Nizeria : Taranja vokarin'ny MIT hampiasain'ny Anjerimanontolo Nizeriana

Ny blaogy AfricanLoft dia manoratra mikasika ilay Anjerimanontolo Nizeriana izay mampiasa amin'ny alalan'ny Aterineto, taranja novokarina tany amin'ny Anjerimanontolo Amerikana fata-daza MIT [Massachusetts Institute of Technology] :

« The Osun State University, Osogbo [Nigeria], has launched a virtual library and OpenCourseware that will enable its students and faculty members to have access to the lecture videos, notes and audio lessons of lecturers at the prestigious Massachusetts Institute of Technology, United States of America. »

« Ny Anjerimanontolo Osun any Osogbo [Nizeria], dia namoaka hoan'ireo mpianatra sy ny mpampianatra ao aminy, tahirim-boky sy taranja eo amin'ny Aterineto ahafahany manaraka ireo taranja omena any amin'ny Anjerimanontolo fata-daza Amerikana “Massachussetts Institute of Technology” (MIT), amin'ny alalan'ny lesona an-tsarimihetsika, sy an-tsoratra ary am-peo. »

Ndesanjo Macha

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.