Borkina Fasô : Angano momba ny fankalazana tsingerin-taona roa

Ny mpanoratra ny blaogy Africa Flak izay mipetraka any Borkina Fasô dia mitatitra angano momba ny fankalazana tsingerin-taona roa :

« No matter how Compaore celebrated, the 20th anniversary was always going to sensitive and emotional. Compaore came to power through a coup that struck down and killed his brother-in-arm Tomas Sankara, a populist politician who towards the end of his mandate had become increasingly distant and paranoid, not even speaking to his inner cabinet.»

« Na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana no fomba hankalazan'i Compaore ny faha-20 taonan'ny fitondrany, tsy maintsy arahina sento sy tsetsetra ihany izany. Ny niakaran'i Compaore teo amin'ny fitondrana tokoa mantsy dia tamin'ny alàlan'ny fanonganam-panjakana izay nahafatesan'i Thomas Sankara ilay mpiray tolona taminy [fahiny sady filoha teo am-perinasa], izay mpanao pôlitika mpamahan-dalitra ny vahoaka ary tamin'ny faramparan'ny fitondrany aza, nohon'ny fiheverana fa mankahala azy avokoa ny rehetra, dia efa tena sady nihatakataka no tsy niloa-bava na dia tamin'ny kabinetrany intsony izy. »

Ndesanjo Macha

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.