Madagasikara : Diaspora sy ny Fampandrosoana

Navitrika dia navitrika ny tontolombolongana Malagasy (blaogasyfera) nijery ny anjara toeran’ny any ampielezana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Lohahevitra efa mahazatra ny tontolombolongana Malagasy sy  eo amin’ny tahirin-kevitra fampandrosoana afrikana moa izy io amin’ny ankapobeny.

Hoy Sipakv(Fr) :

“Deja a l’epoque, le role de la diaspora se discutait ferme, et le contenu ne differait guere de ce qui se dit en ce moment, meme si les participants ont change. Il y a toujours les enthousiastes, les cyniques, les indifferents, les Malagasy restes au pays qui refusent carrement a la diaspora tout apport au developpement, au vu de leur absence au pays et de leur ignorance supposee quant aux conditions et aux besoins locaux. Et il y a aussi, ceux qui reprochent a la diaspora, a tort ou a raison, une approche arrogante.”

Efa ela no niadian-kevitra ny anjara asan’ny any ampielezana, tsy niova noho izay efa noresahina taloha ny votoatin-dresaka ankehitriny na dia efa hafa indray aza ireo mpiady hevitra. Misy hatrany ireo tena mazoto hampandroso, ny manakivy, ny tsy miraharaha, misy Malagasy eto an-tanindrazana no manohitra ankitsirano ny fandraisana anjara birikin’ny Malagasy ampielezana amin’ny fampandrosoana, noho ny tsy nahateto an-tanindrazana azy ireo sy ny fiheverana fa tsy mahalala ny zavamisy sy izay ilain’ny eo an-toerana izy ireo. Ary misy ihany koa ireo manakiana, ara-drariny na tsia, ny avy any ampielezana ho te-hisehoseho (hirehareha) fotsiny.

1595362200_fcb41f0fc61.jpg 

Maro ny mpibilaogy (mpamahambolongana) no nifampihaona fa efa tonga ity ny fotoana hampivelarana amin’izay ny sehatry ny haitaon’ny fampahalalam-baovao sy ny serasera ( Technologie de l’information et de la Communication TIC) eto Madagasikara. Ny fikambanana 

Foko-madagascar ohatra izay tsy mitady tombombarotra dia nanangana vondrona mivory isam-bolana mba hampiroboroboana ny famoaham-baovaon’olom-pirenena eto Madagasikara ary mamporisika ny tsirairay hizara ny tantarany eto amin’ny siniben-tserasera (tranonkala na web).
Ny fikambanana maro tahaka ny ao amin’ny
namana serasera moa dia efa ela no nanana ny lazany tamin’ny alalan’ny fanampiana sy fampivoarana ny TIC any an-tsekoly ankoatra ny asa sosialy hafa. Nahazo fanohanana lehibe avy amin’ny bilaogera  Malagasy avy eto an-toerana sy avy any andafin’ny riaka aza ny asan’izy ireo.
Ny fiaraha-miasa 
eo amin’ny Malagasy avy amin’ny kaontinanta samihafa tahaka izany no nampiroborobo ny Global Voices in Malagasy izay nahavoaka bolongandahatsoratra 178 tao anatin’ny 2 volana sy tapany ary manana mpamaky be dia be na dia esoesoina ho fiteny vitsy mpampiasa indrindra manerantany aza (ny teny malagasy).
Ary efa nitranga ary ny fanontaniana hoe efa manao zavatra araka ny tokony ho izy amin’ny tanindrazany ve ny Malagasy any am-pielezana ?
Noraisin’i
Vaomiera ny anjara toeran’ny diaspora (Malagasy any ampielezana) (Fr):

“je pense que la diaspora a beaucoup plus de role à jouer en apportant sa competence (dans differents domaines) au sein d’entreprises existantes, en soutenant les nouvelles entreprises, en recherchant des financements, en financant des projets de developpement, […]
La force et la raison d’existence d’une diaspora sont resumées ainsi: “regard” tourné vers le pays”

Mino aho fa manana anjara be dia be amin’ny fitondrana ny fahaizany (amin’ny sehatra isan-karazany) any amin’ireny orinasa efa mitsangana ireny, na amin’ny fanohanana ireo orinasa vaovao, amin’ny fitadiavana lalam-bola, amin’ny fanomezam-bola ireo tetikasam-pampandrosoana ny avy any ampielezana. Azo fehezina toy izao amin’izay fotoana izay ny herin’ny diaspora sy ny antom-pisiany : « fijery » mitodika any an-tanindrazana.

Thenonrequired kosa nampahatsiahy tamin’ny alalan’ny tantarany ny olana (esoeso ?) mahazo ny avy any ampielezana matetika rehefa hiverina an-tanindrazana izy sy handray anjara amin’ny fampandrosoana (Fr):

“Première tentative pour rentrer à Schgeumland. Envoi de CVs. Réaction d’un des DG des entreprises ciblées: “Mais qu’est-ce-qu’il a à rentrer à Madagascar? Il n’y a pas de job ici pour ses compétences. Il ferait mieux de rester où il est…”.Deuxième tentative (4 ans plus tard) pour rentrer à Schgeumland. Envoi d’un CV. Réaction du recruiteur: “Mais il est surdiplômé ! Il est sur-qualifié ! Qu’est-ce-qu’il veut? Il n’y a pas de job pour lui ici.”

Fikasana voalohany hiverina antanindrazana. Fandefasana CV. Fanontaniana Tale Jeneralina orinasa iray nokendrena hiasana « Fa inona koa no itadiavany hody eto Madagasikara e ? Tsy misy asa antonona ny fahaizany eto. Tsy aleony ve mijanona any amin’izay misy azy any ? Fikasana hiverina antanindrazana fanindroany indray efa-taona taty aoriana. Fandefasana CV. Ahoana indray hoy ny mpikarakara fandraisana mpiasa vaovao ? « Mahay loatra ity olona ity. Fa inona no tadiaviny e ? Tsy misy asa ho azy aty… »

Manontany tena Rajiosy hoe nahoana no tsapany ho mavesatra amin’ireo Afrikana any ampielezana ny mamaly babena raha tsy tahaka izany kosa ny hafa (Fr):

“Il semblerait que l’obligation de “développer” son pays d’origine ne soit imposée qu’aux ressortissants d’Afrique […]J’aurai tendance à croire que tout malgache ayant fait le choix de vivre ailleurs, travaille en premier lieu à la richesse de son lieu de résidence/pays d’adoption. […]De là à dire qu’il contribue également à la richesse globale des malgaches (du monde entier) par lui-même, par ses enfants, par sa communauté bref par son histoire. C’est le pas que je franchis allègrement…”

“Tahaka ny hoe ny teratany Afrikana irery no voatery « hampandroso » ny firenena nihaviany. […] Izaho kosa mino fa ny Malagasy rehetra nisafidy ny hiaina ampitan’ny fireneny dia miasa hampiroborobo ny toekaren’ny toerana na firenena nitodiany aloha. […] Avy eo no itenenana fa mampiroborobo ny harena ankapoben’ny Malagasy (manerantany) izy amin’ny alalan’ny tenany, na amin’ny alalan’ny zanany, amin’ny alalan’ny fokonolony ary amin’ny alalan’ny tantarany. Izay no dingana diaviko amimpifaliana…

Tarataratra fa, na amin’ny alalan’ny resadresaka ifanaovana izany na amin’ny fandraisana an-tanana mivantana mihitsy, dia betsaka ny te-handray anjara amin’ny fampandrosoana ny tanindrazana na farafaharatsiny efa mba misy ny fikasana te-hizara izay efa azo [manao vali-babena], mameno ny tontolom-bolongana (blaogy).

Ny handrindrana izay fikasana tsara izay no lohahevitra niarahana nidinika tamin’ny mpamorona ny Ubuntu Institute nandritra ny fivoriana iray izay natrehina. Mba hamporisihana ny mpibilaogy (mpamahambolongana) hazoto hiresaka antserasera amin’ny lohahevitra isankarazany dia misy vondrona mikarakara ny hamoaka fifaninanana “Best of Malagasy blogs Awards” na mari-pankasitrahana omena ny bolongana (blaogy) Malagasy tsara (sy mendrika) indrindra izay ho avy afaka herinandro vitsivitsy monja.

Lova Rakotomalala

7 hevitra

  • Rajiosy

    misaotra nampita ny dinidinika kely nifanaovana e
    mbola maro koa angamba ny lohahevitra azo hasongadina : ny fankahalan-tena amin’ny malagasy sasany, ny fomba hafa hiheverana ny fanampiana ets ets
    ny manetsbe mbola ho avy !

  • Ary misaotra ny mpanoratra indrindra indrindra nanao famintinana ny adihevitra malagasy manerantany. Mba ho hitan’ny hafa ihany koa fa samy manana ny heviny ny olona tsirairay amin’ny tontolombolongana malagasy.

  • rabenarivo guillaume olivier

    miarahaba sy mirary soa anareo rehetra tsy an-kanavaka!
    Maniry sy mitady fifandraisana aminareo “diaspora”malagasy eto canada ny tenako ,rabenarivo guillaume olivier ho fifanampiana @ fampandrosoana izay kasaiko atao;noho izany dia mitady fifanomezan-tanana mavitrika avy aminareo izay tsara sitra-po sy afaka mifampijery ne samy malagasy
    Dia misaotra mialoha
    samia hotahian’Andriamanitra
    GORA ilay zanaka tantsaha eto DAGO

  • herysedra

    Salama daholo,

    Fotokevitra vitsivitsy momba ny fampandrosoana ny firenena:
    – ny tsy fiankinan-doha, io no ahafahan’ny firenena mandroso @ alalan’ny herin’ny tenany. Tsy midika hoe tsy fiaraha-miasa na tsy fifandraisana anefa izany;
    – ny fiandrianam-pirenena, io no ahafahan’ny firenena maka fanapahan-kevitra sy mampihatra ny politikany tsy misy tery avy @ any ivelany;
    – ny famoronam-bola (initiative financière), io no ahafahan’ny firenena manetsika ireo harena misy ao aminy sy mamorona asa ao aminy.
    Momba io famoronam-bola io, jereo ny lahatsora-pikarohan’ny mpahay toekarena malagasy Eric T. Mandrara, mitondra ny lohateny “LES EXPÉRIENCES ÉCONOMIQUES SOCIALISTES ET DE LA TRANSITION DES ANALYSES INACHEVÉES”.

  • herysedra

    Mamerina ny arahaba.
    Ny fampaharana ny famaritana ny atao firenena sy fanjakana no tokony ataon’ny fitondrana, ary ny fanatanterahana izany dia tsara ifanohanany @ vahoaka mba hisian’ny rariny (légitimité) sy ny firaisan-kina @ fiantrehana ireo tsindry mety ho ataon’ireo firenena na mpanambola mitsipaka ny tombontsoan’ny firenana malagasy. Raha fantatry ny mpitondra fa miaraka aminy akaiky ny vahoaka @ fiarovana ny tombontsoa-pirenena dia ho maivana aminy ny mampihatra ireo fitsipika ireo. Miainga @ finiavan’ny vahoaka (ny resaka ifanaovana toy itony!) sy ny mpitondra izany ny fametrahana ireo toko telo ireo.

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.