Pop!Tech ho Iraisam-Pirenena sy ho amin’ny fiteny maro

Efa tapaky ny volana oktobra sahady isika ary amin’ny toerana maro amin’ny ila-bolatany avaratra dia efa mivoaka tany amin’ny nampirimana azy amin’izay ny akanjo mafana ary efa mihintsana ny ravina manopy mavo sy mena. Fa izao koa ny fotoana hivorian’ireo mpandalina ny hay, ny mpampilatro na mpaneho antsary ny zavatra mety hatao na azo tanterahina ary ny mpandraharaha miisa 500 manerana izao tontolo izao ao amin’ny toerana mahafinaritra amoron’ny tanànan’I Camden any Maine ho fampiroboroboana ny Pop!Tech , fivoriana tanterahina isan-taona misandra-tena ho “ fivorian’ny olona miavaka, sy iresahana momba ny hay ‘siansa’, ny haitao ‘teknolojia’ ary ny ho avin’ny hevi-baovao miposaka”.

Tsy tena tokana aman-tany akory izany karajia momba ny ho avin’ny hevi-baovao izany. Miara-dalana amin’ny TED, ny Davos, ny Aspen Ideas Festival, ny IdeaFestival miorina ao Louisville ary amin’ny hafa koa ny Pop!Tech. Ny mampiavaka ny fivoriana amin’ity taona ity dia ny lohahevitra malalaka, ny fitsinjarana ny antotan-taratasin’ny fivoriana ho amin’ny fiteny maro ary ny nakan’ny mpikarakara ny fivoriana ireo mpibilaogy avy amin’izao tontolo izao mihitsy mba handrakitra an-tsoratra ny resaka amin’ny teny Portigey, Mandaray (Shinoa) , Espaniola, Arabo, Farsi, ary Swahili. Ny antenaina, ankoatra ny fandraketana an-tsoratra, dia mba ho mpanelanelana eo amin’ireo olona 500 mahazo tombotsoa manokana nahaloa vola $3 500 ho fisoratana anarana sy ireo mpampiasa aterineto mihoatra ny say arivo herintelo (1.000.000.000 na iray lavitrisa) ireo mpibilaogy ireo.

Mba hanamafisana ny tetezana Pop!Tech miasa miaraka amin’ny dotSUB hanatsotra ny lalana ho an’ireo mpampiasa aterineto hanoratra eo ambany ny dikan’ny voalaza ao anaty rakitsarin’ny lahateny anaty fivoriana. Efa misy valo izao ny rakitsary misy soratry ny dikanteny Rosiana, Shinoa, Portigey, Swahili, Farsi, Frantsay ary Espaniola. Efa afaka mijery amin’ny teny Swahili ny kabarin’i Thomas Friedman momba ny tontolo iainana ianao izany, toy izany koa ny lohahevitry Bunker Roy momba ny fananganam-pitantanana sosialy ianao ohatra.

Saika ny ankamaroan’ireo mpibilaogy mahay teny maro ireo izay nomena fampahalalana kely hanatrehana ny Pop!Tech sy hitarafany ny fahazarany dia mpiseho matetika eto amin’ny Global Voices. I Juliana Rincón (izay nahomby tamin’ny fanentanana tamin’ny alalan’ny tranonkalan-tserasera hahazoana fanampim-bola ahafahany niainga avy any Kolombia ho any Camden) ohatra dia efa maintimolalin’ny Global Voices sady mpitarika ny vinan’ny Rising Voices antsoina hoe HiperBarrio. Hitantara ny Pop!Tech ao amin’ny blaoginy Medea Material amin’ny teny Espaniola izy. Amira Al Hussaini mpiadidy ny teny arabo kosa no [hisolo tena ny] Global Voices amin’ny faritry Azia andrefana sy Afrika avaratra. Na dia tsy ho afaka manatrika vatatenany aza i Jacky Peng ilay mahafatra-po amin’ny filazalazana dia hanaraka amin’ny alalan’ny fampitana sary mivantana ny fivoriana ary hanoratra amin’ny teny Mandaray. Paris Marashi kalaza amin’ny blaogy video This Iranian American Life no hanoratra amin’ny teny Farsi. Tiago Dória no ho mpampita-dresaka ofisialy eo amin’ny zoronteny portigey ary ny mpiadidy ny faritra Afrika atsimon’I Sahara amin’ny Global Voices Ndesanjo Macha kosa indray no ho fantsom-pikorianan’ny teny Swahili ao amin’ny blaoginy Jikomboe.

Mizara ny zava-mahaliana azy avy eo amin’ny sampanan-dalana mampifandray ny haitao, ny fiaraha-monina ary ny fandraharahana, tsy nahagaga loatra rehefa navahana ny tontolon’ny manam-pahaizana, ny mpitazatazana vetivety anaty fivoriana ary ireo mpandraraka vaovao anaty siniben-tserasera amin’ny alalan’ny blaogy raha toa mitovitovy hatrany no hitanao mifamory. Tsy mahagaga ihany koa raha samy mianatra amin’ny hafa ny sasany. Nanatrika ny serasera mivantana mampihetsi-po azy ireo sy ny maha-zava-dehibe ny mihaino kabarim-pahendrena (na filazalazam-pahalalana) ny mpibilaogy rehefa tafasaraka amin’ny mili-pitendrena soratra, fitadiavan-javatra amin’ny alalan’ny google, ary amin’ny fandikana raki-tsary. Efa tsapan’ny mpikarakara ny fihaonana ihany koa fa dingana tokana amin’ny lalana irosoana ihany ny fihaonana mivantana tanatin’ny roa na telo andro : ny fiterahan’ny fifandraisana mitohy sy ny fiaraha-miasa. Mahafinaritra ny maheno ny hevitra mivoaka anivon’ny fihaonana faratampony isan-taona tahaka ny an’ny TED sy ny Pop!Tech. Fa mila talenta manokana kosa ny mamadika ny hevitra mamirapiratra ho amina vina tsara voatra ka ny fitaovan’ny web 2.0 no mifanaraka aminy indrindra.

Ny lohahevitra nobanjinin’ny fivorian’ny Pop!Tech tamin’ity taona ity dia hoe “The Human Impact”[ny fiantraikan’ny zava-bitan’olombelona]. Efa nampanantena hitondra hevi-baovao mampivoatra ireo hifandimby hiteny amin’ny hoe inona no ho fiantraikan’ny zava-bitan’olombelona amin’izao tontolo izao ary inona koa ho setrin’izany ny fiantraikan’izao tontolo izao amintsika. Fa matetika manko ny hevi-baovao mampivoatra no tsapa ny mahasarobidy azy rehefa lasa lavitra dia lavitra ny fielezany. Manantena isika fa ny tatitra sy ny fanadihadiana ataon’ireo mpibilaogy namantsika ireo no hanampy antsika hifantoka ny resaka ankapobeny amin’ny herinandro. Raha te-hahazo mailaka ianao hanatrika an-tsarimiaina ny fanombohan’ny fivoriana faha-18, dia mahazo mangataka izany eto.

David Sasaki

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.