Myanmar: Lisitry ny voatazona sy taratasy avy amin’ny mpiasa ao amin’ny zenerasiona 88

Nahazo lisitra misy ny anarana sy ny fikambanana nihavian’ireo mpitokatena sy sivily mihoatra ny 300 izay nosamborin’ny fitondrana miaramila eto Myanmar ny mpibilaogy Niknayman. Maro amin’ireo nosamborina ireo no avy amin’ny Mandatehezam-pirenena ho amin’ny demokrasia, antoko tarihin-dramatoa Aung San Suu Kyi (izay efa nahazo ny loka Nobel ho amin’ny fandriampahalemana saingy giazan’ny fitondrana jadona tsy hivoaka ny tranony).Ny gazety manerana an’I Azia no mametraka fa 1500 ny isan’ireo voatazona. Ny Feo demokratikan’I Birmania (DVB) kosa mitatitra fa mihoatra ny 2000 ny isan’izany nosamboriana izany. Tsahotsahoana ho anjatony kosa ny isan’ny maty, saingy tsy mety milaza ny isa ofisialy kosa ny fitondrana jadona ao Myanmar.

Vaovao iray hafa indray ny nandikan’ny Feo Demokratikan’I Birmania (DVB) ny fanambarana avy amin’I Ko Sein Lin, mpiasa anisan’ny Zenerasiona 8888. Nisy fihetsiketseham-panoherana ny fitondrana jadona tahaka ity ihany koa manko tany Myanmar tamin’ny taona 1988 ary mpianatra indray ny ankamaroan’ny mpitarika tamin’izany fotoana izany. Potiky ny fitondrana jadona [ihany koa] izany hetsika izany ka 3000 ny isan’ny maty ary maro hafa koa no nampijaliana.

Manaika ny mpiasa hafa hiditra amin’ny fanoherana ny jadona i Ko Sein Lin:

Only the citizens of Myanmar should be the Mother and the Father of the country. (The Myanmar Junta has repeatedly tried to brainwash the citizens by trying to elevate the army's status as that of being the parents of the country.)

During the “Sangha's heroic act of peaceful defiance against the Junta”:

1) Many monks, students and civilians have been ruthlessly killed, beaten and tortured by the evil Junta, in a bid to crackdown on the protests. We workers from the 1988 generation vehemently oppose these acts of violence.

2) We urge the workers in the government sector and also those in the public companies to look upon the flag of the Sangha (monks) and to be united as one and we also urge the founders and CEOs of the public and private companies to support the workers’ unity.

3) We, 88 Generation workers would like to announce that we will unite with the citizens of Myanmar, in protest against the evil Myanmar Junta and will join in the fight against the military regime, until they are wiped out.

The citizens of Myanmar should study the legendary history of Myanmar (where we have been victorious) and be prepared to fight as one, even if there were to be bloodshed. [author's note: this sentence was especially difficult to translate as it was a Myanmar idiom that does not exist in English but yours truly has tried her best to convey the meaning behind it]

We would like to request that all workers cease work and to join in the protest against the evil Junta.

-Workers from the 88 Generation

Ny olom-pirenena ihany no tokony ho ray aman-drenin’ny firenena. (Miezaka ny mametraka ny tafika ho ray aman-drenin’ny firenena amin’ny fanasana ati-doha ny vahoaka manko ny fitondrana jadona.)Nandritra ny “ hetsika mendri-piderana nataon’ny Sangha ( mpitokatena) tamim-pilaminana ho fihaikana ny jadona”:
1- Mpitokatena, mpianatra ary sivoly maro no novelasina, nampijaliana ary novonoin’ny jadona tsy mataho-tody tamin’ny fomba tsy misy fiantrana. Melohinay mpiasa avy amin’ny Zenerasiona 1988 tanteraka izany herisetra izany.
2- Manaika ny mpiasam-panjakana sy mpiasa any amin’ny tsy miankina mba hiandrandra hijery ny sainan’ny Sangha ary hivondrona ho iray ary manaika ny mpitantana sy ny tompon’orinasa tsy miankina ihany koa mba hanohana ny fivondronan’ny mpiasa.
3- Izahay mpiasa ao amin’ny Zenerasiona 88 dia te-hilaza fa hanambatra ny herinay amin’ny vahoakan’i Myanmar hanohitra ny jadona tsy mataho-tody ary hiara-mitolona hiady amin’ny fitondrana miaramila mandra-pialan’izy ireo.

Tokony hianatra ny tantara nampalaza sy nampamirapiratra an’I Myanmar ny vahoakan’I Myanmar ary hivonona ho tahaka ny tongotra miaramamindra sy soroka miaramilanja hiady na dia handriaka aza ny ra. [ohabolana Birmana no noezahina nadika araka izay mety eto].

Miangavy ny mpiasa rehetra izahay hampitsahatra ny asany ka hiditra ho amin’ny fanoherana ny fitondrana tsy mataho-tody.

Mpiasa avy amin’ny Zenerasiona 88.

Yagonthu

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.