Ogandà : Miverina amin'ireo tondra-drano be ny mpiblaogy

Tena nataon'ny mpiblaogy Ogande ho vain-dohan-draharaha nandritra iny tapa-bolana lasa iny ny mitantara ireo tondra-drano be izay nianjady tamin'ny faritry Afrika ambanin'i Sahara. Tena isan'ny voa mafy tamin'izany tondra-drano izany tokoa mantsy ny faritra Avaratra sy Atsinanan'i Oganda, ka olona 250 no namoy ny ainy ary mihoatry ny 150'000 ireo nitsoa-ponenana.

Tanisain'i Omar Basawad ireo takaitra navelan'ity voina ity izay tsy maintsy hozakain'ity firenena ity mandritra ny fotoana maharitra :

The floods only exacerbates Uganda's already many problems: the bloody and costly conflict in the North, it being plagued by HIV/AIDS and other diseases and an economy that has so far not taken off as strongly as hoped for. Now, Uganda has not only to feed and shelter the hundreds of thousands worse affected by the floods, but has too – to reconstruct, rebuild and repair the many roads, bridges and other structures destroyed by the floods. As for the worse affected people of the area, the agony and misery is even more and worse. And will continue for a long time to come; even when the World, much later, has forgotten about the floods in Uganda.

Ny tondra-drano dia manampy ketraka ireo fahasahiranana marobe izay efa mianjady amin'ny Ogandà: ny ra mandriaka vokatry ny ady any Avaratra izay vidiana lafo tokoa, mbola miampy ny HIV/AIDS sy ireo aretina maro ary indrindra ny toekarena izay tsy nety nitraka araky ny nandrandraina. Ankehitriny i Ogandà dia tsy maintsy miatrika indray ny famahanana sy fitadiavana fialofana hoan'ireo traboina aman-jato sy arivony, no sady koa – hanarina sy hanorina ary hanamboatra ireo lalàna, tetezana sy zavatra maro simban'ny tondra-drano. Raha ny mikasika ireo tena voadona mafy tany amin'iny faritra iny kosa, ny toreo sy ny fijaliana dia mbola hitohy ary hihahenjana aza. Mandritra ny fotoana lava; eny elabe aorian'ny hanadinoan'izao tontolo izao fa nisy tondra-drano tany Ogandà tany.

Mpiblaogy maro, isan'izany ry Zack, sy Kelly ary Dennis, no nanambara ny fiarahany miory amin'ireo tra-boina no sady miangavy ireo mpamaky mba hiara-mientana amin'ny fanampiana ireo tra-boina na ara-bola na amin'ny tsy fanadinoana azy ireo fotsiny aza. I Tandra indray dia manazava izay fomba tsotra azo anampiana amin'ny alàlan'ny fandefasana SMS avy amin'ny finday:

Send an SMS and save a life. Donate 1,000/= to flood victims. Simply type FLOOD and send to 198 and you will have saved a flood victim.

Mandefasa SMS mba hanavotra aina iray. Manomeza 1,000/= hoan'ireo tra-boina nohon'ny tondra-drano. Alefaso amin'ny laharana 198 fotsiny ny soratra hoe « FLOOD » [tondra-drano] dia hanampy amin'ny famonjena ireo tra-boina ianao.

I Elitkosa kosa dia mitsikera mafy izay fihetsiky ny fitondrana Ogande manoloana izao voina izao:

Since last week, the main press piece has been the floods in the North and Eastern parts of the country. Kudos to the dailies for if it were not for them, this would have been swept under the carpet in the way our government does when they'd rather not be bothered with the problem at hand.

And what is the Ministry of Disaster Preparedness, headed by Prof. Kiwani [NOTE: “kiwani” can be translated as “liar” or “fake”; the Ugandan Minister of Disaster Preparedness is Musa Ecweru] doing? “We should develop a comprehensive plan to handle disasters”. Heck, a disaster has happened, is happening and you are sitted in your comfortable plush office that has been furnished at the cost of these children's parents’ earnings, and you are talking about developing a plan!!

Hatramin'ny herinandro lasa, ny vaovao tena dradradraina dia ireo faritra tondra-drano any Avaratra sy any Atsinanana. Miverina hoan'ireo gazety izay namoaka ity raharaha ity ny voninahitra, satria raha tsy izy ireo no nandray andraikitra dia zary lasa fafa-trano asitrika ao ambany tsihy araka ny fomba mahazatra fanaon'ny mpitondra antsika rehefa tsy te ho elingelenina amin'ny olana an-tratra tsy voafehiny izy.

Ary inona kosa no mba navalin'ny Ministera fiarovana amin'ireo voina voa-janahary, izay ambany fiadidian'ingahy Prof. Kiwani ? [FANAMARIHANA: « mpandainga » na « tsy marina » no dikan'ny hoe « kiwani »; satria ny Ministry ny fiarovana amin'ireo voina voa-janahary dia i Musa Ecweru]
« Tokony hamolavola tetik'asa mazava isika mba hifehezana ireo voina voa-janahary ». Oadray, ny voina ve rangahy ity efa an-tratra, no sady efa « alohalika ny ranom-bary » dia ianao mbola migalabona tsara amin'ny sezanao malalaka izay novidiana tamin'ny alalan'ny valin-katsembohan'ireo ray amandrenin'ireto ankizy tra-boina, dia famolavolana tetik'asa no mba hany valiny azonao atolotra !!

Rebekah Heacock

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.