Kadhafi sy Mogabe : Demokrasia sy Zon'olombelona

Ny blaogy Página Um dia manome dikantsoratra mamoavoafy ny fivoatry ny fijerin'ny ankamaroan'ny fampahalalam-baovao an'i Kadhafi sy i Mogabe araky ny fandroson'ny fotoana :

« Kadafi é agora igualmente democrático ou não democrático e os direitos humanos no seu país respeitam­‑se ou violam­‑se do mesmo modo que em 1969 quando chegou ao poder; simplesmente, já não apoia movimentos revolucionários árabes e demonstrou o seu servilismo aos Estados Unidos e ao ocidente.
No entanto, Mugabe, com a mesma democracia e direitos humanos que não incomodou antes a comunidade internacional, em 1998 impulsionou uma reforma agrária para corrigir o facto de uma minoria branca açambarcar a maioria das terras cultiváveis do país. […]
Kadafi e Mugabe, e a forma como são apresentados hoje nos meios de comunicação, representam um claro exemplo do que a nossa imprensa e os nossos governantes entendem por democracia e direitos humanos: submissão e dinheiro.»

« Ankehitriny, ny demokrasian'i Kadhafi dia tsy latsaka na mihoatr'izay nataony hatramin'izy niakatra teo amin'ny fitondrana tamin'ny taona 1969; ny hany zavatra niova dia ny nampitsaharany ny fanohanana ireo tolom-panafahana Arabo sy ny “fanekeny ny fanapahan'ny” Amerikana sy ireo firenena tandrefana. I Mogabe indray, tsy misy fiovana ny demokrasia sy ny “fanajany” ny zon'olombelona hatrizay [1980], saingy taloha raha tsy nanelingelina ny vondrom-pirenena iraisam-pirenena izany, nanomboka tamin'ny taona 1998 sy ny fampivoarana ny fitsinjaran-tany [izay nataony] mba hanarenana ny fanjakazakan'ny fotsy vitsy an'isa amin'ny ankamaroan'ny tany mahavokatra. Zary nivadika ho mpitondra jadona sy mpanitsakitsaka ny zon'olombelona teo imason'ireo firenena tandrefana izy ankehitriny, ary dia niantomboka hatreo koa ny fanapahana ny seraseram-barotra avy amin'ny Amerika sy ny vondrona Eorôpeana. […]
Ny fomba fijerin'ny fampahalalam-baovao an'i Kadhafi sy Mogabe ankehitriny, dia ohatra manambara amintsika mazava izay fomba fitsaran'ny mpanao gazetintsika sy ireo mpitondra antsika ny demokrasia sy ny zon'olombelona  : “fanekena ny fanapahana [firenena tandrefana]” sy vola [seraseram-barotra]. »

Paula Góes

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.