Afrikana mivaro-tena sy ny varotra olona any Eorôpa

Ny blaogy la plume plus dia mitatitra fijoroana vavolombelona mpivaro-tena Afrikana sy tantara mampihoro-koditra mikasika ny varotra olona any Eorôpa :

« C’est à partir de 12 ans que ma vie devient compliquée. Tout le monde me trouve belle et intelligente et c’est un défilé permanent chez mes parents pour des réserves en mariage (on demande d’avance la main de la jeune fille, ndlr). C’est un honneur d’avoir une fille aussi sollicitée. Je suis trop jeune encore et mon père veut que je fasse les études, donc il dit non à tous.
C’est vers 14 ans que la soeur de ma mère qui vit en Hollande et qui semble y avoir réussi, demande à ma mère de me laisser avec elle. Non seulement, je vais faire de belles études, mais aussi, elle se chargera de me trouver un mari riche car elle en a trouvé plusieurs pour les filles des autres. Si seulement j’avais su ce qui m’attendait chez les Blancs, je serai restée bien au chaud chez mes parents. »

« Nanomboka tamin'ny faha-12 taonako vao nihasarotra ny fiainako. Sady bikana hono aho no marani-tsaina ka ilaharan'ireo olona mamandrika fangataha-bady mihitsy tao amin'ny tokantranon-dRay aman-dReniko. Voninahitra hoan'ny Ray aman-dReny rahateo ny fanànana zanaka be mpitsiriritra toa izany. Ary satria aho mbola zatovo sady mba fanirian'ny Raiko ny hanohizako fianarana, dia nolaviny avokoa izay nandalo teo.
Rehefa feno 14 taona aho dia nangatahin'ny rahavavin- dReniko, izay toa mba nahomby tamin'ny filàna ravin'ahitra, honina any aminy tany Hollandy. Izany hoe tsy vitan'izay handrato fianarana ambony aho izany fa mbola hitadiavany koa vady manan-karena, satria toa efa maro ireo tovovavy hafa izay nahitany vady. Raha mba azoko sary an-tsainy kely fotsiny mantsy izay zava-doza niandry ahy tany amin'ny tanin'ireo Fotsy hoditra, dia ho naleoko lavitra nipitsaka tany an-tranon-dRay aman-dReniko. »

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.