Benin : Niletika ny filaharan'i Benin ara-pahalalahana ara-fampahalalam-baovao

Ny blaogy Babilown dia manome ny heviny momba izay antom-pihemoran'ny filaharan'i Benin eo amin'ny sehatry ny fahalalahana ara-fampahalalam-baovao araky ny filaharana izay avoaky ny fikambanana Reporters Sans Frontières [RSF] isan-taona :

« [Le Bénin était 23me en 2006] Mais en 2007, au lieu d’évoluer vers le groupe des 20 premiers, patatras voici que notre pays dérape […] pour se retrouver à la 53ème position ! Damned, que s’est-il passé en l’espace d’une année ? […] C’est qu’entre-temps le pouvoir a changé de mains à la faveur des élections de 2006. En l’espace de quelques mois de Présidence de Yayi Boni, […] nous avons tous en mémoire les inculpations successives de journalistes et leur incarcération pour diffamation ou “offense” au Chef de l’Etat. Chose qui ne s’était pour ainsi dire jamais produite pendant les dix années de règne démocratique de Kérékou. »

« [Laharana faha-23 i Benin tamin'ny taona 2006] Saingy tamin'ny taona 2007, tsy mba ny nandroso ho any anivon'ireo firenena 20 voalohany izy fa vao mainka loza fa nikorisa nihemotra […] ary tsy nijanona raha tsy any amin'ny laharana faha-53 ! Oadray, fa dia inona loatra no loza nitranga nandritra ny taona iray monja ? […] Tsy izany mantsy fa niova ny fitondrana taorian'ny fifidianana natao tamin'ny taona 2006. Volana vitsy monja nandritra ny fitondran'ny filoha vaovao Yayi Boni, […] dia mbola ao an-tsaintsika daholo ireo fitoriana mifanesisesy ireo mpanao gazety, sy ny fampidirana azy ireo am-ponja nohon'ny fitoriana fanalam-baraka na koa « fanompana » ny filoham-pirenena. Tsy mbola nahitana zavatra toy izany mihitsy anefa nandritra ireo folo taonan'ny fitondrana demôkratikan'i Kérékou. »

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.