Fodiamandrin’i Benazir Bhutto ao Pakistana

Nisy namono tamin’ny faha-54 taonany androany maraina nandritra ny fivorian’antoko Rtoa Benazir Bhutto. Nefa dia nolazain’ny haino aman-jery (fantsom-pampitam-baovao) indrindra fa ao Rawalpindi no toerana tsara aro indrindra sy feno mpitandro filaminana indrindra. Ny zava-mahavariana faharoa araka ny fitantarana nataon’ny BBC dia teo amin’ny toerana nahafaty indrindra ny praiminisitra Pakistaney voalohany no nahafatesan’i Benazir koa.

Mametraka ny hoavy politika Pakistaney ao anatin’ny tadion-korontana indray izao famonoana azy izay ary maro ny manontany tena hoe hivarina amin’ny ady an-trano ve i Pakistana?

Benazir no vehivavy voalohany lany ho praiminisitra indroa tao Pakistana.

Mahaontsa ny fiafaran’ny androm-piainan’ity mpitarika izay ho amin’ny demokrasia ao Pakistana. Efa nisy fanohintohinana ihany ny androm-piverenany tao Pakistana indray tamin’ity taona ity raha nisy nanapoaka baomba teny amin’ny lalana nodiaviny niainga avy teny amin’ny seranam-piaramanidina hodiany any amin’ny tranon-drazany. Dia tsy fantatra indray ho lalan-kodiavin’i pakistana amin’ity fahafatesana tampoka ity. Ny fanontaniana izao dia mbola hotontosaina ve ny fifidianana amin’ny volana ambony io?

Mpitarika miteraka adihevitra mandrakariva, novolavolain’ny rainy Zulfikar Ali Bhutto, izay praiminisitra teo aloha, ny fomba fijery politikan’Itpkv Benazir. Mpikabary sy mpanoratra, nianatra tany Angletera sy Etazonia i Benazir talohan’ny niverenany nody tany Pakistana ka niditra tao amin’ny antoko politikan’ny rainy dia ny Pakistan's People's Party (PPP) na Antokom-bahoaka Pakistaney ary efa praiminisitry Pakistana. Ny mpamaham-bolongana iray ao amin’ny Metroblogging Lahore, no milaza fa mahonena ity fahafatesana tampoka ity na dia tsy manohana ny politikan’i Bhutto aza izy.

I personally have never supported Ms Benazir and her party (the PPP). But this, by all means, goes beyond the immediate politics of pretty much everything. It goes without saying that no one, and I mean no one — even for a moment — deserves to go this way, to die in such an unnatural manner and for such obnoxiously stupid reasons. Fate, as we already should know, is not without a sense of irony; Benazir has died (primarily) due to gunfire wounds while leaving a political gathering at Liaquat Gardens; Liaquat Gardens is not only named after, but is also the same place where the first Prime Minister of Pakistan, Khan Liaquat Ali Khan was murdered with a bullet.

Tsy mbola nifidy an’Itpkv Benazir sy ny antokony (PPP) mihitsy aho. Fa izao kosa, na inona mety ho dikany na inona[…] efa mandeha ho azy na dia tsy lazaina aza fa tsy misy, ary rehefa miteny aho hoe tsy misy – dia na dia ny amin’izao fotoana izao aza – vonoina amin’ny fomba hafahafa sy amin’ny antony tena manaporofo fanondranondranana. Anjara, araka izay tokony ho fantatsika, dia tsy tafala amin’ny zava-mahavariana (mahatsikaiky no dika akaiky indrindra saingy hitsikanikany eo anoloana fahafatesana ve?) indray; Maty noho ny ratra nahazo azy tamin’ny tifitra i Benazir teo ampialana indrindra ny zaridainan’i Liaquat; tsy hoe anarana nomena taty aoriana ihany ny anarana hoe zaridainan’i Liaquat, fa io ihany koa ny toerana izay namonoana ny praiminisitra pakistaney voalohany Khan Liaquat Ali Khan tamin’ny bala.

Kamla Bhatt

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.