつの細胞だけだ。「細胞の中身は多少違うけど、俺たちと同じ細胞には違いない」と思うだろう。単細胞生物には細胞同士の相互作用は見えず、細胞の中身の違いしか、自分たちと我々の違いを認識できないだろう。

Na izany aza ny sela (tokana) dia tsy mahay mamantatra taova (sela maro). Rehefa mahita taova ny sela iray, tsy ilay taova no hitany fa ny sela tsirairay mandrafitra ny taova. Mety hieritreritra tahaka izao ny sela hoe: “Hita fa misy fahasamihafana ny anatin’ireo sela ireo nefa tsy diso ny fitenenana azy ireo ho sela sahala amin-tsika ihany.” Tsy hitan’ny sela akory ny fifampiankinan’ny sela mandrafitra ny taova, na dia metyho hitany aza ny fahasamihafana, ary tsy hainy ny manavaka ny “izy ireo” amin'ny “isika”.

犬のしつけの本を読むと必ず「飼い主が犬の上位にあるように犬に認識させなさい」と書いてある。犬には、群れの中での上下関係に基いて行動する本能があって、甘やかされて自分が上位であると思わされてしまうと、リーダーとして行動する本能が働き出す。そうすると、状況に対する群れの行動を全部自分が判断しなくてはいけないと思う。しかしもちろん、人間社会の中で適切な行動を導ける本能は無いので、犬は混乱してしまい、吠えたり噛みついたりすることになるそうだ。

Raha mamaky boky momba ny fibaikoana alika ianao, dia matetika ho vakianao izao soratra manaraka izao fa [tsy maintsy]: “ataon’ny alika takany fa ny tompony dia ambony laharana kokoa noho izy.” Mora mirona (na entin’ny filany) araka ny fomba fifandraisana misy ambaratonga ao amin’ny fiaraha-monin’alika manko ny alika, koa raha mivadika ny fisainany ka mieritreritra izy fa ambony laharana amin’ny fifandraisana dia hihetsika araka izay mahamitarika azy izay ny alika. Koa raha mitranga izany, amin’ny fanatrehana toe-javatra iray dia ilay alika (amin’ny mahaambony laharana azy) no handray ny fanapahan-kevitra rehetra amin’ny vondrona misy azy. Mazava loatra fa tsy ny filana no hitarika ny olona hanatrehana araka tokony ho izy ny toe-javatra iray; amin’ny ankapobeny rehefa taitra ny alika dia mivovo sy manaikitra no fanaony.

一緒に住む限り、犬には人間と犬の違いがわからず、匂いと上下関係しか認識できないのだろう。

Na dia miara-miaina aza ny olona sy ny alika, tsy hahita izay fahasamihafana eo amin’ny olona sy ny alika ny alika, fa ny fomba famantarany dia miankina amin’ny fanamboloana sy ny dingam-pifandraisana ihany.

池田清彦さんが、生命の進化は古いシステムが新しいシステムに変化することではなく、古いシステムを残したまま、その上に別のレベルで新しいシステムが構築されることだと言っていた。

Ikeda Kiyohiko [Mpampianatra momba ny zava-miaina ao amin’ny Anjerimanontolon’i Waseda] no manazava hoe ny fivoaran’ny fiainana tsy fiovana avy amin’ny rafitra iray mankany amin’ny rafitra iray vaovao hafa, fa eo amin’ny fivorana tahaka ity dia avela amin’izao ny rafitra teo aloha, fa ajoro eo amboniny, ny ambaratonga hafa.

だから、全ての人がキャズムを超えるのではなく、キャズムを超えてむこう側で新しい秩序を構成しその一部となる人と、そういうものと無縁のまま生きる人に分かれるのではないだろうか。

Na izany aza, tsy ny rehetra no hiampita ny hantsana; tahaka ny hoe misy lavaka izany manelanelana ny olona miampita ny hantsana ary manangana rafitra vaovao eny ampita sy ireo manohy ny fiainany hatramin’izay ary tsy te-hanova na inona na inona.

キャズムのこちら側の人から見ると、むこう側の人も同じ新陳代謝をする同じ人類に見えるし、同じ社会の一員で同じものを食べて同じ乗り物に乗り同じお金を使い同じ政治システムに支配されている。だから、どこをどう見ても同じ人間である。

Dia ahoana izany no ijeren’ny andanin’ny hadivory ny ankilany, heverin’izy ireo fa olombelona tratran’ny fiofoana (avy amin’ny teny miofo milaza ny bibbintsaonjo miofo ho lolo) mbola mitovitovy aminy ihany izy ireo, mpikambana ao amin’ny fiaraha-monina itovitovizana, mihinana sakafo itovitovizana, samy mitondra fiara ihany, mampiasa vola itovitovizana, voafehin’ny rafi-piaraha-monina itovitovizana. Na dia toy izany aza ny fijeriny dia ilay olona teo ihany no hitany.

でも、キャズムを渡った人には、全く新しい別のレベルの秩序が見えていて、彼らはそこで生きている。

Na izany aza, hahita zava-baovao tanteraka ireo miampita ny hantsana , hahita dingan-drafitra hafa ary dia ao no hiainany.

人類全体に対するネットの普及率がある閾値を超えると、全ての人にキャズムを渡ってもらおうと無理しなくても、アーリーアダプターだけで相当な人数になり、そこに充分な複雑さが生まれ生態系が回るようになる。

Rehefa tafakatra amin’ny dingana (tokonam-baravarana) iray ny isan’ny mponina miserasera amin’ny aterineto miohatra amin’ny mponina manerana izao tontolo izao, na dia tsy voatery hiampita tsy amin’antony ny hantsana aza ny rehetra, (satria) mbola ho maro an’isa hatrany ny tsy mampiasa ny fitaovam-baovao (radio, televiziona…). Hisy vondrona mahaleo tena haka toerana amin’izay, ary dia hisy tontolo vaovao (hiforona sy) hiasa.

その世界を認識できる人とできない人は、それぞれ別の世界に住むようになるかもしれない。

Mety ho samy miaina amin’ny tontolony (tsy mifandray) ny olona miaina sy ny olona tsy miaina amin’io tontolo io.

Chris Salzberg

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.