Shina: Sainam-pirenena nampiady

a11.jpg

Nampiseho tampoka ny sainan’ny Repoblikan’I Shina (tsy Repoblika Entim-bahoaka an’i Shina izany) i Liu You-chen, mpilalao E-spaoro Taywaney teo ampandraisana ny medaily varahin’ny Lalaon’ny Aterineto manerantany [World Cyber Games (WCG) 2007] notontosaina tany Seattle USA nandritra ny fotoam-panolorana medaily. Nampirongatra ireo mpilalao tahaka an’i Sha Junchun (aka PJ) sy Li Xiaofeng (antsoina ihany koa hoe SKY) sy ny mpampahalala vaovao avy any Shina izany fihetsika izany. Nilaza moa ny avy any Taiwan (United Daily News) fa nanompa sy nihazona ny vozon’akanjon’ny [na nanandrina] mpilalao avy any Taiwan ny roa tamin’ny mpilalao mandrapahatongan’ny polisy sy ny mpikarakara nanasaraka azy ireo haingana.
Nanazava ny nampitroatra azy tao amin’ny bolongana azy manokana ao amin’ny star sports tamin’ny lalao famaranan’ny WCG i Li Xiaofeng, iray amin’ny mpilalao malaza indrindra avy amin’ny Tanibe:

WE.SKY看WCG国旗门事件:事情的真相如此而已
ECP电竞中文门户 2007-10-12 10:28:00
关于之前在WCG赛场颁奖时的三两事看到论坛里有些人在议论的比较多。出来随便说下吧,当时的那种情况,确实很难让人接受。
做为一个中国人,在从小就接受教育的同时,在我心里也一直认为台湾的同胞就是和我们一起的。
当然后来慢慢的长大后也懂的了很多,和朋友之间也经常聊起这种事情,有亢奋的,有无奈的,总之都是中国人的现实,在我与朋友的内心里从未改变过。
当时在那里我们已经向WCG组委会提出了交涉,只是后来由于台湾那边的领队措辞过于激人,所以引发了冲突。
当然,我从不会因为这种事情而改变自己对台湾那边的朋友的看法,只是在有些时候,有些场合下,作为一个中国人,我们都会为之尽到国人的义务。
至于什么所谓的围剿什么什么的,媒体的说法,他们想怎么说就怎么说吧,人人都有一张嘴。
公道自在人心。
总之此事,中国WCG组委会已经因为台湾队伍里的少数那几个人的小动作,已经向WCG组委会提出了。
来自宝岛的WAR3朋友,希望我们彼此以后能够有更多的交流!(和台湾的WAR3朋友一起交流也并不是一两天了,我相信彼此之间我们是熟悉的,不要因为一两个人的不愉快而影响到我们彼此之间的友情)
PS:(我并不是一个记者,详细的事情经过我相信会有人出来说明的,作为一个中国人,我完全有必要在我们的团队在外面为我们的国家争取自己的利益,贡献出我自己的力量)

Nahita ny fanafitohinana momba ny saina novakiana tao amin’ny WCG i WE.SKY (Bolongandranamana) : Eo ho eo ihany ny marina.
Vavahadin-tserasera Shinoa ECP nampidirina tamin’ny 2007-10-12 10:28:00
Hitako fa betsaka ny olona miresaka izay zava-nitranga tamin’ny lanonam-panomezan-doka tao amin’ny WCG. Efa tony saina tsara aho no miresaka izao fa tena tsy tantiko ny nahita izay nitranga tamin’iny fotoana iny. Amin’ny mahashinoa (tsara) taiza hatramin’ny voalohany dia nihevitra aho fa miara-dalana aminay ny mpiray tanindrazana avy any Taiwan [tamin’ity lalao ity].
Mazava loatra fa araka ny nitomboako no nahafantarako zavatra bebe kokoa hatrany. Raha niresaka izany [fiarahana izany?] ny tamin’ny namana aho dia nisy ny ravoravo nefa nisy nihevitra kosa fa tsy misy fomba hafa azo atao rahateo. Na izany aza dia izay no zavamisy Shinoa ary tsy hiova mandrakizay ny fisainantsika.
Tamin’io fotoana io dia nilazalaza ny fandehan’ny raharaha tany amin’ny vaomieran’ny WCG izahay. Avy eo dia ny teny nandranitra nataon’ny kapitenin’I Taiwan no nitarika korontana.
Mazava loatra fa tsy hampiova ny fijerinay mikasika ireo namana any Taiwan ny zavamisy tahaka ireny. Na izany aza, amin’ny fotoana sasany dia manana adidy isika handray andraikitra noho ny mahashinoa.
Raha ny momba ny tsikera mivaivay indray moa dia fomba fijerina fampahalalam-baovao indray ny amin’iny. Avelao izy hiteny izay tiany tenenina satria manan-jo hiteny avokoa ny rehetra.
Ny rariny hatrany no tsy maintsy hanjaka.
Eo ihany dia tsara ny milaza fa nitatitra ilay zavatra kely tsy misy dikany nataon’ny vaomieran’ny WCG Taiwan tany amin’ny vaomieran’ny WCG ny vaomieran’ny WCG Shinoa.
WAR3 namana avy any Taiwan, manantena fifankahazoana eo amintsika roa tonta aho manomboka izao! (tsy hoe vao iray no roa andro izahay no nifandray tamin’ny namana WAR3 avy any Taiwan. Mino aho fa efa mifankahalala tsara ny andaniny sy ny ankilany ka tsy izay olona iray na roa no hanimba ny fihavanana)
P.S. (Tsy mpanao gazety aho fa mino kosa aho fa misy olona afaka mitantara ny zava-nitranga any ho any. Tena zava-dehibe amiko amin’ny mahashinoa ahy ny liana sy manaraka izay ezaky ny mpilalaontsika rehefa milalao any ivelany izy ireo)

Na dia nandanjalana tsara ny bolonganteniny aza I Li Xiaofeng dia maro ireo avy amin’ny Tanibe nanohana mavitrika izay nataon’i Sha Junchun sy Li Xiaofeng nandritra ny lalao ary mihevitra fa fandraisana andraikitra sy fanehoam-pitiavantanindrazana ny nataon’izy ireo.
Indreto misy hevitra roa tao amin’ny bolongan’i Li:

Ygod 发表于 2007-10-14 16:56:29
公道自在人心 爱国是做人的根本

Naiditry Ygod tamin’ny 2007-10-14 16:56:29
Ny rariny hatrany no hanjaka.
Zava-dehibe ny fitiavan-tanindrazana hahaolombanona.

Kyo.陈 发表于 2007-10-12 13:15:55
支持中国选手的做法!!!!
少数的极端份子,是不能得逞的!!
我也看到结果了,WCG组委会对台湾WCG代表队提出了谴责,
而台湾代表队也道歉了!!
中国人民永远是团结一心的!
SKY,好样的 ,
还有FLY,PJ
你们都是中国人的骄傲!!
永远支持你们!!

Naiditry Kyo.Chen tamin’ny: 2007-10-12 13:15:55
Tohano ny fihetsika nataon’ny mpilalao Shinoa!!!
Tsy hanjaka na oviana na oviana ny hevitry ny vitsy dia vitsy an’isa!!
Nahita ny vokatra aho. Nanameloka ny ekipan’i Taiwan ny vaomieran’ny lalao an’aterineto manerantany(WCG), ary efa niala tsiny i Taiwan!!
Ho soroka miaramilanja sy hanao tongotra miaramamindra mandrakizay ny vahoaka Shinoa!
Misaotra anao ry Sky!
Toy izany koa ry Fly sy PJ.
Ianareo no reharehan’i Shina!!
Hanohana anareo hatrany!!

Fa misy olonineto tao amin’ny bolongana tao amin’ny varavarambe Sohu mbola nasiaka kokoa tamin’i Taiwan:

发布者 搜狐网友 2007-10-12 21:03
坚决支持! 扎反!
什么台湾民众! 都是大陆子民,还在上面舞国旗,什么概念?
如果打台湾,我们学校所有人同学都会参战!!

Naiditry ny Olonineto Sohu
manohana tanteraka (ny fihetsiky ny ekipa Shinoa). Manohitra tanteraka (ny ekipan’i Taywan)!
Fa inona moa ny Taiwaney? Zanaka lahy sy vavin’ny Tanibe avokoa ianareo; koanahoanamoa ianareo no mangana sainam-pirenena (hafa)? Inona no tianareo holazaina?
Handray anjara amin’ny ady avokoa ny avy any an-tsekolinay raha hanafika an’i Taiwan

Nisy Olonineto antsoina hoe Feng Guangsile (midika hoe tena malaza) nilaza ny heviny tao amin’ny fampitam-baovao hita tao amin’ny club.china.com:

作者:风光死了 发表于:2007-10-09 12:52:04

事件是真,确有冲突,照片为证。
人物也没错,照片拍得很清楚,好几个中国的小伙子,挺帅。
漫骂也许有,年轻人火气大,特别是李晓峰刚刚输了比赛,心情不会好。
打人则未必,看照片上当时在场人数众多,众目睽睽下发生的事情事后否认得了吗?
但我想不通中国人怎么会骂别人“中国猪”,那不是连自己一块骂了么?不可能有这样的事情,想必是现场有人大声朗诵这个词,媒体找不到朗诵者于是想当然的把屎盆子扣在了中国人的身上,很没有技术含量。
新闻自由了!也不见得都说真话.

Nampiditra: Feng Guangsile tamin’ny :2007-10-09 12:52:04
Nisy tokoa io. Mety hisy mihitsy ny sary nampiseho ny fifandirana.
Tena mazava tsara ny nasehon’ny saripika fa misy tanora Shinoa maromaro tsara fiakanjo ao.
Mety hoe nisy fihoaram-pefy tao. Hitanareo fa mora miakatra ihany ny tanora, indrindra moa fa Li Xiaofeng izay vao resy indrindra sy toa tsy tao mihitsy [mazava ary ve izany resaka izany?].
Tsy mino kosa aho fa nisy fikasiha-tanana tao. Raha jerena ny sary dia mahita isika fa betsaka ihany ny olona nanatrika tao; ho sahiny ve ny handà ny zavatra nataony ampahibemaso?

Na izany aza dia tsy azoko mihitsy raha Shinoa no miantso ny hafa ho “Kisoa Shinoa”. Tsy manompa tena ihany ve isika? Tsy tokony hisy mihitsy ny tahaka izany. Mieritreritra hao fa nisy olona nitrena mafy ireo teny ireo; saingy tsy hitan’ny mpampahalala vaovao izay niteny azy. Dia ny Shinoa avy hatrany no ampangaina ho nanompa. Mba tsy rariny kosa izany.
Na dia misy aza ny fahalalahan’ny gazety, tsy midika izany fa milaza ny marina hatrany izy ireo.

Misy ihany na dia izany aza ireo vitsy ao amin’ny tanibe izay manohitra ny fihetsika tsy voahevitra nataon’ireo mpilalao Shinoa tamin’ny Taiwaney.
Misy ihany koa ny Olonineto izay maneho hevitra hafa kosa ao amin’ny bolongana Sina :

[匿名] 新浪网友
2007-10-10 13:30:51
不支持SKY和PJ的这种形为.一点也没有风度.台湾是不是国家不是你\我\他都能说的算的.这不是一个电竞选手和电竞爱好者能分清的事实.政治的东西应该交给政治.而不是交给向征和平友谊的电竞选手.

[Tsy nitonona anarana] Olonineto Sina
2007-10-10 13:30:51
Tsy tohanako ny fihetsiky SKY sy i PJ izay tsy misy fanajana. Tsy ianao na izaho na izy no manapakevitra ny mahafirenena an’i Taiwan na tsia. Tsy anjaran’ny mpilalao na mpakafy E-sport ny maneho izany. Anjaran’ny mpanao politika ny misahana ny politika, fa tsy anjaran’ny mpilalao E-sport izay mpitondra ny fanevan’ny fandriamapahalemana sy ny firahalahiana kosa.

[匿名] 新浪网友
2007-10-10 13:33:21
看看以上这些所为的爱国青年的留言吧.我现在终于知道为什么台湾要独立了.真是可悲.我真的希望国人能真正的把台湾当做自己的领土.但现在好像事实正好相反.如果我们永远用这种态度.我想台湾永远不会回来.

[Tsy nitonona anarana] Olonineto Sina
2007-10-10 13:33:21
jereo ny hevitra eo ambony izay lazana fa soratan’ny tanora tia tanindrazana. Hitako ihany ny antony mahatonga ny Taiwaney handala ny fahaleovantenany. Indrisy! Tena manantena tokoa aho fa hojeren’ny aty amin’ny tanibe ho tahaka ny ao anatin’i Shina I Taiwan. Saingy ny mifanohitra tanteraka amin’izany aloha no hita eto. Tsy hiverina ho anisantsika mandrakizay i Taiwan raha mbola tohizantsika ihany izao fihetsitsika izao.

Meng Zhang

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.