Korea: Raha nihaona ny mpitondran'i Korea Atsimo sy Avaratra

Inona moa ny dikan’ny fihaonana faharoa eo amin’ny mpitondra Koreana Tatsimo sy Tavaratra? Lohahevitra roa no banjinina. Ny voalohany dia ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny Mpiserasera sy ny haino aman-jerim-pirenena. Ny lohahevitra faharoa kosa dia ny dika politika sy toe-karena ao amin’io fihaonana io.

 Tsy vitsy ny mpibilaogy  no manohitra ny fomba fijerin’ny ankamaroan’ny gazety mandala ny nentim-paharazana momba ilay fihaonana. Indro asehon’i Neocross izany nataon’ny gazety izany taorian’ny fihaonan’ny mpitarika roa tonta.

나름 역사적인 날이죠. 비록 김대중 전대통령때와 같은 기분은 아니지만 7년만에 남북정상의 만남은 뜻깊은 할 수 있겠다.
여기에 각 언론들은 어떻게 반응할까요? 내용이나 페이퍼 내용은 내일 봐야 알테니 넘어가고, 일단 언론사닷컴들의 모습만 봅니다.
뭐 다들 비슷한 느낌을 주긴 하지만… 역시… 조선닷컴…별 의미를 두지 않는 듯 싶네요. 잘못 기억했는지 모르겠지만, 한나라 경선때 이명박 후보가 뽑혔을 당시 위의 통으로 떳던 것 같은데… 남북정상회담은 그보다 격이 낮은가 봅니다.
조인스닷컴은 제목은 잘 모르는 이라도 한번 까보고 싶은 의도를 읽을 수 있겠네요. 무표정과 포옹없음..ㅋㅋ
공과는 나중에 엄격하게 평가하게 되지만, 굳이 시작부터 찬물을 뿌릴 필요가 을는지.

… Amin’ny lafiny iray dia manatantara izy ity. Na dia tsy mitovy ny tamin’ny fihaonana voalohany fony fahaprezida Kim Dae-jung aza, dia misy dikany ilay fihaonana fito taona taty aoriana.Nanakory avy moa ny nataon’ny gazety tsirairay ?…toa mitovy ihany…mazava loatra… Tsy nahoan’i Chosun.com loatra. Mety ho tsy mahatadidy tsara aho, fa fony lany ho kandida sisa tavela ho prezida i Lee Myung-bak nandresy an’i Park Geun-hye, dia navandravandra teo amin’ny pejy voalohany ny vaovao… angamba tsy zava-dehibe kokoa noho iny fandreseny iny ity fihaonan’i Korea Atsimo sy Avaratra ity.
Joins.com (siniben-tseraseran’ny gazety Joongang Newspaper) dia toa tsy mba faly loatra rehefa avy mamaky ny lohatenin-gazety ianao. Tsy misy soritr’endrika ary tsy ahitana izay tena fihetsika… haha
Mbola afa-miresaka izay tena fiantraikan’ny fihaonana any amin’ny vahoaka isika, saingy tena ilaina ve ny manapo-drano mangatsiaka dieny ety amboalohany?

 Sandman dia mampitaha ny fahasamihafana nandikan’ny vaovao tao an-toerana sy ny vaovao ivelany ny fihaonana.

참 해도해도 너무한다. 도대체 어느 게 우리나라 언론인지 모르겠다.

저렇게 저주와 패악질 만을 일삼는 신문이 1등 신문이라니…

못한 거 못했다하고 잘한 거 잘했다 하는 게 그렇게 어려운 건가?

무조건 칭찬만하라는 것도 아니고 의미와 해야할 일을 조목조목 짚어 보도해도 될 일을 저렇게 씹어대는 거 보면 이번 남북정상회담 관련 기사는 도대체 왜 발행하는 지 모르겠다.

… Tena tafahoatra loatra. Tsy fantaro intsony hoe iza amin’ireto no haino aman-jery Koreana.Na dia ny gazety be mpividy indrindra aza dia manakiana sy miteny ratsy…Dia tena sarotra ve ny manavaka ny tsara sy ny ratsy ?Zary mamelively tsy misy fanadihadiana tsara akory, tsy mampiseho hoe inona ny mahazava-dehibe ny fihaonana eo amin’ny mpitondran’ny Koreana Tavaratra sy Tatsimo, tsy mahalala akory izay hatao ao. Tsy midika izany hoe tokony hanasohaso amin’ny tsy antony ny raharaha ry zareo.

Masiaka kokoa aza ny Sasany amin’ny mpibilaogy manohitra ny ankamaroan’ny gazety.

MBC 방송 – 조선 , 중앙 , 동아 일보가 , 심각한 거짓 보도를 하고 있다고 밝힘.
다른 나라 신문 ( 외신 ) 에서 , 인용했다면서 쓴 부분도 , 모두 거짓으로 밝혀짐.
일부러 단어를 빼고 해석하고 , 아예 없는 말을 지어내기까지 한다고 함.
외신에서 , 노무현 대통령을 긍정적으로 평가한 기사까지 모두 왜곡됨.

www.joase.org/technote/board/opercom/upfile/media03101702.WMV

동영상 끝까지 다 봐주길 .. 얼마나 심한지 , 보면서 어이가 없었다

너무 많지만 , 그 중 아무거나 하나 예를 들자면, 외신에서는 노대통령이 ‘ 악의적 비판 ‘ 을 받고있다며 , 한국 언론을 비판했는데.오히려 조중동은 단어를 일부러 뺀 채 ‘ 비판 ‘ 받고 있다고 인용함으로써, 마치 전국민이 남북정상회담을 비판하는 냥 기사를 쓰고 ( 실제로는 정반대죠 )
AP 통신에서 인용했다는 말도 , 조사해보니 전혀 사실무근이고 ,, 등등. 너무 많아서 여기 다 못 적으니까 , 동영상 한번 꼭 보길 .. 웃기면서도 어이가 없다.
대부분의 국민들이 , 오늘 방송 보면서 , 다들 훈훈해하고 감격해하는 분들도 계셨는데
신문사에서만 왜 그러지 ? 누구 밑에서 자랐길래 , 그렇게 사고 방식이 비뚤어졌지 ?…

… MBC TV News Broadcast dia nampiseho fa Chosun, Joongang, ary Dong-a Newspapers dia namoaka fanadihadiana mandainga. Ny nolazain’izy ireo fa avy amin’ny gazety avy any ivelany dia lainga daholo. Ninia nanala teny maromaro ry zareo dia iny no natao hoe fanadihadiana nataon’ny gazety avy any ivelany.Nisy aza lahatsoratra milaza zavatra tsara no naolana hilaza zavatra hafa Jereo ity traki-tsary ity..

Manao ahoana ny fahamatorany ?

.. Tsy nahaloa-teny intsony aho.

Ity ohatra bobaka mihitsy ny lainga:

Nilaza ny vaovao avy any ivelany fa tafahoatra ny tsikera ataon’ny gazety koreana ny filoha koreana. Dia adinon’ireo gazety (koreana) ireo ny teny hoe « gazety koreana » ary ny « tsikera » ihany no teny naveriny. Dia tahaka ireny hoe ny Koreana rehetra no manakiana ny fihaonana (tsy marina izany). Hamarino ny vaovao azon’ireo avy amin’ny AP, hitako fa tsy mari-pototra ny vaovao…sns

Mbola misy maro…aza fady anie jereo ny raki-tsary. Mahatsikaiky mahasosotra ilay izy. Ny vaovao androany no nahaliana ny olona kokoa. Fa inona no nahazo ireo gazety ireo e ? Nahoana no dia mieritreri-diso tahaka izao ?

Hevi-gazety roa maka an-tendrony no tsy tian’ny mpibilaogy sasany.

어쨌거나 7년 전 김대중 전 대통령의 역사적 평양 방문이 우리에게 감상적으로 다가와졌던 것에 비해 이번 노무현 대통령의 평양행은 차분하면서도 실무적인 만남의 인상이 더 짙어보인다. 향후 남북 정상회담의 정례화를 위해서는 이런 모습이 오히려 더 자연스러울듯도 하고 그만큼 남북간에 풀어야 할 현안이 많다는 의미도 될 것이다….
반면 이번 남북정상회담을 위해 방북한 노대통령에 대한 국내의 시각은 역시가 극과 극을 치달았다. 대통령의 당연한 직무행위를 역사적 구국 충정의 길이라 칭송하는 것도 역겹고 분단의 벽을 허물기 위한 한발짝의 전진을 허벅다리 후리기 한판으로 매다꽂는 식의 평가절하도 눈살을 찌푸리게 만들었다.

…Raha nampihetsi-po antsika tokoa ny fitsidihana tany Pyongyang nataon’ny filoha Kim Dae-jung fito taona lasa izay, dia nilamindamina no sady nisy vaingany kokoa ny tamin’ity indray mitoraka ity. Raha misy fihaonana misesy manomboka izao, dia tsara kokoa raha vahana aloha ny olana mbola mihantona eo ambon’i Korea Atsimo sy Avaratra ….

 Amin’ny lafiny hafa, tena misara-kevitra roa mifandrafy tokoa ny fijery ny fihaonana avy ao anatin’(i Korea Atsimo). Tsy tsara ny midera ny nataon’ny filoha ho tahaka ny manan-tantara sy fanehoam-pitiavan-tanindrazana, fa tsy tsara koa ny mitsikera ny dingana nataony mba handrava ny rindrin’ny fisarahana.

Ny antsipirihany tsirairay dia voahadihady avokoa. …

…그리고 노 대통령이 북한에 방문했을때의 김정일 국방위원장의 태도도 지난번과는 많이 달랐다. 같은건 옷차림 뿐이라고 해야하나?? 우선 김 국방위원장은 7년전에 김 전 대통령이 방문했을때와 사뭇 다른 태도를 보였다. 7년전에는 서로 포옹을 하며 서로의 인사가 끝나자 50분이 넘도록 동승해서 대화를 했지만, 이번 노 대통령 방북 때에는 둘은 그저 악수만 할뿐이었고 노 대통령을 먼저 보내고 자신도 곧 사라졌다. 그리고 김 국방위원장의 표정도 7년전과는 다르게 경직되어 있었다.
두 정상이 나눈 대화는 “반갑습니다”라는 한 단어가 거의 전부였다. 육•해•공군 의장대 사열을 받으면서도 김 위원장은 표정을 드러내지 않았다. 노 대통령이 미소를 지으며 북한측 고위인사들과 일일이 악수를 나눴지만 김 위원장은 조용히 뒤에서만 지켜볼 뿐 특별한 말을 건네지 않았다.
이에 대해서도 여러 해석들이 있다. 김 국방위원장의 건강 악화설도 있다. 이젠 너무 노쇠하지 않았나 하는 평가다. 반면에 두번째 회담이어서 첫번째와는 달리 별로 감흥이 생기지 않았기 때문이라는 분석도 있다. 또 이번 회담을 실무적으로 끌고 가겠다는 의도를 내비친 것으로 볼 수도 있다. 특히 노 대통령이 임기말인 만큼 많은 선물을 약속해도 정권이 바뀐다면 휴지조각이 될 수 있다는 생각도 표정을 밝지 않게 만들었다는 관측이 있다.

…Tena hafa noho ny tamin’ny fitsidihan’ i Kim Dae-jung mihitsy ny fihetsika nataon’i Kim Jong-il. Angamba ny akanjo tamin’ny farany ihany no nanaovany…? Fony nitsidika tany i Kim Dae-jung fito taona lasa izay, dia nifamihina ny roa tonta ary niaraka nandray fiara iray. Naharitra 50 minitra ny resaka tao anaty fiara. Fa tamin’ity indray mitoraka ity kosa tsy nifandray tanana ry zareo ary tsy niaraka nandray fiara. Raha ampitahaina ny tamin’ny fito taona lasa dia hentitra ny tarehin’i Kim Jong-il.Ny hany nataon-dry zareo tamin’ny fifankahitana voalohany dia ny teny hoe « Faly mahita anao ».

Tsy nisy fihetseham-po taratra mihitsy nataon’i Kim Jong-il nandritra ny matso miaramila sy raha nandray ny tanany Roh Moo-hyun niaraka tamin’ny mpitondra ambony hafa. Tsy niteny na inona na inona izy ary nijery ny tao ambadiky Roh Moo-hyun fotsiny. Maro no azo andikana izany zavatra izany. Iray amin’izany ny toe-pahasalaman’i Kim amin’izao fotoana izao. Mihevitra ny olona fa efa antitra izy ka efa osa. Ny hafa kosa mametraka fa tsy dia taitra loatra intsony izy satria efa fihaonana faharoa io. Nefa tiany hofehezina tsara ny fihaonana.

Efa ho tapitra ihany koa ny fe-potoana itondran’ny governemanta Roh. Na dia mampanantena zavatra maro aza izy, dia mety tsy hisy dikany intsony izany raha miova ny fitondrana.

Momba ny fihaonana kosa, Tena nanakim-po amin’io tokoa ity  ranamana iray ity. 

남북정상상봉장면.
감격에 전율입니다….
모두 가슴을 뜨겁게 합니다. 그리고 눈시울이 뜨거워집니다.
남북정상회담이 우리 국가와 우리 민족의 번영과 평화정착에 기여되기를 희망합니다.

… Ny fihaonan’i Korea Atsimo sy Avaratra.Mampangovitry ny fihetseham-po…

Mafana ny foko sy ny teta-masoko…

Manontany ny Hafa hoe nahoana no amin’izao fotoana izao no mitranga io ary inona no mety ho fiantraikany amin’ny toe-karen’i Korea Atsimo ?

2000년 김대중 전 대통령이 하늘을 날아 북한으로 갔지만..
2007년 어제는 노무현 대통령이 걸어서 군사분계선을 넘었다….
이번 정상회담에 대한 개인적인 내 생각을 밝히자면..
두 정상이 만나는 것에 대해 적극 찬성이다.
평화와 번영을 위한 그리고 나아가 통일을 위한 중요한 디딤돌이 될 것이기 때문이다.
하지만..
솔직히 너무 늦었다고 생각한다.
이제 12월이면 대통령 선거고, 다음 해 2월이면 대통령 이취임식이 있다.
제대로 일 할 수 있는 시간이 4개월 반 남짓 남은 것이다.

물론 노무현 대통령 계산대로 한다면 지금 참여정부를 계승할 수 있는 정권이 탄생해 자신의 정책을 끝까지 유지하길 바라겠지만..
솔직히 지금 현 상황을 보면 그렇게 될거 같진 않고..

아무튼.. 노무현 대통령은 자기가 해 줄 수 없음에도 불구하고 김정일 위원장을 만나고 있다는 것이다. …
대통령 4개월 반밖에 안 남겨놓고 왜 지금 가야 하는지.. 참 이해가 안된다.
적어도 2004년엔 갔어야 되는거 아닌가?무슨 사업이라도 제대로벌였을거 아닌가..

…대선에 영향을 주려는 거라니.. 뭐라니 이딴 소리는 안하겠다.
…국민들은 평화는 원하지만 예전처럼 그렇게 통일을 갈구하지는 않기 때문이다.
가뜩이나 우리 먹고 살기도 힘들어 죽겠는데..
통일하게 되면 통일비용을 고스란히 국민들이 부담해야 할테고..
경제는 더 휘청거릴테고..
물론 정기적인 안목으로 본다면
통일은 우리에게 꼭 필요한 것이다.

…하지만 지금 대한민국에는 ‘평화’ 보다는 ‘경제'가 먼저라는 것은 누구도 부정하긴 힘들다…

…Tamin’ny taona 2000, ny filoha teo aloha Kim Dae-jung, dia efa niomana ny hitsidika an’i Korea Avaratra avy eny an’habakabaka.
Ny taona 2007, Roh Moo-hyun kosa niampita nankany avaratra an-tongotra.Amin’ny hevitro manoloana io fihaonana io…tena mankasitraka ny fihaonan’ny mpitondra roa tonta aho, ho amin’ny fandriampahalemana sy ny fahavokaram-be, dingana manandanja ho amin’ny fampiraisana rahateo io.

Na izany aza,Mieritreritra aho fa tara loatra ny fanapahan-kevitra.Ho avy amin’ny volana desambra ny fifidianana ary amin’ny volana febroary ny lanonam-pametrahana ny filoha vaovao. Izany hoe efa-bolana sisa no hiasany amin’ny mahafiloha.Manantena ny filoha (Koreana Tatsimo) fa ny iray antoko aminy ihany no handresy sy hanohy ny politikany…nefa tahaka ny tsy hitranga izany fanantenana izany.

Nefa na tsy afa-manao na inona na inona intsony aza izy, dia efa mihaona amin’i Kim Jong-il aloha.
Tena tsy azoko mihitsy hoe inona no hataony amin’ny efa-bolana sisa itondrany. Tsy naleo ve tamin’ny taona 2004 no niezaka nitady fihaonana ?

Lasan’eritreritra aho fa ny tena kendrena dia ny hahazoan-tsafidy amin’ny fifidianana ho avy.…mila fandriampahalemana ny olona saingy mbola tsy vonona amin’ny fampiraisana.

Raha misy ny fampiraisana dia tsy maintsy isika (Korea atsimo) no miantoka[mizaka] ny lany amin’izany. Izany hoe tsy hitombina ny toekarena.

…Eny, ao anatin’ny fotoana maharitra dia tsy maintsy ilaintsika ihany ny fampiraisana.…saingy sarotra ny handà hoe ny « toekarena » no laharam-pahamehana mialoha ny « fandriampahalemana »

…Misy koa ny eritreritra hafa, politikam-pampiraisana miompana amin’ny fifampiankinan’ny toekarena aloha.

< 투자없는 과실(果實)은 없다.>
아마도 이 말은 비즈니스의 기본일 것이다.
< 코커콜라>가 해외시장을 개척할 때 쓰는 수법을 보자. 처음에는 무조건 무료시식이다.
‘입맛’을 들이면 꼼짝없는 고객이 되고 만다.
같은 이치이다. 지금 ‘퍼주기’라고?

일본의 예를 보자.
그 동안 일본은 동남아 각국에 < 경협자금>을 엄청나게 뿌려댔다.
이제, 뿌리내렸던 일본자본의 과실(果實)이 속속 일본 본토로 보내지고 있다.
그 놀라운 ‘장사 수완’이 오히려 부럽다.

이제, 남북관계에 있어서…이제 남은 것은 남한(=대한민국)으로의 < 경제 예속화>에 의한 통일뿐이다.
북한이 남한에게 ‘엮여들도록’……더 많이 퍼주어야 한다.
몇 년 후, 남한 없이는 홀로 설 수 없도록 북한의 기초경제에 더 많이 투자하라.
< 개성공단> 같은 산업단지를 더 많이 만들어, 북한으로하여금 < 자본주의>의 ‘꿀맛’을 느끼게 하라….

북한이 애초에 누구의 땅이었는가.
북한에 살고 있는 동포가 누구인가.
우리 민족이다.

우리 민족의 땅에서… 우리 민족끼리 잘 살기 위해서 노력하겠다는데,
언 넘이 ‘감 놔라, 배 놔라.’ 하겠는가.
주변 강대국의 농간에 휘말려서야 되겠는가….

만일에 있을지도 모르는 갑작스러운 북한 붕괴에 대비하여, 붕괴 이후 일어날 혼란을 최소화하기 위해서라도, 미리미리 북한 스스로 자생할 수 있는 길을 열어두는 것은 현명한 판단이다.
골방에 틀어박혀 ‘책상머리 볼펜’으로 끌쩍대는 < 민족주의> 관점에서 바라본 북한의 붕괴와 < 흡수통일>은 기대하지 마라.
경제논리로 풀어가자.
….

….Ny fototry ny fandraharahana manerantany.Andeha hojerentsika hoe ahoana no hiatrehana ny fandraharahana iraisam-pirenena.

Ny voalohany dia ny fahafaha-manandran-tsiro.

Rehefa zatra manandrana tsiro ny olona dia lasa mpanjifa. Dia tahaka izany koa eto.

Moa zava-baovao mbola tsy fahita ve ity fihaonana ity ?Jereo Japana.Nandany vola tamin’ny firenena nanerana an’i Azia Atsimo atsinanana i Japana.

Ankehitriny, efa nody ventiny ny rano natsakain’i Japana, efa miverina any aminy ihany ny vola nolaniana.

Nampialona ahy mihitsy ny “teti-mpandraharahana vitany (japana)”.

Raha jerena ny fifandraisana misy eo amin’ny Korea Avaratra sy Atsimo…ny azontsika atao manambatra ny firenena ka ny Atsimo no mitarika azy.

Tokony hanome betsaka an’i Korea Avaratra isika mba hampisandratra an’i Korea Atsimo.

Afaka taona vitsivitsy any dia ho hitantsika fa tsy ho afaka hijoro mahaleo tena tsy misy an’i Korea atsimo i Korea Avaratra.

Tokony hanao bebe kokoa isika mba hampanandrana tsiron-tantely an’i Korea Avaratra.

Tanindrazan’iza moa I Korea Avaratra?

Iza no mponina any Korea Avaratra?

Mpiray tanindrazana amintsika ihany ireo.

Andeha isika hiaramanasoa ny tanin’ny mpiray tanindrazana amintsika.

Iza no mahasahy hiditra an-tsehatra hanelingelina sy hitsara ny lalana hizorantsika?

Nahoana isika no hatahotra ny firenena matanjaka manakaiky antsika?

…Aleo miomana amin’izay mety ho fidarabohan’ i Korea Avaratra tampoka, dia mba mamefy araka izay mety ho sahotaka amin’izany fidabohana izany, fahendrena noho izany ny mampianatra an’i Korea Avaratra handroso.

Aza manantena fianjeran’i Korea Avaratra araka ny voasoratra sy ny eritreritra isan-karazany.

Andao vahana amin’ny alalan’ny toe-karena ny olana…

Hyejin Kim

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.