Indy : Tsy misy toeram-pivalanana

Ny blaogy India Daily dia mitatitra fa tafakatra tahan'isa 80% -n'ny mponina any Indy no tsy mampiasa toeram-pivalanana manara-penitra ara-pahadiovana. Mahakivy ihany izany indrindra raha heverina fa hotanterahina any Indy amin'ity herinandro ity ny Fivoriambe Iraisam-Pirenena faha-7 mikasika ireo Toeram-Pivalanana na « 7th World Toilet Summit » [karakarain'ny « World Toilet Organization »] :

« India was one of the first cultures to have sitting toilets in the society […] At present, 2.6 billion people in the world have no access to toilets and 1.3 billion live in India and China […] This has become a habit for most of the Indians. They hesitate using the public urinal and do prefer peeing in open because of the worst condition of public toilets at most of the places. »

« Ny fiaraha-monina Indiana dia isan'ireo voalohany izay nampiasa toeram-pivalanana azo ipetrahana […] Manerana izao tontolo izao dia miisa 2,6 lavitrisa [milliards] ankehitriny ireo olona tsy mampiasa toeram-pivalanana ka ny 1,3 lavitrisa amin'izy ireo dia monina any Indy sy Shina avokoa […] Zary lasa fahazarana hoan'ny ankamaroan'ny Indiana. Aleon-dry zareo mivalan-drano ety ivelany toy izay any anatin'ireny trano fivalanana misokatra hoan'ny vahoaka ireny satria ny ankamaroan'ireny dia tena maloto sy ratsy kojakoja tokoa. »

Neha Viswanathan

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.