Marôka : Krismasy any Maghreba

Ny dia ny fivavahana Silamo aza no fivavahan'ny ankamaroan'ny mponina any Marôka ary na dia mbola herinandro faharoan'ny Desambra [Advento] aza isika dia manimanitra Noely sahady any an-toerana – fara-faharatsiny eo anivon'ireo mpiblaogy vahiny monina any Marôka.

Ny blaogy Connie in Morocco, izay mpiasa an-tsitrapo “Peace Corps” dia miroaroa hevitra momba ny fotoan'ny Noely – amin'ny lafiny iray izy dia manina ny fankalazana any “an-tanàna”, anefa ny lafiny seraseram-barotra mihoam-papana mipetraka anivon'ny fankalazana Krismasy Amerikana dia tsy ahoany velively :

Being here has not changed the way I feel about the American Christmas season; I was beginning to get quite fed up with the commercialism and more reluctant to be sucked up in it. Being here has certainly made me even more aware of the reason for the season, as has become the cliche. I so miss family and friends, and music and all that, and the exchanging of a few thoughtful gifts, but I must admit it is a bit of a relief not to have all the advertising etc. “in my face.” That being said, it will be great, though, to be back home next year for the Christmas season.

« Tsy nampiova izay fomba fijeriko ny fankalazan'ny Amerikana ny Krismasy ny fonenako aty; efa nanomboka nahaleo ahy raha ny lafiny seraseram-barotra mihoam-papana ary efa nanomboka nandà ny “hanara-drenirano” aho. Angamba ny fipetrahana aty aza dia vao mainka nanamafy tamiko fa ny antom-pisian'io fankalazana io, dia efa nanjary “poakaty ” [cliché]. Marina fa manina ny fianakaviana sy ireo namana aho, manina koa ny mozika sy ny forongony, ny fifanakalozana ireo fanomezana vitsy izay notsongaina, anefa dia sahiko koa ny milaza fa somary azoko ihany ny aiko tsy voatery misedra “mitohoka eo amin'ny tava” ireo dokambarotra [advertising | publicité] sns … Na dia izany aza dia heveriko fa hakotrokotroka ny fankalazana ny Noely amin'ny taona ho avy, rehefa tafaverina any an-tanàna aho. »

I Nicole izay miblaogy ao amin'ny Moving to Morocco dia mizara sary mikasika ny Krismasy voalohany any Marôka, miaraka amin'ny hazo Noely sady manamarika ny fahagagany mikasika ny vidiny :

Moroccan Christmas tree

had wrote before that the store here was putting up X-mas decorations while we were there and Zouhair kept going back everyday to see if they had trees yet. Like 2 or 3 days later he came home from work and said they had them and we should go get one. We got to the store and I was really surprised at the amount of decorations and trees they had! We got the biggest tree (6′) and it was $12. I was thinking they would be expensive because there probably isnt a huge demand for it, but I was wrong, they were cheap!

« nosoratako teo aloha fa tamin'izahay tany dia nanomboka nametraka haingo Krismasy ilay trano fivarotana ka dia nahavatra niverina tany isan'andro i Zouhair mba hijery raha nahatonga hazo Noely ry zareo. Angamba roa na telo andro taty aoriana dia tonga taty am-piasana izy nampilaza fa nahatonga ka tokony handalo izahay haka iray. Nony tonga tany am-pivarotana izahay dia akory ny hagagako nahita ny habetsahan'ireo haingo-Noely sy ireo hazo Noely nananan-dry zareo ! Ilay hazo avo indrindra no nalainay (6′ ~1,80 m) ary $12 no vidiny. Raha nihevitra aho teo aloha fa ho lafo ny vidiny nohon'ny tsy fisian'ny mpividy, hay diso aho, mirary dia mirary tokoa ny vidiny ! »

I Heather ao amin'ny blaogy Moroccan Meanderings dia manamarika ny tsy fisian'ny “fanahin'ny fankalazana Krismasy” eo amin'ny manodidina azy :

It is hard to believe it is almost Christmas. So few signs of it here, no Christmas trees in public, no decorated shops and decorations only available in the big supermarket here…

« Ohatry ny tsy mampino hoe efa manakaiky ny Noely. Zara raha misy porofo manambara izany aty, hazo Noely tsy misy ankalamanjana, fivarotana tsy misy mihaingo [Noely] ary tsy afaka mividy haingo Krismasy raha tsy any amin'ireo trano fivarotana vaventy … »

Satria aho efa nankalaza Krismasy iray taty Marôka dia sahiko ny manambara anareo tena samihafa mihitsy ny fihetseham-po rehefa lavitra ny kolotsaina izay nitaizana sy nahabe nahazatra ahy. Na dia izany aza, olon-tsotra tsy mba sarotiny ny Marôkana ka na dia tsy misy fialan-tsasatra aza, dia feno hazo Noely manodidina ! Mahazòa fialan-tsasatra feno daholo !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.