Kyrgyzstana : Hetsika tselatra kasain'ireo mpiblaogy ho fahatsiarovana ilay mpanao gazety nisy namono

Ny mpiblaogy Tolkun Umaraliev dia mampahatsiahy fa ho feno 40 andro amin'ny Talata 4 Desambra 2007 ho avy izao ny nahafatesan'i Alisher Saipov, sangany amin'ny mpanao gazety, izay nisy nitifitra nahafaty tamin'ny 24 Oktobra 2007, tany amin'ny tanàna any amin'ny faritra Atsimon'ny Kyrgyzstana, nohon'ny fanaovany ny asa maha-mpanao gazety azy tany Ozbekistàna. Mpiblaogy Kyrgyza sy Ozbekà no indray hiara-manatanteraka hetsika tselatra ho fahatsiarovana izany famonoana izany any Bishkek, Kyrgyzstana :

« According to Uzbek traditions, 40 days after the death of a person, relatives and close people of the departed get together and commemorate him/her praying the God. Bloggers of Kyrgyzstan and Uzbekistan also want to commemorate the murdered journalist and organize a flash mob in Bishkek, Kyrgyzstan, in front of the White House. »

« Araka ny fomba fisaonana nentim-paharazana Ozbekà, dia miara-mivory ho fahatsiarovana ilay olona maty sy mivavaka amin'Andriamanitra, ireo havana aman-tsakaizany rehefa feno 40 andro aorian'ny nahafatesany. Ireo mpiblaogy Kirgyza sy Ozbekà dia manam-paniriana koa ny hamelombelona ny fahatsiarovana ity mpanao gazety novonoin'ny sasany ity ka dia hanatanteraka hestika tselatra hoa amin'izany ry zareo any Bishkek, any Kirgyzstana, eo anoloan'ny Trano Fotsy. »

[Ity dia mbola tohin’ilay lahantsoratra efa notaterina teto ihany : Fanampim-baovao mikasika ny famonoana an’i Alisher Saipov]

Adil Nurmakov

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.