Tontolo iainana : Fanamaitsoana an’i Nairobi sy mety hakana tany ao antendrombohitry Kenya.

Misy vaovao tsara sy vaovao ratsy avy eto Kenya. Ny vaovao tsara aloha dia ny handravahana zavamaitso [zavamaniry] ny renivohitra Nairobi, ary ny vaovao ratsy kosa dia ny mety hakana tany na handavahana tany amin’ny toerana manodidina ny Tendrombohitra Kenya. Hojerentsika ao amin’ny GV tontolo iainana ny momba izany tantara rehetra izany.

Aleo atomboka amin’ny vaovao tsara aloha, Nitatitra ny fivoriambe faha-17n’ny fitarihana olona i Bankelele ka naheno ny tenin’i John Gakuo, mpikarakara an’i Nairobi city nilaza ny“Hamerina indray ny Lazan’i Nairobi’.”

Tahaka ny nataon’ny Ben’ny tanànan’i New York teo aloha (efa Kandidà ho Filoham-pirenena ankehitriny) Rudy Giuliani tamin’io tanàna lehibe io tamin’ny tanelanelan’ny taona 1990, dia inoana hanadio ny tanànan’i Nairobi koa ny mpikarakara avy ao amin’ny vaomieran’ny tanànan’i Nairobi John Gakuo , hahatonga ny tanàna ho milamina sy ho toerana mahafinaritra hotsidihana. Efa ampy ny bolongana mitantara ny fiovan’endrika maro tahaka ny fahazavana, ny fiantsonan’ny fiara, ny fandraisana mpiara-miasa ary ny teti-panorona ampiasain’Atoa Gakuo hanaovana an’I Nairobi ho tanàna maitso.Nanome fanamby ny tenany ny hitantanana tsara ny harena eo ampelatanana satria ny tsy harena no vahaolan’ny fiovana, raha mahita isika fa maro ny firenena no manana harena voajanahary izaitratra nefa fadiranovana ny mponina ao aminy, ary ny sasany kosa mahavita zavatra lehibe sady betsaka na dia tsy misy loatra aza ny eo ampelatanana. Ary dia izay indrindra moa no iompanan’ny lohahevitra najorony: ampiasao izay anananao hahazoanao izay tadiavinao. Tena hita mivaingana ny fahombiazan’ny zavabitany hita eny ampidirana ho any an-tanàna noho ny fahaiza-mitantana ary tsiniany ireo mpitondra mpilaza fa ‘tsy misy ny vola’ mba tsy hanaovana na inona na inona, fa tsytokony hahita ny fomba hafa hamahana ny olana amin’ny fomba hafa foana.Mba hahitana ny vokatry ny fandraisana andraikitra nataon’I Gakuo dia ho ao amin’ny mpibilaogy sy mpaka sary egm isika, izay nandefa ny sarin’I

Nairobi ahitana ny hatsaran’ny zaridaina afovoan-tanàna, ampiasaina ho toeram-pitsangatsanganana ho an’ny be sy ny maro io zaridaina io no sady akanin’ny biby ihany koa araka izay asehon’ny sary eto ambany.

Jeevanjee Gardens
Monkey at park

Nanome sary maromaro maneho ny fambolen-kazo tanterahin’I mpanolotsainan’ny tanàna John Gakuo teny amin’ny arabe manerana an’I Nairobi i Egm.

Greening of Nairobi streetsEto kosa indray dia vaovao tsy dia tsara loatra no ambara : avy amin’ny blaogin’i Richard Leakey ,ilay mpandinika malaza momba ny taolana sy ny sisan-javamananaina fahagola, izay nanasa an’i Ali Kaka izay tale mpanatanteraky ny East African Wildlife society[fikambanana mpiaro ny fiainan’ny biby sy zavamaniry dia sampana Afrika Atsinanana ] mba hamaritra indray mandeha ny faritra hasiana fefy mba tsy ho tafiditra ao ny sombim-paritry ny alan’ny tendrombohitra Kenya. Misy sary nalaina avy teny an’habakabaka mampiseho ny fefy mamakivaky ny ala ny lahatsoratra “Famefena sy fanahiana hisian’ny fandraofan-tany eny an-tendrombohitry Kenya”. Nampidirina tao koa ny dikan’ny fefy raha jerena ny biby sy ny manodidina ny tendrombohitra Kenya ary dia naka nametrapetraka i Ali Kaka fa

Tombananay fa eo ho eo amin’ny 12.000 ara eo ho eo (1 acre mira 40 ara) ny velaran’ny ala mety ho ripaka amin’izany asa atao izany. Ao anatin’ny faritr’ala voalohany (tsy mbola nopotehin’olombelona) anatin’ny lovan’izao tontolo izao ao an-tendrombohitry

Kenya ny toerana hotrandrahana.
Ny mety ho fiantraikany lehibe indrindra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana dia ahiana ny fahaverezan’ny ala voajanahary efa matoy mpisinton’orana amin’iny faritry ny tendrombohitra Kenya iny ka manondraka ireo sampandrano be dia be ireo ka tafatambatra ho ony lehibe antsoina hoe Burguret izay mikoriana kosa hivoaka ny fefy vaovao. Nefa lasa any ivelan’ny fefy (noho ny fitrandrahana ihany) izay tena zava-dehibe ho an’ny Elefanta dia ny fahamaroan’ny sira mineraly izany. Misy manko ny finoana milaza fa feran’ny sakafo ny fitomboan’ny elefanta ao an-tendrombohitra Kenya ary noho ny fiankinan’ny elefanta amin’ireo amin’ny sira mineraly miandrona amin’ny toerana maro manodidina ny tendrombohitra ireo no ijanonany ao fa raha lany ireo dia efa karazana ny famerana ny fitombon’ny isany izany – Mbola mila fikarohana lalina kokoa ny petrakevitry ny filana saingy mety ho izay no ahafaha-manazava hoe nahoana moa ireo biby ireo no lasa mifikitra amin’ny toerana be (sira) mineraly.Mbola misy tantara hafa ihany hita ao amin’ny blaogin’i Richard Leakey.
Juliana Rotich

4 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.