Resaka tontolo iainana amin'ny blaogy tamin'ity herinandro ity

Jirom-pamoivoizana intelo miova mandeha amin'ny herin'ny masoandro any Capetown, haitaon-trano manara-penitra sy manaja ny tontolo iaianana any Akra, any Ghana, fanontaniana mipetraka amin’ ireo orinasa milaza azy ho « maitso » [manaja ny tontolo iaianana], ary zana-Gôrila mahafatifaty kely any Afrika. Ireo rehetra ireo no hovoaboasina amin'ny ireo blaogy miresaka tontolo iainana amin'ny global voices androany.

Atombotsika any Afrika Atsimo sy ny vaovaon'ireo jirom-pamoivoizana intelo miova mandeha amin'ny herin'ny masoandro ny resaka, izay heverin'i Carbon Copy ho tena fiandohan'ny « fametrahana amin'ny toerany eo amin'ny sarintany tokoa ireo angovo azo avaozina ». Amin'io lahantsoratra io ihany koa no ilazany ny ilana ny « rivotra » izay manome toerana ireo tetik'asa goavana, sy tetik'asa mahomby mba hamporisihina ny maro an'isa hampiasa ireo angovo « madio ». I Carl mpiblaogy ao amin'ny Greencars koa dia manoratra momba ireo jirom-pamoivoizana intelo miova mandeha amin'ny herin'ny masoandro, izy dia manohana io tetik'asa io no sady manolotra fanampim-panazavana amin'izay antom-pisiany.

Apparently, a large traffic light installation such as this uses as much electricity in a month as a 3-bedroom house, and if Cape Town were to remove all its traffic lights from the grid, it would be equivalent to removing 1200 houses off mains power.

Araka ny henoko, ny fampiasana jirom-pamoivoizana intelo miova vaventy dia mitovy fandaniana herinaratra amina trano misy efitra fandriana telo, ka raha esorina tsy handeha amin'ny herinaratra intsony ireo jirom-pamoivoizana intelo miova rehetra ao an-tanànan'i Cape Town dia toy ny nahena trano 1'200 ny fandaniana herinaratra.

Asongadin'i Carl ireo lafiny roa voalohany ahazoana tombontsoa avy amin'ity fampiasana jirom-pamoivoizana intelo miova mandeha amin'ny herin'ny masoandro ity,

Besides the direct environmental benefits that come from using sustainable energy sources, there’s a significant secondary benefit – if the traffic lights are more reliable than their grid-powered counterparts, we’ll see fewer malfunctioning traffic lights, resulting in less traffic congestion, which means less fuel burned.

Ankoatry ny tombontsoa mivantana hoan'ny tontolo iainana vokatry ny fampiasana angovo azo avaozina [tsy lany ampiasaina], mety misy vokatsoa hafa koa raha toa ka mateza kokoa noho ireo mandeha amin'ny herinaratra ireo jiro telomiova vaovao, dia hihena ireo fahasimbana, ary dia hihena koa ireo fikatsoan'ny fifamoivoizana, izany hoe hihena koa ny fandaniana solika noho ny fifamoivoizana.

Manahy ihany izy ny amin'ny halatra na izay mety ho fanimbàna ireo takelaka mpisintona ny herin'ny masoandro, anefa manantena ihany izy fa tsy hisy ny toy izany amin'ity indray mitoraka ity.

Mitodi-doha any Ghana indray : ampitain'ny blaogy African Architecture and Design, amin'ny alalan'ny lahantsoratra mikasika ny tao-trano manara-penitra sy manaja ny tontolo iainana any amin'ny renivohitra Akra [Accra], izany dia vao mainka mibaribary amin'ny fitombon'ireo trano izaran'ny tompontrano maro [copropriétés | condominiums] izay

…showcase other sustainable materials easy to come by in Ghana: bamboo for the poolside cabana and balcony railing; adobe plasters for the walls; and recycled oil drums as large-format shingle siding. Responsibly harvested native woods in wide planks will lend clean, contemporary lines to wall panels.

… hampiharihary ireo fitaovana mora afarana hampiasaina any Ghana : volo sy bararata ho an'ny rindrintrano madinika sy aro-fanina lavarangana; rihitra ho an'ny rindrina; ary barika vita nitaterana solika hoan'ny aro-orana. Izay raha ampifangaroana amin'ireo hazo avy any an-toerana dia hanome endrika manaraka ny toetr'andro ireo rindrina.

Mba efa nanontany tena ve ianareo mikasika ireo orinasa manao dokam-barotra sy milaza ho « maitso » [manaja ny tontolo iaianana] raha tena mba manao izay lazainy tokoa izy ireny ? Ao amin'ny lahatsoratra « Greenwash on Spincycle » i Andreas izay manoratra ao amin'ny blaoginy Antidote dia manazavazava hevitra mba hahalalana tsaratsara kokoa sy ananana «fijery maranitra anavahana izay tokony inoana amin'izay rehetra ambara amintsika ».

It’s official: green is the new, well… Green. Companies around the world have realised that environmentally sound business practices can improve their profit margins and are touting their green consciousness through lavish advertising campaigns and multi-million dollar rebranding exercises.

To some, these marketing efforts may represent the first positive steps towards a more sustainable way of doing business, while many others simply reserve the right to remain sceptical.

Vao nivoaka izy ity : tsara ny maitso, izay indray izany … Maitso. Maro amin'ireo orinasa manerana izao tontolo izao no tonga saina fa làlana afahana mampitombo kokoa ny tombo-barony raha toa ka ampahafantariny amin'ny alàlan'ny dokam-barotra tsara petraka izay arahina fiovan'anarana mitentina amana tapitrisany maro.

Ho an'ny sasany, mety ho lalàna misarika any amin'ny fomba vaovao fitantanana orinasa izay manaja kokoa ny tontolo iainana izany, maro koa anefa ireo izay tsy resy lahatra sy miandry hahita ny ho avy aloha.

Ho fehin'ity jery indray mifaoka ity, dia mitodi-doha indray any Kongô isika, ny fitohizan'ny ady dia mbola manahirana ny fiainan'ny mponina any sady manelingelina ireo ezaka hiarovana ny Gôrila. Tsy mitsahatra ny mandefa fanampim-baovao momba ny fivoatry ny raharaha any an-toerana ny blaogy Gorilla protection, heno ary fa maty ny iray tamin'ireo mpiambina ala.
« Tantely amam-bahona ny fiaianana » ka mba tsy hamelana anareo amin'izany vaovao ratsy izany dia indro ny sarin'i Kabila izay zana-Gôrila mahafatifaty sady nampitain'izany blaogy izany ihany.
kabila
Juliana Rotich

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.