Bahrain manary ny mahaizy azy

Maromaro ny hevitra nibosaka tamin’ity herinandro ity teto Bahrain avy tamin’ny fandalovan’Atoa Mahmoud Ahmadinejad, ny olana amin’ny fananana namana vehivavy, ny olana rehefa sarangotin’ny hovadiana sy ny fianakaviany, ary ny ahiahy fa tsy hitoetra ho Bahrainita intsony i Bahrain afaka fotoana fohy …

Manama amin’ny alina
2002639704289998812_rs1.jpg
Atombotsika amin’ny sary avy amin’ny tarika mpamoaka sary flickr vaovao antsoina hoe Top 20 Bahrain aloha ny resaka:

Lalao sy fialamboly

Nitsidika an’i Bahrain vao haingana ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad tamin’ity herinandro ity, ary samy nanana ny heviny momba izany fitsidihana izany sy ilay olona ihany koa ny mpamaham-bolongana. Heverin’i Ammar fa olona mahatsikaiky mahafinaritra ny filoha Ahmadinejad:

Our very own favourite party-starter, Ahmadinejad, visited Bahrain yesterday. If you noticed helicopters around, road blocks, or riot police stationed around various areas of Manama yesterday, now you know why.

Anyhow, the Iranian president met with our own King Hamad, and discussed strengthening economic ties between our countries, the current crisis in the Gulf, and kicking out the US from the region.

Now it's this last point I want to focus on; i've always considered Ahmadi as the fun-loving type; he's been known for taunting the US, pushing them to the brink of war, and then backing up and saying all he wants is peace with that huge smile he's well famous for. He's done this numerous times, and it's something a little like watching a comedy show.

Nitsidika an’i Bahrein omaly ny mpiara-miombon’antoka manokana amintsika ny filoha Ahmadinejad. Raha tsikaritrao ny fahamaroan’ny angidimby nihaodihaody, ny lalana notapahina, ny fahavorian’ny polisy nanodidina an’i Manama omaly dia ho azonao ny antony.Etsy ankilan’izany, efa nihaona tamin’ny Mpanjaka Hamad ny filoha Iraniana ary niresaka ny fanamafisana ny fifandraisana ara-toe-karena mampifamatotra ny firenentsika, ny krizy ao amin’ny Oala ary ny fandroahana ny Amerikana hiala ny faritra.

Io teboka nolazaina farany io no ifantohantsika; nataoko ho olona maha-te-ho tia mahatsikaiky hatrany i Ahmadi; efa fantatra ny fankahalany Amerikana, ny fanosehana azy ireo (US) hivarina amin’ny ady, ary manizingizina anaty tsiky manaka-tsofina mampalaza azy avy eo fa fandriampahalemana no tena tadiaviny. Efa famerimberiny mandrakariva moa izany fihetsika izany, moa va tsy tahaka ireny hoe mijery teatira ireny isika.

Mahmood indray moa mijery ny filoha tahaka ny dadabe Noely:

There must have been quite a run on dental surgeries over the last couple of days which continues today and possibly for a few days to come. The reason is not a sudden national oral hygiene awareness, but a condition borne of gnashed teeth to the point of shattering!
Why I hear you ask? Well, Ahmedinejad was Bahrain’s Santa yesterday. Yes, I know, his timing has always been off a bit, it’s still a few weeks until the presents are opened, but he came bearing very welcome gifts nonetheless, ones that the whole nation – especially the government and business community – has afforded them a huge sigh of relief. Bahrain, no thanks to our familial-tied Qatar, will now have guaranteed access to up to 2 billion cubic feet of gas a day to run its power stations which subsequently will directly shore the burgeoning plethora of energy-hungry projects; hence, one could say that Iran – much to the chagrin of even some parliamentarians and rabid anti-Iran personages – will have a direct hand in Bahrain’s future growth.

Efa ho betsaka angamba izany nandritra ny roa andro, mitohy androany ary mety ho mandritra ny fotoana vitsivitsy aza ny hamonjy mpitsabo nify. Tsy noho ny fanentanam-pirenena hanaja ny fahadiovana no anton’izany fa noho ny fihidiana vazana manoloana ny zavatra mety hanohina anaty tanteraka!
Nahoana aho no mandre anao manontany? Satria manko i Ahmedinejad no dadabe Noelin’i Bahrain omaly. Eny, mety ho diso fotoana kely angamba izy, fa mbola miandry herinandro vitsy ny fotoana fifanolorana sy fanokafana fanomezana, saingy dia avy nanolotra mari-pahatsirovana fanohanana lehibe ho an’ny firenena manontolo – indrindra ny governemanta sy ny tontolon’ny fandraharahana – aloha izy. Efa azo antoka manko (veloma ry Qatar mpiara-miombon’antoka mahazatra) fa hahazo entona fandrehitra 2 000 000 000 metatra toratelo isan’andro i Bahrain ary hivantana any amin’ireo toby izay mamatsy ireo tetikasa mpandany angovo maro dia maro mipoitra etsy sy eroa izany ; na dia mety hisy aza – ny parlemantera sasany ity sy ireo olona mpankahala tanteraka an’i Iran – halahelo dia hita fa hanampy mivantana ny fampitomboan-karenan’i Bahrain ny firenena Iraniana eto.

Maroon Al Ras moa mbola manana fanadihadiana mikasika io fitsidihana io eto (amin’ny teny Arabo).

Mihoatra ny vala

Tsy i Bahrain ihany no misy tahaka ity; nahazo namana maro vaovao i omranx:

i just joined uob [University of Bahrain] and it was kinda cool,
i wasnt use to study with girls in my class lol, at first it was kinda hard but later i got use to ( little )
will anyway after about 2months i guess, i made a friend female friend lol.
at first of the relationship it was hard lol talking to a girl, i never did that before, the relationship was based on friends no more, after 3weeks i guess, we started talking, somtimes calling, u know sh5bar [how are you] bla bla.
there was a guy i know, he was telling me what ur doing is wrong, at first i belived him but later on i thought why its wrong. am not doing anything wrong, first i think i never hard a relationship like this before, i have to get use to cuz later on i will need to make relationships like this so i can live easily lol.

tell me what u think about this.
is it right or wrong?

Vao tafiditra tao amin’ny uob [University of Bahrain] aho ary mahafinaritra ihany ilay izy, tsy mbola niaranianatra tamina sipa izany aho lol, tamin’ny voalohany aloha aho sahirana ihany fa efa zajatra (kokoa) izao ary roa volana taty aoriana dia nahazo namana vehivavy lol.
Sarotra ny miresaka amina sipa amin’ny fifandraisana voalohany, tsy mbola nanao izany mihitsy aho teo aloha, mifototra amin’ny filanamana fotsiny ny fifandraisana fa tsy mihoatra izay, nifampiresaka izahay telo herinandro taorian’ny fifankahitana voalohany raha tsy diso aho, nifampiatso indraindray, fantatrao izany ry sh5bar [manao ahoana ianao] bla bla.
Nisy tovolahy fantatro izay niteny tamiko fa tsy mety ny ataonay, nanaiky ny teniny aho tamin’ny voalohany fa nieritreritra aho taoriana hoe fa nahoana moa no tsy mety? Tsy misy fahadisoana heveriko ho nataoko. Voalohany dia tsy mbola nanana fifandraisana toy izao mihitsy aho teo aloha, efa nieritreritra ihany aho hoe inona moa no ilaiko hanorenana fifandraisana tahaka izao ary dia tontosako moramora ihany ilay izy lol.
Lazao ahy ary izay eritreritrao momba io.
Mety sa tsy mety?

Lalana aiza no aleha?

Nanazava ny tsy namahanany bolongana i Tito84 ary nilaza ny olana teo aminy:

Apart from being too busy with work, I have proposed on 2nd of Nov. to get engaged, and thanks to Allah my betrothal was accepted. I was really feeling shy that day and was looking down at my knees all the time. Even when I was offered food, I ate in an irritating slow pattern. The most important thing that everything is all right and I got to relate to the girl of my dreams.
Now here is the surprising part. From the moment I proposed to her, I thought everything ( I mean the party and ملجة preparations) would run as smooth as silk. I thought that you only have to decide where to make the women party and how much would you pay the bride as a marriage portion (مهر).
This wasn’t really the actual scenario. Regardless of the financial expense, I’ve found that many minor details should be taken care of. First you have to go shopping with the bride and her family for dresses, accessories, make-up stuff. Then you have to decide how to decorate the stage where the bride and groom will sit. Also, there are these little boxes where you provide the guest with chocolate. There is also the شبكة Shabka and wedding card decoration.
What makes all this stuff painful and exhausting is that my family are asking me to prepare for it in a certain way. For example, make the invitation cards with this certain decoration, do this , do that etc. While on the other hand, the soon-to-be my wife is asking me to do it in another way. This leaves me stuck in the middle between two radical extremes!

Ankoatra ny fahasahiranana eo amin’ny asa, dia nangata-bady aho tamin’ny 2 novambra, isaorana Allah fa nanaiky ny fangatahako (betrothal). Nahatsiaro menatra tokoa aho tamin’io fotoana io ary dia niondrika nijery ny lohaliko mandrakariva. Eny fa na dia tamin’ny nanolorana sakafo ahy aza dia tena niadana dia niadana nahakamo izay ny fihinanako azy. Ny tena zava-dehibe aloha dia tontosa soa amantsara ny zavatra rehetra ary efa afa-mifandray amin’ny zazavavy nofinofisako aho.
Ity indray ny lafiny nanampoka ihany. Tamin’ny fotoana nangatahako azy dia efa noeritreretiko fa hizotra moramora avokoa ny zavatra rehetra ( izany hoe ny fanasana sy ny fankalazana ny ملجة ). Noheveriko fa mitady ny toerana ametrahana ny vehivavy sy ny vola “vidin’ny vady” (مهر) vady hahazoana azy fotsiny dia vita ny raharaha.
Saingy tsy izay no tena fanehan-javatra. Raha tsy resahina intsony ny vola lany, dia hitako fa maro ny antsipirihan-javatra mila tandremana ihany koa. Voalohany aloha dia miara-miantsena amin’ny hovadiana sy ny fianakaviany ianao hividy ny akanjony, ny zavatra miaraka aminy amin’ny fampakaram-bady, ary ny kojakojam-pikarakarana (tarehy). Avy eo dia mbola heverina ihany koa ny handravahana ny toerana hipetrahan’ny mpampakatra sy ny ampakarina. Dia mbola misy boaty kely maromaro ihany koa hatolotra ny olona asaina miaraka amin’ny Sokolà. Ankoatra izay ihany koa ny شبكة Shabka sy ny endrika amam-bikan’ny taratasy fanasana.
Ny tena mandreraka sy mahakivy dia ny toro-hevitry ny fianakaviana misy ahy hanatontosana azy araka ny fijeriny. Ohatra, ity sary ity no andravaho ny taratasy fanasana, ataovy itsy, ataovy izatsy. Etsy ankilan’izany ihany koa ireo avy amin’ny andaniny misy ny hovadiana miangavy hanaovana azy amin’ny fomba hafa noho ny teo. Tena nandany fotoana be dia be ho ahy ny nitady ny marimaritra iraisana tamin’ny safidy roa tena nifandaka tanteraka!

Ny Mpamaham-bolongan’i Bahrain

Manatsinjara ny tontolom-bolongana Bahrainita i Layal taorian’ny namakiany sombin-dahatsoratra nitarafan’ny mpanao gazety iray ny amin’ny fizarazarana eo amin’ny mpamaham-bolongana:

وقسمه لثالث اقسام
محمود اليوسف ومجموعته والتي اعتبرها انا شلة هوامير التدوين
يليها القسم الثاني من المدونات وهم الصحفيين
وتليها الفئه الكادحه المغلوبه وهي فئه الصعاليك
منذ ان دخلت التدوين وانا احاول تقسيم الوضع التدويني البحريني وقد قسمته لقسمين فئه علي بصيره من امرها وفئه تبحث عن هويه في التدوين

Nozarainy ho telo ny tari-bolongana:
Ny tariky Mahmood Al Yousif, izay mahazo ny laka amin’ny fahamanam-bolongana.
Manaraka azy ireo ny tarika faharoa dia ny mpanao gazety.
Ary aorian’izy ireo ny mpiasa mafy, ny sarangan’ireo voatsindry, ireo ‘mpitaky’.
Hatramin’ny nanombohako manko dia nozaraiko roa izy ireo: dia ireo izay efa manana ao anaty, sy ireo izay mbola mitady ny mahaizy azy amin’ny alalan’ny famahanam-bolongana.

Mihevitra i Rayyash fa tokony ho maro kokoa noho ny misy ankehitriny ny Mpamaham-bolongana Silamo ao Bahrain:

عندما أنشأت مدونتي هذه قبل عدة سنوات كان عدد المدونين في البحرين يعد على الاصابع وكانت متابعة ما يكتب في غاية السهولة واليسر!! إلا أن ما يميز تلك الفترة هو أن الغالبية العظمى من المدونين يمثلون الخط الليبرالي!! … الوضع لم يتغير كثيراً اليوم!! فقد إزدادت أعداد المونات بصورة لافته وأصبحت أحد أهم مصادر المعلومة والمعرفة في العالم أجمع وأفل نجم المنتديات الحوارية ولكن الطامة الكبرى أن 97% من المدونون في البحرين هم من اللبراليين والعلمانيين وغير المنتمين للخط الديني أو الاسلامي!! وهذا الامر يشكل حالة مستقبلية خطيرة يجب الانتباه لها والعمل على وضع خطة عمل من خلال الجمعيات والتجمعات الشبابية للانخراط في إنشاء المدونات التي تعكس واقع المجتمع البحريني

Raha niainga ity bolongana (blaogy) ity taona vitsivitsy lasa izay dia mbola azo nisaina tamin’ny rantsan-tanana ny bolongana teto Bahrain, ary araka tsara izay voasoratra rehetra! Ankoatra izay tena nampiavaka ireny fotoana ireny dia olona manana fisainana malalaka ny ankamaroan’ny mpamaham-bolongana. … Mbola tsy niova loatra anefa io toe-javatra io mandraka ankehitriny. Nitombo dia nitombo ny isan’ny bolongana ary izy no tena loharanom-pahalalana sy loharanom-baovao voalohany manerantany, saingy nihavasoka kosa famirapiratan’ny adihevitra, ny tena olana dia mitana ny foto-pisainana liberaly sy tsy mitodika amin’ny fivavahana (na miankina amin’ny fototra Islamika) ny 97%n’ny Bolongana misy eto Bahrain. Hiteraka olana io tranga io ary tokony handray andraikitra isika hanetsiketsika ny vondrona tanora sy ny fikambanana samihafa hanaganan’izy ireo bolongana maneho ny tena zavamisy any amin’ny tontolom-piaraha-monina Bahrainita.

Islam sy ny finoana hafa

Manontany tena i Hayat raha fivavahan’ny fandeferana tokoa ny fivavahana Silamo:

تعلمت منذ صغري بإن الإسلام دين للتسامح ، وذلك من خلال التلقين اليومي الذي اتلقاه منذ طفولتي في المدرسة او في البيت ، و لكن عندما كبرت اندفعت بشكل طبيعي نتيجة لحقيقة الواقع المتناقض لهذه الفكرة للبحث عن الحقيقة هل فعلا الإسلام دين للتسامح ؟
البعض سيجد مجرد التفكير أو البحث أو النقاش حول هذا الموضوع بإنه اعتداء على الإسلام و تشكيك بالإسلام و قد يصل بالبعض ان يكفرني او يزرع بداخلة الكراهية لي . قد يقول البعض بإن ردة الفعل هذة لا تعمم على جميع المسلمين و أنا اتفق معهم ،و لكن أرى بإن الغالبية هكذا فالتاريخ و الحاضر يشهد بإن للإسلام له مشوار حافل بالدماء بسبب عدم تقبل الآخر.

Hatramin’ny fahakeliko no efa nampianarana ahy isan’andro na any an-trano na any an-tsekoly fa fivavahan’ny fandeferana ny Islam. Saingy rehefa mihalehibe aho dia mivandravandra ny fifangarihan’ny hita andavanandro sy ny nampianarina fa tena finoan’ny fahazakana tokoa ny Islam.Mety heverin’ny sasany ho fitsikerana na fanoherana ny Islam ny fieritreretana, fikarohana na miady hevitra amin’izany ka hahatonga azy hanao hoe tsy mpino aho na mampitombo ny fankahalana tena ato anatiko. Mety hilaza ny hafa hoe tsy ny Miozolmana rehetra no manana io toetran’ny tsy fahazakana ny hafa io ary mitovy hevitra amin’izy ireo aho. Na izany aza dia hitako fa ny maro an’isa kokoa no mandeha amin’io lala-malama io ary ny tantaran’ny lasa sy ny zavamisy ankehitriny no maneho fa nampandriaka ra ny Islam satria tsy nanaiky ny hafa.

Manama amin’ny atoandro
2002641074093046575_rs1.jpg
Faranantsika amin’ny sary tao amin’ny Mohammed AlMaskati hampieritreritra:

This picture was not taken somewhere in the streets of Mumbai or Hyderabad, nor is this a protest rally in support of Benazir Bhutto against the controversial emergency rule imposed by General Musharraf, sadly those are the streets of Manama, evident only by the Masha’allah sticker seen on the minivan at the bottom right corner.
What’s strange is that there is not a single Bahraini in sight, and what’s even stranger is that each and every single one of those cheap laborers has a job that doesn’t only suffices his expenses, but casually does extend to sending a proportionately large portion of their monthly income to their families back home.
Don’t get me wrong, I am in no way against those people or the nations flooding our markets with cheap labor and have nothing but absolute respect for those hard workers who chose to leave their country, family and friends behind in search for the green buck, let’s not go deep into the economics here and talk about their true effect on our labor market, how about we talk something we can understand and relate to.. The Culture -or what’s left of it at least…

Tsy nalaina avy tany Mumbai na Hyderabad ity sary ity, tsy sary nalaina tamin’ny fitokonan’ny mpanohana an’i Benazir Bhutto izay manohitra ny lalànan’ny tany mihotakotaka najoron’ny Jeneraly Musharraf, mampahonena fa sary eny an-dalam-ben’ny Manama io, ary ny marika Masha’allah hita eo ambonin’ny fiaram-pitateran’entana kely eo ambany ankavanana ihany no amantarana izay misy ny toerana.
Ny mahahafa azy dia tsy endrika maningana eto Bahrain io, ary mbola mahahafahafa azy ihany koa dia tsy hoe manana ny asa ahafahany mivelona tsara ny mpiasa tsirairay karamaina mora hita amin’ny sary, fa mbola afaka mitondra ny ampahany be amin’ny karamany rehefa mody any aminy.
Aza diso fandray ahy, tsy manohitra ireo olona ireo aho na manohitra ny fahabetsahan’ny mpiasa vahiny karamaina mora eny an-tsena, fa manaja tanteraka ireo mpiasa nahavita nandao ny firenena nihaviany, ny fianakaviany sy ny namany mba hila ravinahitra an-tany lavitra, tsy hiditra lalina amin'ny fiantraikany amin'ny toe-karena sy eo amin'ny tontolon'ny asa aho fa izay tiako asiana fanamarihana kely fotsiny dia ny fiantraikany eo amin’ny kolontsaina na ny sisa tavela aminy …

Maro ny zavatra azo nolazaina avy any Bahrain tao anatin’ny herinandro.
Ayesha Saldanha

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.