Avia jereo ny poezian’ireo bilaogera vaovao hilazany izay any anatiny any

Ao amin'ny Rising Voices ny lahatsoratra loharano

Heverintsika fa samy manana ny endrika sy bika, poezia (avy amin’ny teny grika poiesis, « manangana » na « mamorona ») ao aminy avokoa aloha ny teny tsirairay avy manerantany, hampitany ny tomany, na izany, hilazany fa mifaly na mijaly, ary entina hanambarana ny tsiambaratelon’ny hamamin’ny fitiavana na ny halalin’ny fisaonana. Na dia misy aza ny fanahiana fa ho very tsy nariana anivon’ny tontolon’ny bits (singa amin’ny kajimirindra manakaiky ny teny hoe bitika?) [tsy ho vitan’ny bit’s anie] sy ny bytes (isan-tsoratra ?)[tsy ho daitran’ny bait’s koa] ny fomban’ny poezia, dia ahariharin’ny karaza-panoratra vaovao (ny soratry ny poety no amahanam-bolongana na ny mpamaham-bolongana mihitsy no poety) fa mihalasa lavitra sy mivelatra kokoa noho ny taloha endrika sy fanehoan-kevitra hita amin’ny asa soratra.

Ary dia manoatra noho ny mahavao tonga azy anatin’ny tontolon’ny famahanam-bolongana ireo voatariky tetikasanan’ny Rising Voices any Bangladesh, any Colombia, aryBolivia. Hitan’izy ireo aza ny hery vaikan’ny hainteny manopy maso ny fihetseham-pon’olombelona manainga antsika sy ny mahatokana amantany ny fiarahamonintsika noho ny fahasamihafana ananan’ny faritra tsirairay avy.
Ny poezia moa no lahatsoratra sarotra adika indrindra ka noho izany antony izany no namelana ny teny espaniola sy Bangla nihaviany harahana dikanteny anglisy noezahina ho tsara indrindra.
Fahatsiarovana nadikan’i Carmen Elena Paniagua ao amin’ny HiperBarrio:

Homenaje
Con este breve poema quiero expresar mi gratitud a una vieja amiga.
Canción ausente
No llores cuando me marche y tenga que dejarte sóla en el rincón de siempre;
no olvides que mi voz quedó grabada en tu vientre;
no olvides que mis huellas están por todo tu cuerpo.
Ya de memoria sabes entonar nuestra melodía;
tu tristeza y mi llanto se confundieron muchas veces en acordes menores y mis lágrimas caían sobre tus cuerdas, apagando violentamente el eco de tus lamentos.
No te angusties por mi ausencia; deja que tu cuerpo esbelto repose, hasta que una noche regrese y juntas entonemos nuevamente la canción de siempre.

Fahatsiarovana
Entiko hanehoana ny fankasitrahana ny namako iray hatry ny ela ity tononkalo fohy ity.
Tankina ny hira
Aza mitomany ahy rahatrizay aho hiery, handao anao ho irery any anjoron’ny mandrakizay;
Aza adinoinao fa ny feoko nasokitro tankibonao
Aza adinoinao fa tsy nisy fetra ny nitetezako ny tenanao rehetra
Ary raha mahatsiaro efa hainao ny misioka ny vetsontsika
Fa ianao raha tomany izaho koa nikiaka hatrany ary ny korianan’ny ranomasoko
natsahatry ny mozikanao nahatapaka tampoka teo izay nataonao ho toreo
Aza mamoifo raha toa tsy eo aho; kolokoloy ny vatanao mandrapahatongan’ny alina hiverenako any ary hiarahantsika mihira indray ny hiran’ny mandrakizay.

Vehivavy isika avy amin’i Sharmin Chowdhury Shikha ao amin’ny Nari Jibon:

আমরা নারী
জেগে উঠ আজ, জেগে উঠ
বসে থেকো নাকো
সময় হয়েছে গো, সামনে যাবার
কেন বসে থাকো?
কেন ভিরু লাজ?
সামনে অনেক কাজ,
কেন বসে আছো, আধাঁরের ঘরে?
কেন কাটিয়ে দিচ্ছ জীবন, ধুঁকে ধুঁকে মরে?
বিশ্ব আজ আলোকিত, চারদিক উচ্ছাসিত।
তুমি কেন আধাঁরে, হয়ে আছো নিপতিত?
বেরিয়ে আস ঐ ঘর থেকে
তাকিয়ে দেখ নারী বিশ্বের দিকে।
বসে নেই তারা হাত পা গুটিয়ে
বাহিরে আসছে আধাঁর কাটিয়ে।
উন্নত দেশ, উন্নত বিশ্বে
নারীরা আজ অনেক শীর্ষে।
জ্ঞান চক্ষে তারা করছে অনেক ভালো
পালিয়ে যাচ্ছে সকল আধাঁর কালো।
হে মহীয়ান নারী
গর্জে উঠে একবার বল
আমরা পারি, সবই পারি
আমরা নারী।

Vehivavy isika
Anio mijoroa
Aza ketraka hipetraka
Fotoana izao hirosoana.
Nahoana no hijanona?
Nahoana no matahotra sy menatra?
Mbola maro ny ho atao
Nahoana no hitorevaka eny antsisi-maizina eny?
Nahoana no hiaina anaty ady mafy hatrany?
Ny tontolo mirantava, ny hafaliana na aiza na aiza manavatsava.
Nahoana no hitoetra anaty aizina, hitanondrin-dava?
Mivoaha ao an-trano ao
Mijere ravehivavy fa misokatra izao tontolo izao
Ny vehivavy hafa tsy mijanona an-trano
niala avy tao anaty aizina tao
any amin’ny firenena mandroso, tany mandroso
Maro ny vehivavy manana toerana ambony
nahavita zavatra tsara noho ny fanabeazana
resiny avokoa ny aizina rehetra
Ry vehivavy mahery fo
Mitroara indray mandeha ary mitenena hoe
mahavita aho, mahavita ny zavadrehetra isika
Isika vehivavy.

Fanambarana nataon’i Diego Ospina ao amin’ny HiperBarrio:

Anuncio
Te cambio una palabra por un beso mujer hermosa.
Es un buen trato teniendo en cuenta que el beso estremecerá a mi alma, dará tal alegría a mi corazón que saltará aceleradamente y el dulce sabor de unos húmedos labios abrazarán los míos; la palabra que yo acrezco una vez sea escuchada cambiará por completo la percepción antes tenida de la vida; la verdad, el sufrimiento y la muerte tomarán un sentido tan pleno como el que da una revelación maravillosa.

Fanambarana
Hanakalo teny iray aminao aho hatakaloko oroka aminao ry vehivavy manja.
Adi-varotra tiako hifehezana ny saiko fa io oroka io no hampihovitrovitra ny fanahiko, hampitsinjak’hafaliana izato foko ary ny hamamin’ny molotra mando hamihina ny molotro; ilay teny, rehefa heno,no hanova manontolo ny fijeriko ny fiainana; ambarako izao fa ny fahoriana sy ny fahafatesana no hanome ny anton’ny nahatonga ny hankaton’ny aingam-panahy.( Dia tiako ampiako izaho mpandika teny malagasy hoe: ka ekenao ve ny takalo? 😉 )

Rahatrizay nataon’i Zannat Ara Amzad ao amin’ny Nari Jibon:

কোন একদিন
অজানা, অচেনা হয় যদি চেনা-জানা
কোন একদিন……..
তুমি, আমি ডানা মেলা
যেদিন আকাশ হবে নীল।
চোখে চোখে কথা বলা
না বলা যত কথা হবে সেদিন,
যেদিন হবে তোমার আমার
প্রণয় মালার দিন।
দিন-ক্ষণ জানি না,
সময়-অসময় বুঝি না,
কোন বাঁধা মানি না-
যদি না বাজাঁও ভালোবাসার বীণ ।

Rahatrizay
Rehefa hifanenana ny tsy hita ary hay ny tsy fantatra
Rahatrizay…
hanan’elatra izaho sy ianao
dia ho manga ny lanitra
Ny maso no hiresaka
hibosaka avokoa ny tsy hay nolazaina hatramin’izay
Raha hamatotra ny olana
Izaho sy ianao
Tsy hahalala ny fihodin’ny fotoana aho
Tsy hiverina aho hanelingelina
Ary tsy haneritery ihany koa
rehefa tsy hokaloinao ny hiran’ny fitia.

Avy any ampon-dry Ando napetraky Juan H. Apaza ao amin’ny Voces Bolivianas:

Desde El Corazon de los Andes
GRITOS DE DOLOR ATAÑEN
LA SANGRE DERRAMADA CLAMA
CINCO SIGLOS DE AUSENCIA CALLADA
UN CORAZON RECLAMA PRESENCIA.

(tangorom-bohitra any Amerika Atsimo hoan’izay mety mbola tsy mahalala ry Ando eto)
Avy any ampon-dry Ando
Kiakam-panaintainana avy amin’ny
ra nandriaka miantsoantso
taonjato dimy no nangina
misy fo mitaky ny fisiana

DESDE EL MAS PROFUNDO SURCO DE LOS ANDES
HAY UN ESPIRITU DE LA TIERRA
REFLEJO DE ARMONIA ,RESPETO Y VIDA,
AYNI ,RECIPROCIDAD Y AGRADECIMIENTO
UKAPINIU SARSTWA.

Avy amin’ny soritsoritra lalina indrindran-dry Ando
misy ny fanahin’ny tany
taratra firindrampeo, fifanajana, fiainana koa,
ayni, valitanana sy fahafaliampo
ukapiniu sarstwa.

SE HA CUMPLIDO EL PACHACUTI,
UKA JACHA URU JUTASTA
DANZAN LOS TARIS Y LAS TRENZAS
SUENAN LAS PANKARAS
SICUS Y THARKHAS EXCLAMAN:
EL CORAZON DE LOS ANDES A VUELTO (BIS)

Afapo i Pachacuti
uka jacha uru jutasta
manakivily ny volony handihy
injany ny feon’ny pankaras
ny fihoraky ny sicus sy ny tharkas :
Niverinany fon-dry Ando

PARTIERON TU CUERPO A LOS VIENTOS,
LO ARRASTRARON POR CALLES Y PLAZAS,
FUE LLEVADA TU CABEZA EN PICOTA…
Y TU CORAZON CONVERTIDO EN WACA.
Y NO PUDIERON MATARTE…!

Tapatapahiny eo anoloan’ny rehetra ny tenanao
Taritaritiny manerana ny lalana sy ny kianja
maneso ny fisainanao …
ary ny fonao lasa waca. (Fa tsy vazaha ^^ )
fa tsy afa-mamono anao izy ireo …!

HA VUELTO EL CORAZON DE LOS ANDES,
Y LATE EN MILES DE ESPIRITUS,
TU CORAJE ESTA LATENTE ,JILATA…
JULIAN APAZA ….TUPAC KATARI

Niverina ny fon-dry Ando,
ary miemponempon’ny fanahy anarivony,
Niafina ny herimponao Jilata …
Julian Apaza … Tupac Katari

Sakaiza avy amin'i Jesmin Ara Amzad ao amin'ny Nari Jibon:

বন্ধু
বন্ধু মানে ভালো লাগা
দুটি হৃদয়ের ভালোবাসা।
বন্ধু মানে একটু আশা
মনের মাঝে স্বপ্ন বাঁধা।
বন্ধু মানে একটু ছোঁয়ায়
পরশ লাগে যত।
বন্ধু মানে ছুটে চলা
জোড়া শালিকের মত।
বন্ধু মানে উদার আঁকাশ
মেঘলা রোদের ঘর।
বন্ধু মানে স্নিগ্ধ আলোয়
শিশির ভেজা ভোর।
বন্ধু মানে বেজায় খুশি
একটু অভিমান।
মনের মাঝে কোথায় যেন
একটু খানি টান……

Sakaiza
Sakaiza midika fitoviana
Fitiavan’ny fo anankiroa
Sakaiza midika tsirim-panantenana
Hanana nofy vaovao
Sakaiza midika safosiaka
Ary dia mandrevirevy ny amin’iny
Sakaiza midika mihetsika sahala
Amin’ny hakingan’ny roa amin’ny voromailala (tsipoy no akaiky ny teny kokoa fa…)
Sakaiza midika lanitra malomaloka
Fiarahamiainan’ny masoandro sy ny rahona
Sakaiza midika rotsak’ando
Amin’ny maraina mazavaratsy
Sakaiza midika faly
Ary mpamindrafo kely ho an’ny hafa
tahaka ny hendratra kely
Any anaty fo any

Nadikan’i Rezwan sy David Sasaki.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.