Arahabaina ireo Rising Voices vaovao

Naharenesantsika feo vaovao sy mahery avy amin’ny fiaraha-monina tsy dia hita matetika amin’ny aterineto ny nisokafan’ny vondron’ny fantsom-panomezam-baovao avy amin’ny olom-pirenena na ny tetikasa midina an-tsehatra Rising Voices. Niantso tolotra vaovao hampiroboroboana ity fantsom-panomezam-baovao ity indray izahay tamin’ny volana lasa, mba hisafidianana dimy hafa hanampy ireo izay efa amperinasa any Bangladesh, Bolivia, Colombia, India, ary Sierra Leone.

Tolotra tetikasa 63 avy amin’ny firenena 35 samihafa no azonay. Na dia latsaka noho ny 142  tamin’ny volana jolay aza ny dosie nipetraka, dia sarotra kokoa ny fifantenana noho ny hatsaran’ny tolotra tsirairay sy ny fitondrany zava-baovao ao anatiny avy. Toera-midadasika indray koa no namaly ny fifaninanana hahazo ny lokan’ny Rising Voices ary porofoin’ny fahazotoan’ny olona hatrany ambanivohitry Oganda ka hatrany amin’ny fokonolona Ortodoksa any Isiraely, avy any amin’ny tangorombohitry Goatemala ka mipaka hatrany amin’ny sarangan’ny mpiasa manodidina an’i Serbia.Mahasolotena ny fitondrana zava-baovao, tanjona sy antom-pisian’ny  Rising Voices amin’ny fanohanana ireo dimy nandrombaka ny loka.


Diniky ny Fantsom-panomezam-baovaon’ny Tanora ao Nakuru, Kenya

Hitarika ireo mponina manodidina an’i Nakuru, Kenya hanangona ny vaovao sy tantara samihafa ao an-toerana ary hizara izany amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny fampiasana sary, lahatsary famahanam-bolongana ary hatramin’ny fanontana magazine ry Dennis Kimambo, Collins Oudour, ary ireo hafa rehetra ao amin’ny ekipan’ny REPACTED. Mbola handrisika ny fampiasana ny teknikan’ny Magnet Theater ihany koa ny REPACTED mba hiresahan’ny mpandray anjara anatin’ny fahalalahana ireo lohahevitra atao fadifady toy ny fifindran’ny tsimokaretina VIH. Azonao vakiana manontolo ao amin’ny wiki ny volavolan-tolotra fenon’ny REPACTED.


Fanapahan-kevitra hamahanan-dahatsarim-bolongana Iraniana

Hiara-miombon’antoka amin’ny Young Cinema Society (orinasan-dahatsarin’ny tanora)  miorina ao Teheran ry Shaghayegh Azimi sy ireo Iraniana efa kalaza amin’ny famahanan-dahatsarim-bolongana mba hamantarana ny hetahetan’ireo tanora mpanatontosa tantara amin’ny lahatsary ary hampitombo ny fahaizan’izy ireo manatontosa tantara fohy sady mamoaka azy ireny amin’ny aterineto. Nosoratan’i Shaghayegh fa, “Ny tanjona roa lehibe tianay hovitaina dia 1) ny hampiditra sy hitari-dalana ny tanora avy amin'ny fiaraha-monina tsy voasahana loatra hifandray amin’ny tontolon’ny zatra aterineto ary singanina manokana ny hifandraisany amin’ny tontolon’ny mpamahan-dahatsarim-bolongana ary eo koa 2) ny hanabe sy hizatra ny fahazakana fahasamihafan’ny fiainan’ny olona hafa amin’ny alalan’ny tantara.” Azonao jerena ny ohatra vitsivitsy amin'ny asan’i Shaghayegh teo aloha ao amin’ny PBS's Frontline/World website.

Bloggers Desde la Infancia (Mpamaham-bolongana hatramin’ny fahazazana) – Uruguay

Nanaitra sy nahasarika ny fantsom-pamoaham-baovao iraisam-pirenena ny  One Laptop per Child (OLPC na findain-tsolosaina isan’ankizy) volavolan-tolotra natsangan’ny mpikambana ao amin’ny MIT Media Lab izay mikendry ny hananan’ny mpianatra rehetra manerantany fidain-tsolosaina tsirairay avy. Saingy amin’ny ankapobeny dia hitantsika hoe ahoana ny fanatanterahina izany amin’ny tanora mpianatra any Uruguay, Peru, Nigeria, sy ny hafa ankoatra ireo ny hampiasana ilay findain-tsolosaina kely miloko maitso matsoraka. Hikarakara atrikasa maro hamoriany mpamaham-bolongana ao antoerana sy iraisam-pirenena i Pablo Flores ao amin’ny Ceibal, fikambanana miankina amin’ny fanjakana miandraikitra ny fitsinjarana ny findain-tsolosaina OLPC any Uruguay, hampianatra ny ankizy (sa ny mpanabe?) ny fananganana bolongana mba hahazoany tombondahiny amin’ny fampiasana fantson-tseraseram-piaraha-monina hafa. Aorian’izay dia hisy ny loka fampirisihana ireo mpamaham-bolongana vaovao hampiely ny tantaran’ny fiaraha-moniny ao an-toerana sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Miranty ao amin’ny wiki (amin’ny teny Espaniola) ny volavola natolotry Pablo

Hisarika ny mpanao dinika Malagasy ho amin'ny tontolon’ny famoaham-baovaon’olom-pirenena – Madagasikara

Sehatra fiadian-kevitra teny malagasy manana ny lazany miorina eto Antananarivo, Madagasikara ny  Serasera izay manana mpikambana mihoatra ny 400. Hiditra an-tsehatra ao amin’io vondrona mavitrika amin’ny dinika io ry Mialy Andriamananjara, Lova Rakotomalala, Harijanka ary ny mpikambana hafa ao amin’ny Foko Madagascar ary hampianatra azy ireo ny handray anjara ao amin’ny tontolon’ny bolongana, fandefasam-pao ary ny fandefasan-dahatsary an-tserasera. Ao amin’ny volavola nasehony no navoitrany fa “hamela feo sy dian-tanana eto an-tany … mba hotopazan’izao tontolo izao maso ny hevitra, asa ary ny fijerin’ny Malagasy” ireo mpikambana amin’ny serasera ireo.

Andavanandro-na voafonja iray – Jamaika

Nanamarika ny mpanorina ny tetikasa Kevin Wallen fa “nihoatra ny roa tana mahery izay, i Jamaica izay manana mponina 2.600.000, dia fantatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ho ‘renivohitr’izao tontolo izao amin’ny vono olona.’ Tamin’ny taona 2007 fotsiny dia nihoatra ny 1 400 ny isan’ny mpamono olona.” Voahitrikitrika noho io fiakaran’ny famonoan’olona ambony be io ny kolontsaina Jamaikana ami’ny fanandratan’ny vahoaka ho ambony (fankalazana) ireo lehiben’ny jiolahy. Ity tetikasa Diary of an Inmate (na andavanandro-na voafonja iray) ity dia hiezaka ny hifanandrina amin’io ‘fankalazana ny jiolahim-boto’ io mba hitaraihana ny any ampamonjana hamaham-bolongana sy hamaham-peom-bolongana. Nofariparitan’i Kevin moa fa ny tanjon’ny tetikasa dia: “mba ho afa-mitantara ny fiainany amin’ny alalan’ny famahanam-bolongana ny voafonja. Mba ho voalalotr’izy ireo ao anatin’izany ny lokom-piainana ambadiky ny toeram-pisotroana sy ny fiantraikan’ny fanaovana heloka bevava. Ankehitriny moa ny mozika sy ny fantsom-panomezam-baovao Jamaikana dia ‘midera fatratra’ ny ‘badman’ na ‘shotta’ ary mametraka ho olona tarafina (maodely) ireo izay efa nigadra. Maro noho izany ny tanora no mieritreritra fa toerana mahafinaritra izany figadrana izany, kanjo moa zavatra hafa no atrehina rehefa hitany ny zava-misy any. Hampahafantatra ny Jamaikana noho izany ny bolongan’ny Diary of an Inmate hahalalany ny zavamisy amin’ny fahamaroan’ny mpigadra any amin’ny fonja sy ny fahasahiranam-be iainana any ka antenaina fa ho voatosika noho ny fisian’ny bolongana ny hevi-diso naelin’ny fantsom-pampitam-baovao any an-toerana (gazety sy haino aman-jery).”

Faly izahay miarahaba ireo tetikasa dimy vaovao ireo hiroborobo mandrakariva ary hahabe voho (na hahamatotra) ny tontolon’ny mpamoaka vaovaon’olom-pirenena Rising Voices anie izy ireo.

David Sasaki

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.