Brezila : Herisetra atao ny vehivavy

Ny mpiblaogy Marcelo Tas any Brezila dia mampitaha raharaha roa mikasika herisetra izay nosedraina vehivavy monina amin'ny faritra roa samihafa sady mifanalavitra eto an-tany. Tany Abaetetuba, any Brezila, nisy tovovavy iray voasazy ka nampiraisina efitrano figadrana tamina 20 lahy. Ny voka-dratsin'izany [fanapahan-kevitra izany] dia ny fanolanan'ireo mpiray efitrano azy im-betsaka nifanesy. Tany Arabia Saodìta indray, nisy tovovavy hita tao anaty fiara niaraka tamina lehilahy ary dia naolan'ireo lehilahy 7 nahasarona azy izy :

« Quem está mais próximo da Idade Média: Brasil ou Arábia Saudita? »

« Iza ary no akaiky kokoa ny [fiainan'ny] olon-dià (Moyen âge | Middle Ages) : i Brezila sa i Arabia Saodìta ? »

[FANAMARIHANA : raràn'ny lalàna Saodiana ny fifampiraharahana amin'ny lahy sy ny vavy tsy misy rohim-pihavanana: “Naolana dia avy eo voaheloka indray”]

Paula Góes

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.