Nata Blog : Blaogy avy any ambanivohitr'i Afrika

Ny tantaran'ny Blaogin'ny tanàna Nata na the Nata Village Blog dia isan'ireo tantara lafatra momba izay hery sy ako ateraky ny fandraisan'ny vahoaka avy any Afrika anjara fitenenana eto amin'ny sehatry ny fampahalalam-baovao. Ity blaogy iray ity dia any amin'ny tanàna ambanivohitra antsoina hoe Nata any Bôtsoana. I Nata dia tanàna misy mponina eo amin'ny 5'000 eo ho eo eny amin'ny moron'ny Pan'ny Makgadikgadi [les pans de Makgadikgadi | the Makgadikgadi Pans], izay Pan midadasika indrindra eran'izao tontolo izao [FANAMARIHANA: tonòny hoe: mak radik radi, ny Pan dia koveta mitahiry sira voa-janahary vokatry ny fisintonan'ny ranomasina nisy tany aloha elabe tany]. Ity blaogy ity dia isan'ny fitaovana natao hiadiana amin'ny firongatry ny HIV/AIDs any Nata. Mandray anjara aminy avokoa na olona voan'ny SIDA, na vondrona tanora, na mpiasa ara-pahasalamana sy ara-tsosialy ary manilahila ny varavarana azahoan'ny mpandalo mahita izay fombafomba fiainan'ny mponina any ambanivohitr'i Afrika. Ampiasaina amin'ny fanangonam-bola ho fanohanana koa ity blaogy ity.

Unfortunately, HIV/AIDS is having a devastating effect on the people of this small village. Botswana has the second highest HIV infection rate in Africa. The current rate of infection is 37% nationally and Nata's rate of infection is even higher. The pandemic has left Nata with over 400 orphans. Currently, nearly 50% of all pregnant women in Nata are HIV positive. Thankfully, Botswana has free Anti-Retroviral Therapy available for those with low CD4 (t-cell) counts. We also have a Prevention of Mother to Child Transmission program that has reduced the rate of infection from mother to child to about 5%. This website is dedicated to the people of Nata who despite enormous losses and challenges still have the courage and determination to fight the ravages of this pandemic.

Mampalahelo ny voka-dratsin'ny SIDA teo amin'ny mponin'ity tanàna kely ity. Aty Afrika, dia i Bôtsoana no mitana ny laharana faharoa avo indrindra amin'ny tahan'ny fahavoazana SIDA. Ny taham-pirenena ankehitriny dia 37% ary mbola mihoatra an'io aza ny an'i Nata. 400 ireo kamboty navelan'ny fandalovan'ny aretina SIDA teo an-toerana. Ary ankehitriny, manakaiky ny 50%-n'ireo vehivavy bevohokaany Nata dia mitondra ny otrik'aretina HIV/SIDA avokoa. Soa ihany fa aty Bôtsoana dia misy fanafody maimaim-poana mahomby fanoherana ny Virosy. Manana tetik'asa manokana koa izahay izay mitandro ny tsy hamindran'ny reniny amin'ny zanany ny otrik'aretina, izany dia nampilatsaka ny taha ho 5% ankehitriny. Ity tranokala ity dia atolotra amin'ny anaran'ny mponin'i Nata tsy an-kanavaka, izay mbola mijoro sy mitolona amin'ity aretina mandoza ity na dia efa nisedra famiraviran'ny aretina aza.
Tany am-boalohany dia tsy mbola nanana blaogy ny tanànan'i Nata, indray andro anefa … :

The Nata Blog was born as a result of a world traveler, Jon Rawlinson, passing through Nata on the way to the Okavango Delta. The tour books referred to Nata as nothing more than a dust hole and he had no intention of spending any time there. But, as coincidence would have it, he met a Peace Corps Volunteer named Melody Jenkins who is working as an HIV/AIDS educator and community capacity builder. Jon was interested in seeing more than the tourist destinations of Africa and wanted to learn more about the impact of HIV/AIDS on Botswana. After just one night of meeting the locals and hearing first hand accounts of the struggle to control the spread of the disease, Jon was hooked and wanted to help. He has since been back to Nata twice and has been introduced to the Kgosi (chief) and most of the professionals working to stop the spread of HIV/AIDS. Nata will benefit from the fact that our world traveler is also a professional producer and editor as well as a website designer. Jon and Melody worked on a documentary about HIV/AIDS in Nata in hopes of bringing the story of Nata to the world. Jon discovered an incredible village filled with the beautiful Mokolane Palm trees lining the Nata River. Unlike most tourists, Jon wanted to do more than just snap a few photos of elephants and giraffes and return home. He wanted to make a difference and offered to design and administer this website.
After much discussion and the frustration of donations going to large organizations that rarely get to those that really need it, Jon and Melody decided to try and help the people of Nata with this website

Vokatry ny fandalovan'ny mpitetitany Jon Rawlinson, izay nandalo teo Nata diany ho any amin'ny vinanindranon'i Okavango, no niforonan'ny blaogy. Ny boky izay nitari-dàlana azy dia tsy nanisy soratra momba an'i Nata afatsy ny hoe « lavaka feno vovoka » ihany ka dia nikasa ny handalo fotsiny izy fa tsy nihevitra ny handany fotoana tao. Ny lahatra anefa dia nampihaona azy tamin'i Melody Jenkins izay Peace Corps Volunteer na mpiasa an-tsitrampo mampianatra y mponina izay tsara ho fantatra momba ny HIV/SIDA sady manana traikefa amin'ny fanentanana ny mpiara-monina hiray hina. Liana ny te hahalala bebe kokoa momba ny voka-dratsin'ny HIV/SIDA any an-toerana i Jon fa tsy te hianona fotsiny amin'ireo toerana mahazatra famangin'ny mpitsidika any Afrika. Rehefa avy nihaona tamin'ny mponina teo an-toerana sy nandre izay vonjy maika fanao hiadiana amin'ny fiitatry ny otrikaretina, tamin'ny alina iray monja dia resi-lahatra i Jon nanapa-kevitra ny hanampy. Hatramin'io fotoana io dia efa indroa miantoana izy izao no niverina tany Nata ary efa noraisin'ny Kgosi na mpanjaka any an-toerana sy ireo mpiasa rehetra mitolona amin'ny fihandraky ny HIV/SIDA. Isan'ny tombony hoan'i Nata ny asan'i Jon izay mpandraharaha amin'ny fampahalalam-baovao sady manana traikefa amin'ny fanamboarana tranokala. Ny faraha-niasan'i Jon sy i Melody dia nahavitany sarimihetsika mikasika ny aretina SIDA any Nata, mba ampahalalana an'izao tontolo izao. Amoron'ny reniranon'i Nata dia misy hazo Mokolane milahatra, nahita tanàna meva i Jon. Te hanao bebe kokoa noho ireo mpitsidika mpizahatany mody hafa am-ponenana i Jon, te hitondra mihoatra noho ireo sarin'Elefanta sy Zirafa. Nanolo-tena ary izy ny hanamboatra sy hikolokolo ny tranokala vaovao.
Ary taorian'ny adihevitra marobe momba ireo fanohanana izay mandeha any amin'ny fikambanana vaventy ary ankavitsiany ihany vao tena tafita any amin'ireo tena mila fanampiana, nanapak'hevitra i Jon sy i Melody fa hiezaka ny hanampy ireo mponin'i Nata amin'ny alàlan'ity tranokala ity.
Ny lahantsoratra tao amin'ny blaogy dia nosoratan'i Melody Jenkins, izay U.S. peace corps volunteer, i Martha Ramaditse, mponina eto Nata sy Andriamatoa Seloma Tiro, filohan'ny fikambanana Nata AIDS and Orphan Trust izay mitantana ireo fanohanana voaangona amin'ny alàlan'ity tranokala ity.

Ingahy Tiro kosa dia nitazona toerana manokana tamin'ny fiforonan'ny blaogy :

This website would not have been possible without his generosity. Since the inception of the website, Mr. Tiro has loaned Martha and Melody his laptop computer for blogging, paid for all calls to access the internet and allowed us to use his server. He has all but turned over his own private office to us. At the birth of this website there were only 3 people in the village with internet access. Mr. Tiro became a co-founder of this website as it would not have been possible without him. Mr. Tiro is a co-owner of the natavillage.org domain and Nata village blog.

Tsy ho tanteraka ity tranokala ity raha tsy nizy no nalala-tànana. Hatrany am-pamoronana ity traonakala ity dia efa ingahy Tiro no nampindrana ny solosainany mba ahafahan'i Martha sy i Melody miblaogy. Izy ihany koa no nandoa izay lany rehetra tamin'ny tambanjotra aterineto sy namela anay hampiasa ny toerana ametrahana ity tranokala [serveur]. Navelany ho anay tanteraka ny biraony. Tamin'ny fanombohan'ity raharaha ity dia olona telo ihany no nanana tambanjotra aterineto tao an-tanàna. Ingahy Tiro dia lasa mpiray antoka tamin'ny fanorenana ity tranokala ity ary tsy tanteraka ho toy izao mihitsy izy ity raha tsy noho ny aminy. Ankehitriny izy dia mpiray antoka miaraka aminay sady isan'ny tompon'ny tranokala natavillage.org sy Nata village blog.

I John Rawlinson no namboatra sy nitantana ny blaogy.

Vao tsy ela dia nandrobaka ny fifaninanana the Peace Corps Information and Technology Contest ny blaogin'i Nata :

Back in January, we entered the Peace Corps Information and Technology Contest. We learned in June that we were one of 9 finalists. It was just announced that we are one of the top three winners named in the contest. The three winners will be featured in the December issue of Worldview Magazine and the projects will be featured in Peace Corps internal and external publications. We've been told that we will also be featured in the Peace Corps Times. We want to congratulate the other winners Heidi Joseph in Zambia and Nicholas Cabiati and Daniel Schier in Senegal. We think it's pretty cool that all three winners are working on the African continent. It just shows that technology is available here and growing everyday. Thanks to Anthony Bloome of Peace Corps for organizing the contest along with all the judges. We need to once again thank Jon Rawlinson of Canada for his gift of this website to Nata village and Mr. Seloma Tiro for his continued financial support of this project. We also want to thank our chief Kgosi Makgesi for taking a chance and allowing his village to be the first in Botswana with a website.

Andao kely ange hiverina amin'ny volana Janoary lasa teo, nandray anjara tamin'ny fifaninanana mikasika ny serasera ara-solosaina the Peace Corps Information and Technology Contest izahay. Tamin'ny volana Jona dia renay indray fa isan'ireo sivy voatazona izay hanao ny « lalao famaranana » izahay. Nambara taorian'izay fa isan'ireo telo voalohany izahay. Ireo telo voalohany ireo dia arantiranty ao amin'ny laharana volana Desambran'ny gazety Worldview Magazine sady ireo tetik'asa dia aparitak'ireo gazety rehetra avoaky ny fikambanana Peace Corps, na ny ivelany na ny anatiny. Nambara anay koa fa hisy lahantsoratra momba anay any amin'ny gazety the Peace Corps Times. Tianay ny hiarahaba ireo mpandresy hafa dia i Heidi Joseph avy any Zambìa sy ry Nicholas Cabiati sy Daniel Schier any Senegaly. Mahafaly anay koa ny mahatsikaritra fa asa atao aty Afrika avokoa ireo telo lohalaharana. Izany dia mampiseho fa ireo teknolojian'ny serasera dia efa any ay an-toerana ary tsy mitsaha-mitombo ny fampiasana azy. Isaoranay koa i Anthony Bloome izay nikarakara ny fifaninanana ao anivon'ny Peace Corps, sy ireo mpitsara niara-niasa taminy. Ilaina koa ny mamerina etoana fisaorana feno hoan'i Jon Rawlinson monina any Kanadà tamin'ny fanomezany ny tranokala hoan'ny tanànan'i Nata sy Ingahy Seloma Tiro tamin'ny fanohanany ara-bola tsy tapaka ity tetik'asa ity. Sitrakay koa ny maneho fankasitrahana ny [mpanjaka] Kgosi Makgesi izay nanararaotra ka namela ny tanànan'i Nata ho tanàna voalohany any Bôtsoana hanana ny tranokalany manokana.

Vokatry ny fandresena tamin'ny fifaninanana Peace Corps ICT, ny loka azon'ny Nata Village Blog dia famatsiana nahafahany nandeha nanatrika ny fivoriambe iraisam-pirenena mikasika ny serasera ara-solosaina izay natao tany Zeneva, any Soisa [Global Conference on ICT and Youth for Development, Geneva, Switzerland]. Izany fivoriambe izany dia ambany fikarakaran'ny Fivondronambe eran-tany hoan'ny serasera ara-solosaina sy ny fampandrosoana [GAID | The Global Alliance for ICT and Development] sy ny Fikambanana iraisam-pirenena hoan'ny serasera [ITU | International Telecommunication Union] :

To go from elephants in the bush near Nata to Geneva, Switzerland is a big leap. The Peace Corps Volunteers involved with the three winning projects in the Peace Corps ICT contest have been given a scholarship to attend the Global Forum on Youth and ICT for Development in Geveva, Switzerland. Special thanks to Mr. Paul Jhin, Director of Special Inititatives at Peace Corps Headquarters in Washington, D.C. as he is responsible for securing the scholarships from the United Nations on behalf of the volunteers who will be presenting their projects at the International Conference Center in Geneva. The conference begins on September 24th and the volunteers will present on the 26th. This is an excellent opportunity to share the strengths and needs of Nata village at an international setting. The opportunity presented itself on a VERY short notice. It is amazing at which the speed of Peace Corps and the United Nations Development Program arranged for the tickets for us to travel to Geneva. Plenty of photos will be taken so we can share the experience with all of you. A heartfelt congratulations to Jon Rawlinson and Seloma Tiro who are partners in this project. Way to go guys!! By the way, Jon compiled the previous post so it's apparent who the real technical expert is. Jon, thanks for being our technical guru. We hope this opportunity brings more resources to Nata village. This post is being sent from Jo-Berg, South Africa as I patiently wait my 5 hour layover.

Tena dingana lehibe tokoa izany miala avy aty amin'ny Elefanta aty ambanivohra ka handeha ho any Zeneva, any Soisa izany. Ireo mpiasa antsitram-pon'ny Peace Corps izay mpiray antoka tamin'ireo tasa telo nandresy dia nahazo famatsiana azahoany manatrika ny fivoriambe Global Forum on Youth and ICT for Development natao tany Zeneva, any Soisa. Fankasitrahana manokana no atolotra an'Ingahy Paul Jhin, talen'ny sampana Finiavana ao amin'ny birao foiben'ny Peace Corps any Washington D.K., any Amerika, satria avy aminy no nazahoana ireo famatsiana natolotry ny Firenena Mikambana [ONU] ahafahan'ireo mpiasa an-tsitrampo manao famelabelarana momba ireo asa ataony any afrika, eo anivon'ny tranobe fivoriana International Conference Center any Zeneva. Nanomboka ny 24 Septambra ny fivoriana ary ny 26 Septambra kosa no kendrena hatrehin'ireo mpiasa an-tsitrampo. Ity fivoriana ity dia tena fotoana tokana ahafahana mizara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ireo hery sy ireo sehatra mbola ilan'ny Nata fanampiana. Tena fotoana fohy dia fohy no nanomanana ity dia ity. Ary mahazendana ny halakin'ny fikarakarana nahafahan'ny Peace Corps sy ny Programan'ny Firenena Mikambana ho Fampandrososana [UNDP | United Nations Development Program] nanomana ireo tapakilan'ny dia ho any Zeneva. Sary marobe no ho alaina mba ahafahany mizara izany fotoana izany aminareo rehetra. Fankasitrahana eram-po no atolotra hoan-ndry Jon Rawlinson sy Seloma Tiro izay mpiray antoka aminay amin'ity asa ity. Roso toy ry zalahy a !! Saika hadinoko ny nilaza fa i Jon no nandrafitra ny lahantsoratra teo aloha iny ka dia miharihary aminareo hoe iza no tena raindahiny amin'ny lafiny teknika. Jon, misaotra amin'ny netezanao ho « guru » mpitarika anay tamin'ny lafiny teknika. Velom-panantenana izahay fa hitondra vokany betsaka hoan'i Nata ity dia iray ity. Ity lahantsoratra ity dia nalefa avy any Jô-Borga [Johannesburg], any Afrika Atsimo raha niandry am-paharetana mandritra ny adiny dimy izay hitohizan'ny dia aho.

Nandritra ny fivoriambe ny Famelabelarana arahina fifanakalozana izay notarihin'i Google [Google’s interactive presentation] dia nanome sehatra ity tantaran'ny blaogin'i Nata ity :

Mr. Delany [from Google] is pictured above showing a part of the Nata video, a village of hope. It's a little hard to see but on the screen is the Nata river. You will never know what pride I felt as I saw our tiny village getting a voice in this arena. Mr. Delany continued to encourage users to use all the technology available to them.

Ingahy Delany [solotenan'ny Google] izay hita amin'ny sary etsy ambony eo am-panondroana ny sarimihetsika momba an'i Nata, tanànan'ny fanantenana.
Sarotra ny mahita azy fa tazana eo ihany koa ny reniranon'i Nata. Tsy ho haiko ny hanambara aminareo ny reharehako sy ny fisem-poko raha nahita ny tanàna kelinay manangam-peo eto anivon'ity sehatra iraisam-pirenena ity. Ingahy Delany dia namporisika hatrany ny rehetra hanohy ny fampiasany ireo teknolojia izay eo am-pelatanany.
Taorian'ny fivoriambe dia nanoratra ny « miverina amin'ny tena fiainana andavan'andro » i Melody :

What a great experience it was to represent Nata village in Geneva, Switzerland. We hope the experience will bring more attention to the website and more help to the people of Nata. There were many people from different African countries at our seminar and we hope that additional villages will start their own websites and help more people in remote areas. It's just such a contrast to go from Geneva to Nata. The woman pictured above is eeking out a living selling bananas for 20 cents at the Francistown bus rank. A cup of coffee in Geneva is equal to a days wage for many people in Nata. So, it's back to work for all of us here.

Manao akory izany hafaliako nisolotena ny tanànan'i Nata tany Zeneva, any Soisa. Antenainay fa iny fotoana iny dia hisarika olona marobe any amin'ny tranokala sy hiteraka fanampiana bebe kokoa hoan'ny mponin'i Nata. Olona avy any amin'ny vazantany maro no nanatrika ny famelabelarana nataonay ary fanantenany koa raha mihamarobe ireo tanàna hafa izay hanokatra ny tranokalany ahafahana mitondra fanampiana hoan'ireo mponina any an-dakira. Manakory izany fangariky ny toe-javatra any Zeneva sy aty Nata. Ity vehivavy amin'ny sary ambony ity dia mivarotra ireo akondro 20 cents mba ahafahany miaina any amin'ny toeram-pitanteram-bahoaka any Francistown. Raha ny any Zeneva kosa, ny kafe iray kopy dia salan'ny karaman'ny ankamaroan'ny mponina aty Nata. Mazava amin'izany fa tafaverina amin'ny asa andavan'andro indray ny aty.

Ireo fanomezana voaangona dia nampiasaina hanampiana ireo olona voan'ny SIDA, ireo zaza kamboty, ny dispanseran'ny tanàna, ny fanamboarana vakoky Mabogo, sns … Ankehitriny dia eo am-panohanana ara-bola ny fikarakarana fifaninanana lahantsoratra izao ry zareo :

With your donations we are currently sponsoring and essay contest for grades 6 and 7 at Nata primary school. The essay topic is: How HIV/AIDS has affected or could affect my life. We will pay $60 for 1st place, $36 for 2nd place, $18 for 3rd place, $9 for 4th place and $5 for 5th place. Certificates will be given to those coming in 6th through 10th place. This is alot of money for a child to win so we hope this encourages them to think about the topic and do their best to avoid contracting the virus. We have nearly 100 essays to read and we will announce the winners at the Standard 7 farewell party at the end of this month. We will post the winning essay with the students photo on this website so you can read how the young people of Nata are thinking about this disease. We try to think of ways to make YOUR donations have the greatest impact. For $127 we have mobilized an entire school to focus on the issue of HIV/AIDS and in the process have rewarded students for their academic efforts. Thanks to all of our donors!! By the way, it took four days to post this!! We really miss high speed internet and a decent server.

Amin'ny alàlan'ny fanampiana nomenareo dia eo am-panomanana fifaninanana ara-lahantsoratra hoan'ny mpianatra taona fah-6 sy faha-7 amin'ny Sekoly Fanabeazana Fototra any Nata izahay. Ny lohahevitra hovoaboasina dia : Ahoana no fiantraikany na mety ho fiantrakan'ny SIDA amin'ny fiainako. Homena loka 60$ ny voalohany, 36$ ny faharoa, 18$ ny fahatelo, 9$ ny fahaefatra ary 5$ ny fahadimy. Omena maripakanhasitrahana kosa ireo eo anelanelan'ny toerana faha-enina ka hatramin'ny faha-folo. Tena vola be mihitsy izany eo imason'ireo ankizy, ka antenainay fa handrisika azy ireo hisaintsaina momba ny lohahevitra ka hitarika azy ireo hanao izay tsy hipariahan'ny aretina aminy izy ireo. Manakaiky ny isa 100 ireo lahantsoratra voaray ankehitriny ary amin'ny fety ny faran'ny taom-pianarana amin'ny faran'ity volana ity ho hambara ireo nandrobaka ny loka. Hapetraka eo amin'ny tranokala koa ny lahantsoratra sy ny sarin'ireo mpandresy mba ahafahanareo mahalala izay fomba fijerin'ny mpianatra any Nata io aretina [SIDA] io. Ezahinay hatrany ny mikaroka izay fomba mahomby indrindra ampiasana ny fanohananareo. Ireo 127$ dia nahafahanay nisarika ny mpianatry ny sekoly manontolo handinika ny momba ny fiantraikan'ny SIDA sady hanomezana valisoa ireompianatra amin'ny herim-pon'izy ireo. Fisaorana no atolotra ireo mpanome tsy an-kanavaka !! Fanamarihana, efatra andro no nolaniako handefasana ity lahantsoratra ity a !! Tena manimanina ny tambanjotra miridiridy sy ireo solosaina matotra aho k'ity.

Tamin'ny taon-dasa, ny blaogin'i Nata dia lohahevitra lahantsoratra tao amin'ny Typepad :

The resulting Nata Village Blog is a moving effort, with photographs, stories, and amazing videoblog entries. The blog documents both the challenges and the successes of the residents, clinic workers, and educators facing the HIV/AIDS pandemic…Please, just go visit the blog. It offers its authors and its readers alike a chance to do something profound.

Ny blaogin'i Nata dia fitambarana herim-po izay ahitana sary, sy tantara ary sarimihetsika mahaliana. Ny blaogy dia mitatitra ireo asa mbola miandry sy ireo fandresena eza azon'ireo mponina, mpiasa ara-pahasalamana, ary mpanabe eo amin'ny fiatrehana ny firongatry ny SIDA… Iangaviako hianareo hitsidika io blaogy io. Izany dia hanome fotoana hoan'ireo mpanoratra sy ireo mpamaky ahafahany miaraka manatanteraka zava-dalina.

Ny lahanstoratra farany ao amin'ny blaogy dia mitatitra momba ny fahazahoan'ny dispanseran'i Nata ny aterineto :

Woo hoo! After what seemed like an endless wait, we finally have internet access at Nata Clinic. Pictured above is Nurse Midwife Charity (from Zimbabwe) looking up something on the internet. Officially only the Sr. Nurse, Doctor, and Pharmacist have log in privileges but we hope that privilege will soon extend to other staff members. We're told it's just a matter of registering at our sub-ditrict. It's such a great way for staff to update themselves on medical conditions and treatments. Key personnel are now able to email reports and requests to our sub-district which is 120 miles away in Tutume.

Ahh haa ! Ohatry ny saika tsy ho tapitra mihitsy ny fiandrasana fa farany tafiditra aty amin'ny dispanseran'i Nata ihany ny aterineto. Io amin'ny sary ambony io mpampivelona [avy any Zimbaboe] eo am-pikarohana zavatra amin'ny aterineto. Ankehitriny dia mbola ny mpampivelona, ny dokotera-sefo sy ny farmasiana ihany no mahazo mampiasa azy, anefa manantena izahay fa hivelatra amin'nympiasa rehetra izany. Nambara taminay mantsy fa resaka fisoratana-anarana fotsiny izany. Ity mantsy dia fomba mahomby hoan'ireo mpiasa hahalala ireo traik'efa farany momba ny fitsaboana ireo marary. Ankehitriny dia efa misy fitaovana ahafahana mandefa imailaka sy fangatahana any amin'ny Tutume izay 193 km [120 miles] avy eto.

Ndesanjo Macha

3 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.