Brezila : Haja hoan'ireo Boliviana mpila-ravinahitra

Ny mpiblaogy Sakamoto dia manararotra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan'ny mpifindra-monina any São Paulo, any Brezila mba hamoaboasana mikasika ny toe-draharaha iainan'ireo Amerikana Tatsimo mpila-ravinahitra any Brezila, izay Boliviana ny ankamaroany ary miasa amin'ny endrika tsy fampiseho masoandro satria toy ny andevo mihitsy aza ny sasantsasany:

« When will this country treat “its” Bolivians with dignity ? »

« Rahoviana ity firenena ity vao hitondra ireo Boliviana “ato aminy” amin-panajana ? »

Ny andro iraisam-pirenena hoan'ny mpifindra-monina dia ankalazaina androany omaly 18 Desambra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.