Topi-maso Arabo : Aorian'ny Facebook, Miala any ny Hatebook

Aorian'ny Facebook [bokin'ny endrik'ireo tapaka sy namana], miala any ny Hatebook [bokin'ny fankahalana]. Indreto blaogy roa avy any Tonizìa sy Omana mizara ny fomba fijeriny ireto vohikala vaovao – Hatebook.com sy Hatebook.org ireto.

A Screen Shot of Hatebook from Omani Blogger Sleepless in Muscat
Sarin'ny hatebook.com nindramina tamin'ny Sleepless in Muscat.

Tonizìa :

Ny blaogy Subzeroblue avy any Tonizìa dia manazava izay fampiasana ny Hatebook.org :

Facebook and all those social networking sites out there not really your kind of thing?
You'd rather be left alone?
You feel you have more people that you hate than people you like?
Then Hatebook is the site for you…
The first anti-social networking site, where you can connect with the people you hate…

Tsy dia tena sitrakao ve ny Facebook sy ireo vohikala izay mampifandray indray ireo namana tafasaraka ?
Aleonao tsy misy mpanelingelina ?
Heverinao fa maro kokoa ireo olona ankahalainao noho ireo sitrakao ?
Dia tena natao ho anao izany ny vohikala Hatebook
Ny vohikala voalohany izay ahafahanao mifandray amin'izay olona ankahalainao …

Azavain'i Suzeroblue ny fampiasana azy :

Upload blackmail material or publish lies, get the latest gossip from your enemies and friends, post photos and videos on your hate profile, tag your friends, get hate points from disturbing people who live, study, or work around you, simply take over the world…

Hatebook looks and functions a lot like Facebook, except in a more devilish way. The color is a more aggressive red, user profiles include a section called “Why I'm Better Than You!”, and instead of Photo Albums you create “Hate Albums” consisting of photos and descriptions of people/things you hate.

Adikao izay imailaka fandrahonana na mandefasa lainga, aparitaho izay honohono farany mikasika ny fahavalonao sy ny namanao, mametraha sary sy sarimihetsika handravaka ny pejim-pankahalanao, ampandreneso ireo namanao, manangona isam-pankahalana amin'ny alalan'ny fanelingelenana ireo olona miaina, na mianatra, na miasa manodidina anao, rombahy izao tontolo izao …

Na amin'ny endrika na amin'ny fomba fampiasa dia sahala ihany ny Hatebook sy Facebook, saingy amin'ny fomba « ratsy » hoan'ny Hatebook. Mena midorehitra sady mandratra-maso ny lokony, ary ny pejin'ny tompony dia misy fanontaniana angataham-baliny « Nahoana no tsara noho ianao aho » ary asolo ny tahirintsary dia afaka manokatra « tahirintsarim-pankahalana » izay ahitana ireo sary sy fanazavana izay olona/zavatra ankahalainao.

Omana :

Etsy ankilany ny blaogy Sleepless in Muscat monina any Omana dia nahatsikaritra vohikala Hatebook [.com] hafa. Hoy izy :

This is so funny.

I was just browsing the BBC world service site and found this by coincidence.

Apparently, someone has invested the popularity of the famous facebook service that has been recently acquired by Google and launched something similar only quite the opposite in purpose: Hatebook.com.

Tena mampihomehy.

Teo am-pamakiana ny vohikalan'ny BBC iraisam-pirenena aho dia kisendrasendra fotsiny no nahitako ity vohikala ity.

Araka ny fahitako azy, misy olona nanararaotra ny lazan'ny vohikala Facebook mba hamoronana ny mifanohitra aminy : Hatebook.com.

Dia hiafara amin'ny lazan'ny Facebook eo anivon'ny mpampiasa aterineto any amin'ny faritra « Moyen-Orient » ve ireo Hatebooks ?
Ny hoavy ihany no afaka hanambara izany.

Amira Al Hussaini

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.