Myanmar: Te-hampihendanja ny mpanokatena ny miaramila

Ny Feo demokratikan'i Birmania (DVB), fikambanana mpamoaka vaovao tsy mikatsaka tombotsoa, hany ahenoana ny vaovao avy ao Myanmar mbola maratra amin'izao fotoana izao no mitantara fa miezaka ny hampitsahatra ny fiainam-pahamasinan'ny mpanokatena ny miaramila.

Some 300 monks who were arrested a few days ago were delivered to a garage just out side of Insein GTI College. The soldiers are reported to be trying to force the monks to ” give up the secular life, to disrobe – become a layperson and no longer honour the ethics of being a monk.”

Mpanokatena 300 voasambotra andro vitsy lasa izay no natoby tao anaty garazy mifanila amin'ny Oniversiten'i GTI Insein. Voalaza fa manery ny mpanokatena natoby ao ny miaramila “hanary ny fiainam-pahamasinana ( fiainan'izao tontolo izao no itateran'ny gazety azy eo ambony io), hanaisotra ny lambam-pahamasinana irakofana (ny lamba jaky fahitantsika), hiverina ho lahika ary tsy hanaja intsony ny haifitondrantena mahampitokamonina.”

Heverina ho fahotana ny miala amin'ny fiainam-panokanatena tsy amin'antony. Te-hampihen-danja ny fanajan'ny vahoaka azy noho izany no kendren'ireo miaramila ireo, te-hanala baraka ny mpanokatena.

Milaza ihany koa ny DVB fa nampiantso ny “zokiolona indrindra amin'ny mpanokatena ao Instein” ny miaramila hamaky ny soratra pali hanombohana ny fampahamenarana ny mpanokatena, hampiova azy ireo ho lahika. Saingy nanda hamerinteny ny soratra vakian'ny zokiolona ny mpanokatena ary nony afaka kelikely dia niteny ilay zokiolona fa tsy afaka ny handresy lahatra azy ireo hiova  ho lahika, tsy hisy na oviana na oviana izany fiovana izany ka nanda ny hanohy ny vakinteny izy ary dia nolazaina fa navela nandeha.

Notaterina ihany koa fa ampijalian'ny miaramila ny mpanokatena ao Insein. Nisy mpanamboatra ny simba amin'ireny fantson-drano ireny niasa tao amin'ny garazy, nitady azy io ny mpanokatena iray saingy voaloaza fa nokapohina miaramila iray tamin'ny fehikibo ilay mpanokatena (sahisahy).

Mbola misy filazana hafa ihany koa fa fony nentina tanaty fiaraben'ny miaramila teny amin'ny lalambe ireo mpanokatena ireo ka nisy mpamily iray nampaneno ny anjomara ( noho ny tahotra) dia najanon'ny miaramila ny fiara ary nosamborina io mpamisy voalaza io.

Mbola nisy ihany koa nitatitra fa nisy mpanokatena iray rapa tamin'ny tongony roa nentina tao amin'ny hopitaly lehibe ka nibaiko ny mpitsabo tao ireo miaramila ireo fa tsy mahazo tsaboina io mpanokatena io raha tsy efa manaiky hivadika ho lahika. Namaly noho izany ilay mpanokatena fa aleony maty fa tsy hanaiky hiova ho lahika mihitsy izy.

Voalaza ary fa voatery naka alalana manokana avy tamin'ny praiminisitra lefitra mihitsy ny mpitsabo tao vao afaka nikarakara ilay mpanokatena. Vavolombelon maro no nitatitra fa nambenana miaramila maro ny hopitaly nandritra izany fotoana izany ka hadiahadiany avokoa izay miditra sy mivoaka eo.

Yangonthu

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.